Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170601

Misongadina

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy matahotra inspection

01/06/2017

Nivoaka taminny fahanginana omaly Julien Andriamorasata, lefitra faharoanny Benny tannanny kaominina Antananarivo renivohitra manoloana ny fanaratsiana sy fanenjehana mahazo ny kaominina iadidiany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina Miezaka mafy manindry an-dRavalomanana

01/06/2017

Vao herinandro vitsy izay i Marc Ravalomanana no nanakiana mafy ny fitondrana tarihini Hery Rajaonarimampianina aminny resaka tsindritsindry, ary nahavita namoaka vava fa samy hanao zavatra isika ary hahita ny fitondrana.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianarisoa Stanislas Hajanony ny fanondranana omby any ivelany

01/06/2017

Hajanony ny fanondranana omby any ivelani Madagasikara, hoy ny depiote voafidy teny aminny Boriborintany faharoa teto Antananarivo Renivohitra omaly teny Tsimbazaza, fa io no tena fototry ny halatra omby sy ny asan-dahalo mirohatra be ankehitriny manerana ny nosy.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Kathy Mpanohana 100% ny fitondrana Rajaonarimampianina

01/06/2017

Nazava taminny fandraisam-pitenenana nataonny depiote Kathy avy any Mananjary, omaly teny Tsimbazaza nandritra ny

Hamaky ny tohiny...

Depiote Nina na Rahantanirina Lalao Tsy izy intsony io fitondrana ankehitriny io

01/06/2017

Raha nanontanianny mpanao gazety mikasika ny resaka motion de censure mandeha be eny anivonny Antenimieram-pirenena omaly talata 31 mey ny depiote Nina na Rahantaninirina Lalao avy any Mahajanga I,

Hamaky ny tohiny...

Tatitra nataonny praiminisitra Tena fanompana vahoaka

01/06/2017

Nisokatra omaly ary hitohy anio ny fihaonanny governemanta sy ny solombavambahoaka, ka itateranny fahefana mpanatanteraka ny asa vitany. Nisantatra izany ny praiminisitra sady minisitry atitany Mahafaly Solonandrasana Olivier, ka niompana tamina lafin-javatra 3 dia ny resaka fanjakana tsara tantana, toekarena ary ny sosialy no nanaovany tatitra.

Hamaky ny tohiny...

Jean Max Rakotomamonjy Mampidi-kizo ny antenimieram-pirenena

01/06/2017

Mahagaga sy mahatalanjona ny fihetsiky ny filohanny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Firaisankina ho Fanavotana ani Madagasikara Zarao aminny Malagasy ny tany

01/06/2017

Mitombina, hoy ry zareo avy eo anivonny Firaisankina ho fanavotana ani Madagasikara (Fi.Fa.Ma), ny filazana fa mety tsy ho antsika intsony ity Madagasikara ity atsy ho atsy, raha izao no mitohy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ambany atsinanana avy hatrany ?

01/06/2017

Manao ahoana ianareo ry Jean a ! Mbola miaina an-kalalahana ihany ve ianareo ao sa dia efa mitaintain-dava tahaka sahobakaka am-bodiriana ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanambaram-pananana 161 aminny 1725 ihany no nahavita

01/06/2017

Nifarana omaly 31 mey ny fe-potoana farany tokony hanaovanireo tomponandraiki-panjakana fanambaram-pananana, ka nanao antso fanineniny mba hanatanterahanireo mpiasam-panjakana tokony hanao io fanambaram-panana io izany ny Bianco.

Hamaky ny tohiny...

Ady aminny herisetra ara-nofo aminny ankizy 900.000 euros no ho laniana ao anatinny 3 taona

01/06/2017

Nampahafantra tetsy aminny Alliance franaise Andavamamba omaly ny fomba fiadinireo fokontany miisa 9, izay saika manodidina aniny 67ha iny ny ankamaroany, hiadiana aminny herisetra ara-nofo na fanararaotana ara-nofo mamoafady misy takalony atao aminny ankizy.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambohijanaka Nanampy ireo ray aman-dreninny mpianatra

01/06/2017

Mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahinny kaominina ambanivohitra Ambohijanaka aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Lalna momba ny sekolim-pinoana Tena mety ho anny sekoly FJKM, hoy Raharinaivo Falimanana

01/06/2017

Anisanny niteraka resabe teny anivonny fiarahamonina teo aloha ny momba ireo sekolim-pinoana izay tsy mahazo mampivavaka mpianatra mihoatra ny ora dimy isan-kerinandro.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mbola politika ve ?

01/06/2017

Mahatsikaiky ihany ho anireo olona tsy dia sarotim-po loatra saingy mahasorena kosa ho anireo saranganolona leo famitaham-bahoaka sy tena mahalala ny atao hoe politika ny mandre fa niompana taminny vatsinAnkohonana no tena nandaniana ny volam-panjakana hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Aretina hepatite B Mifindra aminny alalanny ranonivy koa

01/06/2017

Anisanny aretin-dratsy iray tena atahoranny olona ihany koa aminizao fotoana izao ny Hepatite B,C,D izay tena mamono haingana tokoa ankoatra ny homamiadana sy ny SIDA.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

DIPLOMASIA

01/06/2017

Nomarihina ny talata 30 mey lasa teo ny tsingeri-taona faha 150 nifandraisan'I Madagasikara taminny alalanny tannani Tolagnaro sy Etazonia.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana