Fil d'actualités du 25/06/2017

  • 25/06/2017 - 07:25 : Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron any Paris ny alarobia 28 jona ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny fanasana manokana azony.Miarahaba sy mirary soa ny Malagasy ihany koa ny fetimpirenena ny filoha Frantsay.

  • 25/06/2017 - 07:15 : Chine:tanàna iray no potika tanteraka, olona 100 tsy hita popoka, razana 15 no efa hitan'ny mpamonjy voina.Io no vokatry ny fihotsahan'ny tany goavana narahana ranom-potaka tany Sichuan Chine ny sabotsy teo.

  • 25/06/2017 - 07:10 : Ho faran'izay hentitra ny fitandroana ny filaminana eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina rahampitso 26 jona.1200 ny mpitandro filaminana hiasa ao anatiny sy ety ivelan'ny kianja.Hisy ny fanarahamaso amin'ny alalan'ny camera de surveillance ary hisy Koa ny fitaovana raitra dia raitra hafa ampiasaina mandritra ny fisavana ireo rehetra hiditra ao an-kianja.

  • 25/06/2017 - 07:05 : 1200 no isan'ireo vahiny nasaina hiatrika ny fiaraha-misakafo amin'ny filohampirenena mivady eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso alatsinainy 26 jona aorian'ny matso eny Mahamasina ho fanamarihana ny faha-57 taonan'ny fahaleovantena.

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170522

Misongadina

Tiako I Madagasikara Vonona hiara-kiasa aminny rehetra

22/05/2017

Taorianny nahatongavanny filoha teo aloha Marc Ravalomanana avy any Eoropa sy nandraisany ireo solotenanny SADC teny Ambohitsorohitra, dia nitsidika ani Mahjanga izy sy ny vadiny niatrika ny fivorianny synodanny Fiangonana FJKM any aminny faritra Boeny ny faranny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antoko Maitso Hasini Madagasikara Mbola misy ny fanantenana, hoy Alexandre Georget

22/05/2017

Raha mbola misy ny Maitso, mbola misy ny fanantenana, hoy Atoa Georget Alexandre filohanny antoko politika Maitso Hasini

Hamaky ny tohiny...

Fanesorana ny praiminisitra Lasa gidragidra ao an-dapa

22/05/2017

Efa mampizarazara ny samy olonny HVM ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasa Olivier aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

TaratasinI Jean Ady saritaka!

22/05/2017

Manao ahoana ry Jean a! Inona indray moa izany ady saritakareo ao izany e! Inona no tsy nifankahazoana fa dia tena efa manako aty aminay anie na dia ezahinareo hampanginina aza e!

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Trano may teny Imerinafovoany Tsy mazavazava

22/05/2017

Ny sabotsy teo tokony ho taminny 10 ora atoandro, dia nidonaka mainty be ny trano iray anolon-tsotra tery Imerinafovoany, kaominina Talatamaty.

Hamaky ny tohiny...

Fikojakojana endrika amam-bika Feno 10 taona ny Charmelle beaut Ampasampito

22/05/2017

Hankalaza ny fahafolo taonany ny Charmelle beaut eny Ampasampito, tantanan-dRamatoa Vola Rafidimaharisoa.

Hamaky ny tohiny...

Tsenani Mahitsy Misy mitady hanangana pavillon tsy ara-dalna

22/05/2017

Misy mitady hanangana pavillon tsy ara-dalna ao aminny tsenani Mahitsy, kaominina ambanivohitra Mahitsy aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo Franc maon ny ankamaroanny mpitondra eto

22/05/2017

Ny mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo no vahininny fandaharana Vahaolana tao aminny onjampeo Top Radio (F.m 102.8) omaly taminny 1 ora tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hetahetaniza ?

22/05/2017

Hetahetaniza no natao horaisina sy hohenoina eto aminity firenena ity ? Ny anireo vahoaka ventesina efa ho isanandro fa tomponny fahefana tokoa ve sa ny anireo mpitondra ?

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Hopitaly manara-penitra 5 taona tsy mazava

22/05/2017

Ny 1 desambra 2012 no notokanana ny hopitaly manara-penitra tao Antsiranana, afaka 6 volana mahery dia ho feno 5 taona.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Asa tanana Malagasy Mila misokatra aminny any ivelany

22/05/2017

Tonga nisolotena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina taminny fitsidihana ireo tranoheva ny tsenabe FIM andiany faha 17, teny aminny Zone Forello Tanjombato,

Hamaky ny tohiny...

Mpiasa Malagasy Tsy ho tohatra politika intsony

22/05/2017

Feno 40 taona katroka ny 20 mey ny FISEMARE (Firaisambenny Sendikanny Mpiasa Malagasy Revolisiona).

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Maroantsetra Maty teo am-panaovana Gym bac ilay tovolahy

22/05/2017

Nosembanin-drahona ny adina fanadinana bakalorea ara-panatanjahantena tao Maroantsetra ny zoma teo. Maty tampoka teo am-pahatongavana nanao ny taranja farany 1.000m i Marco 19 taona mpianatry ny sekoly tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tantara an-tsehatra Tamaboho Nanasongadina ny kolontsaina Malagasy

22/05/2017

Fahombiazana tanteraka no azo taminilay tantara an-tsehatra tamaboho andiany voalohany notanterahina tetsy aminny lapanny tannanAnalakely ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Distrikani Fenoarivobe Kaominina 1 aminny 10 no mba milamindamina

22/05/2017

Nambaranny depiote Ranaivoson Andrianavalona Fanomezanjaka voafidy tany Fenoarivobe fa anisanireo faritra mahamay aminny tsy fisianny fandriampahalemana ao aminy ny distrika tantaniny,

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

22/05/2017

Mampatsiahy nytale jeneralinny Bianco fa ho avy aminizay ny sary ho anireo mpiasam-panjakana tokony hanao fanambaram-pananana kanafe tsy nahavita izany aorianny 1 jona 2017.Ambaranny lalna fa migadra enim-bolana ka hatraminny dimy taona miampy lamandy 10 ka hatraminny 40 tapitrisa ariary ny olona tsy nahavita fanambaram-pananana roa volana taorianny fanairana sy fampatsiahivana natao taminy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana