Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170530

Misongadina

Voahangy Rajaonarimampianina Tsy mahatoky ny vadiny ?

30/05/2017

Miverina miditra lalina aminny politika sy ny fiainam-pirenena indray i Voahangy Rajaonarimampianina aminizao fotoana raha tsy dia re sy tsy henoheno teo aloha teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Samy be tsaho !

30/05/2017

Dia mihomehy irery mihitsy aho ry Jean mandinika anao miala bala sy mamafa ny zavatra nambaranao taloha. Ilay resaka telo volana indray no horesahiko eto ry Jea fa sao ianao gaga a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sendikanny mpiasanny fadin-tseranana Mitaky tombontsoa ihany koa

30/05/2017

Nanomboka nitokona tetsy Antaninarenina koa ry zareo avy eo anivonny mpiasanny fadin-tseranana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Antsakabary Voaporofo ny habibiana nataonireo polisy

30/05/2017

Manao antso avo sy manontany ny fivoaranny fanadihadiana izay nataonny fitondram-panjakana tao anatinny 3 volana momba ny raharaha Antsakabary ny Vovonana Mampiray tarihini Arlette Ramaroson, ka nandefa taratasy any aminny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ary ireo sampan-draharaham-panjakana voakasika.

Hamaky ny tohiny...

Mpiraki-draharahanny fitsarana Manomboka mihetsika indray

30/05/2017

Tafahoatra ny fanaovana tsinontsinona ny mpiraki-draharaha eto amintsika, raha ny fanambarana nataon-dry zareo eo anivonny fivondronanny mpiraki-draharaha tetsy aminny hotely Colbert Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Faritra Boeny Nitokana fotodrafitrasa 3 ny praiministra Solonandrasana

30/05/2017

Nidina ifotony tany aminny renivohitry ny faritra Boeny ny delegasiona notarihinny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier notroninireo minisi-panajakana maromaro ny zoma 26 mey 2017.

Hamaky ny tohiny...

Mpiompy omby eny Ankatso Ambolokandrina Nahazo rariny taminny CUA

30/05/2017

Tsy alana aminny toerany araka ny fampitahorana efa nahazo azy ireo hatraminny ela fa afaka manohy ny asa fiompiany ireo mpiompy omby ao aminny fokontany Ankatso Ambolokandrina.

Hamaky ny tohiny...

Soaniedanana PK 67 Hosokafana ny 3 jona ho avy izao ny tsena vaovao

30/05/2017

Mitohy hatrany ny fandraisanny fikambanana HAFARI Malagasy an-tanana ilay tetikasa fifindra-monina ao Soaniedanana Ankazobe PK 67 aminizao fotoana na dia mbola mamita sazy any am-ponja aza ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Fitantanana ny kianjabeni Mahamasina Misy manohitra ny toromariki Lalao Ravalomanana

30/05/2017

Noho ny fangatahanireo olona maro mampiasa ny kianjabeni Mahamasina hikotranana isa-maraina dia namoaka didy tsy ela akory izay ny Benny tannanAntananarivo Renivohitra fa misokatra ho anny rehetra aminny 5 ora maraina ny kianja ary mihidy kosa rehefa aminny 7 ora hariva.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Toy ny mahazatra e !

30/05/2017

Mahalasa saina sy mampametra-panontaniana ihany hoe ndrao dia tokony hasiana alimanaka aminizay ity fitokonana miverimberina sy vahaolana famonoana afo lava niseho tao anatinny 4 taona sy 5 volana teto aminny firenena ity ?

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Masoivohonny CNaPS Nisokatra ny any Nosy Be Hell Ville

30/05/2017

Niampy iray ny rantsanny CNaPS any Nosy Be satria ankoatra ny masoivoho any Dzamanjary dia nisokatra ny faranny herinandro teo ny ao Hell Ville. Tafiditra aminny politika fanakaikezana ny vahoaka ataonny CNaPS ny nanokafana ny any aminny fokontany Camp Vert Hell Ville, 14km miala ny eo Djamanjary,

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fampianarana ambony Mitohy ny fitakianny SECES

30/05/2017

Tsy mbola nisy ny fifanarahana niraisana nivoaka taminny fifampidinihanny SECES sy ny tomponandraiki-panjakana, araka ny fanazavanny filohanny SECES nasionaly Dr Dimby Andrianina Ralambomanana.

Hamaky ny tohiny...

Gym Bac teny Mahamasina Tovovavy mpiadina iray no bevohoka

30/05/2017

Nanomboka omaly alatsinainy 29 mey tetsy aminny kianjabeni Mahamasina ny adina ara-panatanjahantena Bakalrea ho anireo sokajy A2 avy eo aminny foibem-panadinana lisea Andohalo sy Nanisana samy ao anatinny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy momba ny fandaharam-pianarana vaovao Misy sekoly efa mitady vahaolana

30/05/2017

Anisanny miteraka resabe eny anivonny fiarahamonina aminizao fotoana izao ny fanovana ny fandaharam-pianarana hotontosainny minisiteranny fanabeazam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TOEKARENA

30/05/2017

Mirongatra ny halatra lavanila any aminny kaominina ambanivohitra Manamivalana, distrikani Fenoarivo Atsinanana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana