Fil d'actualités du 25/06/2017

  • 25/06/2017 - 07:25 : Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron any Paris ny alarobia 28 jona ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny fanasana manokana azony.Miarahaba sy mirary soa ny Malagasy ihany koa ny fetimpirenena ny filoha Frantsay.

  • 25/06/2017 - 07:15 : Chine:tanàna iray no potika tanteraka, olona 100 tsy hita popoka, razana 15 no efa hitan'ny mpamonjy voina.Io no vokatry ny fihotsahan'ny tany goavana narahana ranom-potaka tany Sichuan Chine ny sabotsy teo.

  • 25/06/2017 - 07:10 : Ho faran'izay hentitra ny fitandroana ny filaminana eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina rahampitso 26 jona.1200 ny mpitandro filaminana hiasa ao anatiny sy ety ivelan'ny kianja.Hisy ny fanarahamaso amin'ny alalan'ny camera de surveillance ary hisy Koa ny fitaovana raitra dia raitra hafa ampiasaina mandritra ny fisavana ireo rehetra hiditra ao an-kianja.

  • 25/06/2017 - 07:05 : 1200 no isan'ireo vahiny nasaina hiatrika ny fiaraha-misakafo amin'ny filohampirenena mivady eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso alatsinainy 26 jona aorian'ny matso eny Mahamasina ho fanamarihana ny faha-57 taonan'ny fahaleovantena.

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170531

Misongadina

Miala any ny jadona Hosamborina avy hatrany izay migrevy

31/05/2017

Ny tombontsoa amboninny firenena no zava-dehibe ka mila alamina daholo ireo sehatra misy na manomboka misy fitokonana aminizao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Force de changement Tsy ho tafatsangana eto ny fitsarana ambony

31/05/2017

Nifamotoana teny aminny foibenny antoko AKFM etsy Andravoahangy ambony omaly ireo hery politika nivondrona ho ao anatinilay antsoina hoe Force de changement na hery fanovana izay najoro ny alarobia lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ampitatafika Mandeha tsara ny fandoavan-ketra

31/05/2017

Tontosa ny fampanantenanny Benny tanna Rado Ramparaoelina fampisitrahana traktera ny vahoakanAmpitatafika. Efa mirotsaka tanteraka aminny fanampiana ny fiarahamonina eny an-toerana ity fitaovam-pamokarana ity nanomboka ny volana martsa 2017.

Hamaky ny tohiny...

Antoko AREMA Mila mihavana aloha isika

31/05/2017

Afaka nanao fifidianana foana isika fa tsy izany akory no nampandroso, fa ny laharam-pahamehana aloha dia ny mitady hevitra hampivondronana ny Malagasy, hoy i Simon Pierre, sekretera jeneralinny antoko Arema.

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Tena misy depiote nahazo 4X4

31/05/2017

Na dia maro aza ireo solombavambahoaka no nilaza ho tsy mahalala ny fisianny fanomezana ilay 4 X 4 double cabine Mazada BT 50 dia voaporofo an-tsary nalainny mpanao gazety teny an-toerana ny fisitrahanireo depiote vitsivitsy voafidy manokana nisitraka izany.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Tena miasa, hoy i Rija Razafimandimby

31/05/2017

Nahazo vahana teto amintsika ny fanaratsiana ny mpitondra tato ho ato, hoy i Rija Razafimandimby mpanao politika. Anisanizany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izay nomarihiny manokana fa hatao mihitsy izay fomba entina hamotehana azy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Kely sisa

31/05/2017

Aleo dia mionona ry Jean hoe efa kely sisa dia hifarana ny fahoriana a ! Izay maharitra ihany, hono, no ho voavonjy aminny farany e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fandaminana eny Analakely Mpivarotra 320 nafindra toerana

31/05/2017

Ao anatinny vanim-potoananny fety isika izao, ka nisy ny fandaminana anireo mpivarotra amoron-dalana teny anoloanny Esplanade Analakely nataonny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly talata 30 mey 2017.

Hamaky ny tohiny...

Filohanny SMM Tsy maintsy ho avy ny anjaranny senatera Riana

31/05/2017

Nibaribary loatra ny karazanolona tsimatimanota eto Madagasikara, tao anatinny raharaha Claudine Razaimamonjy, hoy ny filohanny Sendikanny mpitsara eto Madagasikara (SMM) halina tao anatinny fandaharana Donakafonny Top radio 102.8 FM.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Lalna momba ny sekolim-pinoana Tena mety ho anny sekoly FJKM, hoy Raharinaivo Falimanana

31/05/2017

Anisanny niteraka resabe teny anivonny fiarahamonina teo aloha ny momba ireo sekolim-pinoana izay tsy mahazo mampivavaka mpianatra mihoatra ny ora dimy isan-kerinandro.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy vonon-kihavana !

31/05/2017

Samy mivoy ny resaka fampihavam-pirenena ny ankamaroanny hery politika eto aminny firenena aminizao fotoana. Hatraminireo hery politika matanjaka sy manohitra ny fitondrana, toy ny antoko Tiako i Madagasikara aza dia mivoy anizany satria izay no hany tokana hivoahana aminny krizy.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Dr Pierre-Sans Firenena mahantra indrindra faha-5 i Madagasikara

31/05/2017

Vao 1 volana monja ny Dr Pierre-Sans manampahaizana manokana aminny fitiliana ny aretina autisme ary efa nahasoratra boky maro mahakasika izany no tonga teto Madagasikara araka ny fanasanny fikambanana Autisme Madagascar azy nanao fitiliana ireo voanny autisme

Hamaky ny tohiny...

Setro-tsigara Ny manodidina ilay mpifoka no tena voa mafy

31/05/2017

Maro ireo olona mpifoka sigara aminny ankapobeny. Mahatratra 6 tapitrisa isan-taona, mantsy maneran-tany, ireo olona voasarika hifoka izany. Folo taona no kely indrindra aminizany, aminny ankapobeny, raha mihoatra ny 70 taona no zokiny indrindra.

Hamaky ny tohiny...

Didimpoitra Efa azo atao aminny vanim-potoana rehetra

31/05/2017

Efa azo atao aminny vanim-potoana rehetra misy ny didim-poitra, araka ny fanazavanny dokotera Fidy Bariniaina fa tsy voatery ho aminny vanim-potoananny ririnina tahaka izao ihany.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fizarana PPN Tsy asana filoham-pirenena, hoy i Beriziky

31/05/2017

Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fihetsiky ny filoham-pirenena izay mizara vatsin-tsakafo ilaina aminny fiainana

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Asa fampianarana Tsy omenny mpitondra lanja, hoy ny Seces

31/05/2017

Na ny vahoaka aza mahatsapa fa faralahinasa ny fampianarana sy fikarohana, hoy ny filohanny sendikanny mpampianatra mpikaroka (Seces) eto Antananarivo, Sammy Grgoire Ravelonirina.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Zandary tratra manao kolikoly Horoahina avy hatrany

31/05/2017

Naato nanomboka ny 13 lasa teo ny asanireo zandary manao fisavana eny aminny lalm-pirenena noho ny fandrenesana matetika ny fanaovanizy ireo kolikoly araka ny fanomezam-baovaonny tomponandraikitra eo anivonny zandarimariam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TOEKARENA

31/05/2017

Fantatra ankehitriny fa teratany Italianina ilay vahiny mpanao vola sandoka ary manaparitaka anizany ao Nosy-Be.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana