Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

  • 18/10/2017 - 13:10 : VAOVAO LEHIBE: Ho avy eto Madagasikara, ka higadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato anio 18 oktobra amin'ny 2 ora tolakandro ny Sekretera Jeneralin'ny Federasionina iraisam-pirenen'ny "croix rouge" sy "croissant rouge".

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170607

Misongadina

Ambohimanambola Nirehitra ny Jirama

07/06/2017

Nirehitra ny toby famokarana herinaratra eny Ambohimanambola, tao amin’ny “cellule disjoncteur” an’ny orinasa Aggreko omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Manantsoa Victor Mbola maro ny “Claudine” eto Madagasikara

07/06/2017

Tsy i Claudine A&C ihany no Claudine eto Madagasikara fa mbola maro, hoy i Manantsoa Victor tamin’ny mpanao gazety.

Hamaky ny tohiny...

Fanovana ny lalàmpanorenana Takian’ny ankamaroan’ny mpanao politika

07/06/2017

Ny filoham-pirenena sisa andrasana, hoy ny mpanao politika miara-dia amin’ny filoha teo aloha Zafy Albert,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Lany rora fotsiny !

07/06/2017

Miarahaba ry Jean sy ry Jeanne a ! Efa volana vitsivitsy izay no nahenoanay anareo mimenomenona sy mivazavaza lava izao fa tsy maintsy hampanjakaina eto amin’ity

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Seraseran’ny samy kandida Hanjakan-dRavalomanana

07/06/2017

Efa 13 taona izao no nisian’ny tambajotran-tserasera “facebook”, noforonin’ilay teratany Amerikanina Mark Zuckerberg, izay mitana ny laharana faha-5 amin’ireo mpanefoefo amin’ny vola dolara amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alain Ramaroson Nahemotra indray ny fitsarana

07/06/2017

Nahemotra ho amin’ny 20 jona izao indray ny fitsarana an’i Alain Ramaroson izay niakatra teny amin’ny fitsarana Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Randrianasolo Nicolas Mila hafindra toerana ny « Chef de groupement » any Betroka

07/06/2017

Mila voatsiary amin’ny fiampangana ny foko zafindravala any an-toerana ho mpangalatra izay tena fampiadiana foko, ny “chef de groupement” an’ny zandary any Betroka, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas.

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny fitsarana Hitokona ny mpiraki-draharaha

07/06/2017

Tohin’ilay fanambarana mikasika ny amin’ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ireo mpiraki-draharaha manatanteraka ny asany sy ny tsy fanekena ny fitsabahana amin’izany

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fetin’ny Pentekosta Nihena ireo olona namoy ny ainy sy naratra

07/06/2017

Olona sivy no namoy ny ainy nandritra ny fetin’ny pentekosta lasa teo manerana ny nosy ka 2 tao amin’ny HJRA, raha ny vaovao azo tetsy amin’ny hopitaly HJRA.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hitohy ny fahamaizinana ?

07/06/2017

Dia tsy mbola ho fanta-bahoaka ihany izay namono an-dRatsimandrava, tsy hazava ny mikasika ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Areti-mifindra eto Madagasikara Nanaovana tomban’ezaka manokana

07/06/2017

Nanaovana tomban’ezaka tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly ny momba ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Teknisianina navoaky ny ENAM Rasoloson Hery no “Major des Majors”

07/06/2017

Namoaka voalohany ireo teknisianina ambony miisa 174 nanaraka ilay fiofanana mitohy na “Formation continue Cycle Expertise” ny sekoly ambony Enam etsy Androhibe. Rasoloson Hery no Major des majors tamin’izany tao anatin’ny andiany “ Mamiratra”.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Praiminisitra tany Tsihombe Voaresaka indray ny dahalo miova fo

07/06/2017

Tonga nidina ifotony tany Tsihombe Faritra Androy, ny zoma 2 jona teo, nitokana ny tranon’ny tanora any an-toerana sady nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanatanterahana ny lohahevitra

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

07/06/2017

Miketrika mafy ny hisian’ny fiarahana mametraka rafitra vaovao hiarahana amin’ny antoko politika samy hafa ny DFP « dinika ho fanavotam-pirenena » amin’izao fotoana izao. Ny hisian’ny rafitra tetezamita hiarahana mitondra mialohan’ny fifidianana izay ho atao eto no tena tanjon’izy ireo amin’izany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana