Fil d'actualités du 25/06/2017

  • 25/06/2017 - 07:25 : Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron any Paris ny alarobia 28 jona ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny fanasana manokana azony.Miarahaba sy mirary soa ny Malagasy ihany koa ny fetimpirenena ny filoha Frantsay.

  • 25/06/2017 - 07:15 : Chine:tanàna iray no potika tanteraka, olona 100 tsy hita popoka, razana 15 no efa hitan'ny mpamonjy voina.Io no vokatry ny fihotsahan'ny tany goavana narahana ranom-potaka tany Sichuan Chine ny sabotsy teo.

  • 25/06/2017 - 07:10 : Ho faran'izay hentitra ny fitandroana ny filaminana eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina rahampitso 26 jona.1200 ny mpitandro filaminana hiasa ao anatiny sy ety ivelan'ny kianja.Hisy ny fanarahamaso amin'ny alalan'ny camera de surveillance ary hisy Koa ny fitaovana raitra dia raitra hafa ampiasaina mandritra ny fisavana ireo rehetra hiditra ao an-kianja.

  • 25/06/2017 - 07:05 : 1200 no isan'ireo vahiny nasaina hiatrika ny fiaraha-misakafo amin'ny filohampirenena mivady eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso alatsinainy 26 jona aorian'ny matso eny Mahamasina ho fanamarihana ny faha-57 taonan'ny fahaleovantena.

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170516

Misongadina

Asan-jiolahy,tsy filaminana Manampahefana maro hoesorina

16/05/2017

Nampiantso anireo tomponandraikitra rehetra misahana ny fandriampahalemana eto amintsika toy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, ny ministry ny fiarovam-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanendrena PDS Aleo foanana, hoy ny depiote Djaosera Irene

16/05/2017

Hodinihinny vaomiera misahana ny lalna sy ny kaomisioninny atitany sy ny fanapariaham-pahefana eny Tsimbazaza rahampitso alarobia 17 mey 2017 ireo tolo-dalna roa narosonny solombavambahoakani Madagasikara Djaosera Irene.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Goaika antitra !

16/05/2017

Mitsoka any indray ry Jean ny rivo-baovao a ! Tsy inona izany fa ilay tsio-drivotry ny tanora avy any Lafrantsa, izay mety tsy ho toy ny niseho teto amintsika tany aminny 8 taona lasa kosa aloha e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Black eyes any Boeny Hivelatra aminny tsena iraisam-pirenena

16/05/2017

Tsy mitsahatra mitady izay hanananny seha-pihariana fambolena black eyes na lojy mainty maso fenitra sy kalitao ara-dalna mba ahafahanity vokatra mampalaza ny faritri Boeny ity hifaninana eo aminny tsena iraisam-pirenena ny tomponandraiki-panjakana sy ireo mpisehatra isan-tsokajiny any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Herinandro Lasalianina Niavaka ny tany Ambatondrazaka

16/05/2017

Andro miavaka ho anny fianakaviam-be lasalianina ny datinny 15 mey izay vaninandro nametrahanny Papa Pie XXII ho Ray mpiaro ny mpanabe ny Frera Jean Baptiste dela salle. Hetsika tsotra anefa miavaka no nanamarihana izany tao aminny Lisea Saint Josefa Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Edito

Dia hionona izany ?

16/05/2017

Raha vao very tadidy dia mandeha aminny lalana tsy izy ary raha vao very tantara dia ho ratsy fiafara, hoy ny fomba fiteny.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekoly ambony ENAM Hanofana ny DREN sy ny Lehibenny Cisco

16/05/2017

Notanterahina omaly alatsinainy 15 mey teny aminny minisiteranny fanabeazam-pirenena Anosy ny fifanaovan-tsonia taminny alalanny minisitra Paul Rabary sy ny sekoly ambony manofana ho mpitantana ny raharaham-panjakana (ENAM) taminny alalanny talenio ivontoerana io, Pascal Rabetahina.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Didim-poitra faobe Miala any koa ny fomba Tiorka

16/05/2017

Mirotsaka an-tsehatra aminny fanaovana didim-poitra faobe eto amintsika ry zareo Tiorka. Zazalahy kely miisa 2.000 no ezahina hahazo tombontsoa manerana anAntananarivo Renivohitra sy ny manodidina ka miisa 600 hatraminny omaly ireo efa vita. Aminny fomba Turc no hanaovana ny fandidiana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fikirakirana teknolojia Big Data Hovelarina aminny sehatra ara-panjakana

16/05/2017

Ao anatinny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny fifandraisan-davitra sy ireo orinasa miompana aminizany dia misy ny hetsika homanin-dry zareo avy eo anivonny minisitera tomponandraikitra hampivelarana kokoa ny sehatra ahafahana mikirakira itony teknolojia vaovao itony.

Hamaky ny tohiny...

Famatsiam-bola Tsy namana intsony ny Eoropeanina ?

16/05/2017

Notokanana omaly alatsinainy 15 mey tetsy aminny minisiteranny raharaham-bahiny Ampefiloha ny ivontoerana manokana ahafahana mahazo sy mizara ny vaovao rehetra manitikitika mikasika ny fiaraha-miasa eo aminny vondrona Eoropeanina sy i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Talatamaty Mazoto mandoa hetra ny mponina

16/05/2017

Mahavelom-bolo ny fampidiran-ketra eo anivonny kaominina Talatamaty, distrikanAmbohidratrimo aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Trafikana fitaovam-piadiana Basy sy bala 446 saronny zandary

16/05/2017

Misy miketrika fanakorontanana ve fa tena mirongatra ny trafikana basy sy bala ? Olona 3 indray no saronny zandarimariam-pirenena ao aminny sampana fikarohana heloka- bevava etsy Fiadanana (SRC).

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FAMPIANARANA

16/05/2017

Tsy hanaiky ny fanodinkodinam-bola eny anivonny sekolim-panjakana intsony manomboka izao ny minisiteranny fanabeazam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana