Fil d'actualités du 23/10/2017

  • 23/10/2017 - 16:30 : CEDES: Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Hotely Carlton Anosy androany ny andiany faha-13 miisa 42 tamin’ireo mpiofana teo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana momba ny diplomasia sy ny stratejia ity, izay nisalotra ny anarana “Andriatsitohaina”.

  • 23/10/2017 - 16:15 : FESTIVAL "AVY LITCHIS": Ho foana tanteraka ny Festival “Avy Litchis” izay tokony hatao any Toamasina ny19-27 novambra 2017 raha sanatria mbola mihemotra io daty io satria tsy hanaiky ho avy aty intsony ireo sambo mitondra olona hatramin'ny 10400 efa niomana hanatrika izany.

  • 23/10/2017 - 16:00 : PESTA: Zazakely 8 volana voalaza fa matin'ny pesta ary nalevina eny Anjanahary no angatahin'ny ray aman-dreniny amin'ny BMH ny mba hahafahan'izy ireo maka ny razana sy mandevina azy satria tsy matin'ny pesta izany ny zanakay, ary izahay ray aman-dreniny aza tsy voan'io aretina io akory, hoy ny renin'ilay zaza.

  • 23/10/2017 - 15:45 : Kaominina Antananarivo: Mampirisika ny olona handoa hetra ny avy ao amin'ny boriborintany faha-4 ary efa manomboka ny fandraisana izany.

  • 23/10/2017 - 15:30 : NINIE DONIAH: Notafihan’ny jiolahy miisa 7 ny trano fonenan’ity mpanakanto Malagasy ity eto Antananarivo omaly alina, ka lasa tamin'izany ny zavatra sarodidy toy ny firavaka volamena sy ny solosaina hatramin'ny vilany. Efa mandeha ny fanadihadiana!

  • 23/10/2017 - 15:15 : ANTENIMIERAM-PIRENENA: Ny alarobia 25 oktobra no hitohy indray ny fivoriana ara-potoanan'ity andrim-panjakana ity, ka mandritra izany no hanapahana ireo lahadinika horesahina.

  • 23/10/2017 - 15:00 : KAOMININA IVATO: “Efa maherin’ny 280 ny mpiasan’ny Kaominina karamaina ao ary manatanteraka ny asa rehetra ho an’ny vahoaka izy ireo fa tsy miandry karama fotsiny: midina ifotony mba hijery ny olana ary mamaha ny olan’ny vahoaka”, hoy ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

  • 23/10/2017 - 14:45 : AFROBASKET "FIBA 3x3": Haseho amin'ny faran'ny herinandro ny lisitr'ireo mpilalao Malagasy hisolo tena antsika amin'ny Fifaninana "Afrobasket" lalaovin'olona telo na ny "FIBA 3X3" hatao any Togo ny 3-5 novambra izao.

  • 23/10/2017 - 14:30 : MORAMANGA: Naharesy sy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana ireo vahoaka 500 voaroaka tamin'ny taniny tao Moramanga, ary efa tafody soa aman-tsara tsara amin'ny taniny. Nanampy betsaka azy ireo ny Fikambanana Ny Fanahy Maha-Olona tarihin'i Ny Rado Rafalimanana tamin'ny fakana mpisolovava.

  • 23/10/2017 - 14:15 : Kaominina Ivato: Natomboka androany ny fanamboarana ny EPP Antanambao Ivato, izay ahitana efitrano 6. Ary tsy maintsy vitaina amin'ny taona ho avy avokoa ireo vinavina rehetra momba ny fampandrosoana ny tanàna. Hoy ny Ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa.

Voir plus d'infos...

23/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170523

Misongadina

Fifidianana 2018 Ravalo sy Rajoelina no Favoris

23/05/2017

Efa tena ambany ny fitiavanny vahoaka ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM antokonny fitondrana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina Nanao vava be indray

23/05/2017

Miezaka maka ny fonny mponina sahirana eto Antananarivo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra Malagasy Tsy manaja ny programa nampanantenainy ny vahoaka

23/05/2017

Kely finoana aminny hisianny fifidianana ny taona 2018 ny AKFM (Antokonny Kongresinny Fahaleovantenani Madagasikara). Misavorovoro be mantsy ny fiainam-pirenena ankehitriny, hoy ny filohany Rakotomanga Eric.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Honor Rakotomanana Vonona hiatrika fitsarana aho !

23/05/2017

Naneho ny heviny mikasika ny resabe aterakilay filazana tamina gazety mpiseho isanandro fa tompona tranobe iray miorina eny Ambatomirahavavy ny filohanny antenimierandoholona, Honor Rakotomanana, omaly,

Hamaky ny tohiny...

Mpandraharaha ny fonja Mila alefa any am-ponja i Claudine

23/05/2017

Misy fetrany ny fitazonana olona any aminny hopitaly fa tsy tazonina mandrakizay any izy, hoy ny filohanny Sendikanny mpandraharaha ny fonja (SPAPM) Realy Csar Diderot, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Vahiny mpisetrasetra vahoaka ao Toamasina Voasambotra ihany ny farany

23/05/2017

Nosamborinny mpitandro ny filaminana omaly alatsinainy tolakandro ilay teratany frantsay mpisetrasetra sy mpampihorohoro ao an-tannani Toamasina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mangady fasana hilevenana !

23/05/2017

Manao volo ngita mifandray tendro avokoa ny ankamaroanny olona ambony ao anaty fitondrana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanarenana ny orinasam-panjakana Mila maka lesona isika, hoy i Arizaka Rabekoto Raoul

23/05/2017

Niforona taminny taona 1973 ny orinasa SINPA ary nikatona ny 2001. Orinasa telo no nakambanny fanjakana dia ny BCSR, ny CEAMP ary ny Syndicat Des Communes.

Hamaky ny tohiny...

Asa tanana Malagasy Mila misokatra aminny any ivelany

23/05/2017

Tonga nisolotena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina taminny fitsidihana ireo tranoheva ny tsenabe FIM andiany faha 17, teny aminny Zone Forello Tanjombato,

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Iray volanny teny Malagasy Hanao hetsika mitety faritra ny FIMPIMA

23/05/2017

Hanamarika ny iray volanny teny Malagasy ny Fikambananny Mpikabary Malagasy (FIMPIMA) tarihini Andriamboavonjy Hanitra ny 3 jona ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

23/05/2017

Omaly indray vao hita niseho vahoaka niaraka taminny filoham-pirenena Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana