Fil d'actualités du 19/08/2017

  • 19/08/2017 - 10:00 : Jirama _Fafatapahan-drano: Noho ny fahavakisan'ny fantsona lehibe iray ao ANDRAHARO dia tapaka ny rano manelanelana an'ANTANIMENA sy ANDRAHARO (ANKAZOMANGA, TSARAMASAY, ...) mandritra ny fanamboarana izay efa nanomhoka ny maraina teo.

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170517

Misongadina

Andry Rajoelina Ireo antony mampangina azy

17/05/2017

Mampametra-panontaniana ny maro ny fahanginani Andry Rajoelina aminizao satria tsy hita ao anaty tabilao mihitsy ny tenany eo aminny tontolo politika.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimieram-pirenena Tsimbazaza Ny fitoniana no ilaina, hoy ireo depiote

17/05/2017

Nilaza ho tsy mbola nisy nahita motion de censure misy miketriketrika izany ireo solombavambahoaka izay nanontaniana teny aminny Lapani Tsimbazaza, omaly talata 16 mey 2017.

Hamaky ny tohiny...

Fanagadrana ani Fernand Cello Tsy mitombina, nivoaka ny porofo

17/05/2017

Namoaka taratasy ny Banky BFV Fianarantsoa fa tsy nahazo taratasy fanoherana na fitarainana momba fahaverezana taratasim-bola mitondra ny laharana CC27165026 taminny 6 septambra 2015.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Mody mitapy indray !

17/05/2017

Miarahaba ani Jean indray ny tenanay ! Ny hampiala voly anay ve no tanjonareo ity sa handrebireby fotsiny izao e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Filohanny SMM Nisava ny efitranoni Claudine R

17/05/2017

Nidina nanao fanamarinana teny aminny hopitaly HJRA Ampefiloha aminny maha mbola eny an-toerana na tsia an-dRazaimamonjy ny Filohan'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), Faniry Ernaivo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ny fitsarana no fositra

17/05/2017

Tsy mahagaga raha tsy voafehy ny fitsaram-bahoaka. Na manao mafy ny asany amin'ny fanadihadiana aza ny mpitandro ny filaminana dia ny eny amin'ny fitsarana indraindray no fositra raha ny valim-pitsarana nivoaka omaly talata 16 mey 2017 tao Antsirabe ka nampimenomenona ny voakasika.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Tolo-tanana ho ani Andry Ratovo Maro ireo namaly ny antso

17/05/2017

Fahombiazana, taminny ankapobeny no azo taminilay hetsika tolo-tanana ho anny namana mpanao gazety Andry Ratovo, izay natao omaly, tetsy aminny Tahala Rarihasina Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Aretina habokana Marary 1700 vaovao indray no fantatra taminny 2016

17/05/2017

Mitombo hatrany ireo olona lasibatry ny aretina habokana eto Madagasikara. Marary vaovao miisa 1700 indray no fantatra taminny taona 2016

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Vitrine de Madagascar eny Iavoloha Nofohazina ny tetikasan-dRavalomanana

17/05/2017

Nitsidika ny antsoina hoe agro-conomie iandraiketanny GSDM (Groupement Semis Direct Madagascar) tao aminny saha sekoly eny Iavoloha ny filohanny Repoblika Hery Rajaonarimampianina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Mpaninjara solika Tokana ny orinasa mpamatsy

17/05/2017

Tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana mahefa no mampitotongana sy mampivarilavo ny fiainanny mponina eto Madagasikara, hoy ny profesora Ralison Roger.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpianatry ny oniversite Mitaky fampiakarana 100% ny fampitaovana

17/05/2017

Nivoaka ny faritry ny oniversite aminizay nanomboka omaly taminny 10 ora ireo mpianatry ny oniversitenAntananarivo ary tonga nanatevin-daharana azy ireo koa ireo mpianatry ny polyteknika eny Vontovorona.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

NJAKATIANA Mankalaza ny faha-25 taona niakarany an-tsehatra

17/05/2017

Mankalaza ny faha-25 taona niakarany an-tsehatra i Njakatiana. Fampisehoana goavam-be hotanterahina eny aminny Coliseum Antsonjombe

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Asan-dahalo sy fanafihana fiara Olona 4 nahatrarana basy 2

17/05/2017

Olona 4 nitahiry basy 2 izay fanaovana fanafihana aminny fangalarana omby sy fanafihana fiara aminny fanakanan-dalana no saronny zandary tao Fierenana kaominina ambanivohitra Ambatomanoina ny alahady 7 mey 2017 lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TOEKARENA

17/05/2017

Hivoaka aminity herinandro ity ny tolo-bidy aminny fanamboarana sy fanitarana ny seranan-tsamboni Toamasina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana