Fil d'actualités du 19/08/2017

  • 19/08/2017 - 10:00 : Jirama _Fafatapahan-drano: Noho ny fahavakisan'ny fantsona lehibe iray ao ANDRAHARO dia tapaka ny rano manelanelana an'ANTANIMENA sy ANDRAHARO (ANKAZOMANGA, TSARAMASAY, ...) mandritra ny fanamboarana izay efa nanomhoka ny maraina teo.

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170513

Misongadina

Onitiana Realy Miara-miasa aminny TIM

13/05/2017

Olona 1 250 avy aminny fokontany 17 ao anatinny kaominina ambanivohitri Sabotsy Namehana no mahazo tombontsoa mivantana aminny alalanny hetsika tanamaro fanadiovana lakandrano mirefy 1,2 km.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Me Olala Tsy misy ilna azy ny mpitondra eto

13/05/2017

Vavolombelonny tolonny 13 mey 1972, izay feno 45 taona katroka anio ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala.

Hamaky ny tohiny...

Fahatsiarovana ny 13 mey Tsy hisy kabary, hoy ny jeneraly Florens

13/05/2017

Nandray fitenenana farany taminny maha lehibenny CIRGN Analamanga azy tetsy Ankadilalana omaly ny jeneraly Florens Rakotomahanina.

Hamaky ny tohiny...

Jean Omer Beriziky Tokony hosamborina ny senatera Riana

13/05/2017

Tsy misy intsony ny fitokisanny vahoaka ny fitsarana, ny mpitandro filaminana, ny fitondrana aminny ankapobeny noho ny resaka kolikoly ka manjary lasa manao ireny fomba tsy mety toy ny fitsaram-bahoaka ireny ny olona.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana Rajaonarimampianina Misy mbola tokony hoesorina, hoy ny VTSR

13/05/2017

Lasa tsy marin-toerana noho ny fisianny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana, fitsaram-bahoaka ary ny fisondrotanny vidim-piainana samihafa ny fitondrana ankehitriny,

Hamaky ny tohiny...

Ranaivoson Jean Dsir Tsy mbola ho kandid aminny 2018

13/05/2017

Efa nitaky ny hamoahana mangarahara ny datinireo fifidianana hatao aminny taona 2018 ny antoko Marina ary efa nanome tolo-kevitra ny aminny hanatanterahana ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Manahy aho

13/05/2017

Miarahaba ry Jean a ! Hita mihitsy fa tena mahay sarimihetsika ianareo e ! Rehefa misy resaka mafampana eto aminny tanna dia mody mandaka akama ianareo dia mba manadio ny manodidina.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fisolokiana avo lenta Migadra 5 taona ilay mpiasanny DGGFPE

13/05/2017

Tsy nandefitra mihitsy ny tale jeneralinny DGGFPE na ny Gestion Financire du Personnel de lEtat , Ihanta Sahondra eo aminny tsy fanarahan-dalna miseho eo aminny rafitra tantanany.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Lova tarazo

13/05/2017

Lova tarazo, tsy mba mihatsara fa miha simba sy manimba ny raharaham-pirenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Mpanao gazety Andry Ratovo 360 tapitrisa Ar no ilaina aminny fitsaboana azy

13/05/2017

Efa am-bolana izao no nidiranny mpanao gazety namana Andry Ratovo tany aminny hopitaly. Tsy arakireo vady aman-janany sy ny fianakaviany intsony ny fitsaboana azy.

Hamaky ny tohiny...

Amboditevana Ambodivona Hahazo rano fisotro madio ny fokonolona

13/05/2017

Nody ventiny ara-bakiteny ny rano nantsakaina ho anny fokonolona Amboditevana ao aminny fokontany Ambodivona.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanadinana EPS bakalorea Alaina eny aminny centre ny convocation ho anny sokajy A2

13/05/2017

Hanomboka ny sabotsy 27 mey ho avy izao ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea ho anny DREN Analamanga ka ny taranja lomano no hisantarana azy.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tarika Ny avo Hitondra an-tsehatra ny halehibenny finoany

13/05/2017

Sambany hanao kaonseritra fampahafantarana rakikira ny tarika Ny avo taorianny rakikira roa efa navoakany.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Halatra moto teny Itaosy Tratra izy telolahy mpiray petsapetsa

13/05/2017

Voasambotry ny polisy miasa ao aminny kaomisaria Itaosy ny alarobia teo, teny Amberivatry Bemasoandro Itaosy ny mpangalatra moto telolahy. Raha tsiahivina, nisy olona vaky trano teny amininy faritra iny ny alinny 23 martsa lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana