Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170511

Misongadina

Senatera Riana Hivadika aminny fanjakana

11/05/2017

Mifamahofaho tanteraka ny raharaha Riana Andriamandavy VII, izay voalaza fa enjehinny lalna noho ny fihetsika tsy ara-dalna nataony dia ny fitarihana andianolona hikomy sy hitora-bato teny aminny Bianco

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fampihavanana Malagasy Tsy ilaina mpanao politika

11/05/2017

Mitotongana tanteraka ny fiainam-pirenena. Mihamahantra ny vahoaka Malagasy ary mitombo hatrany ny elanelanny manana sy ny sahirana eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Paolo Raholinarivo Andramo samborina ary aho !

11/05/2017

Naneho ny alahelony mikasika ny fisamborana natao taminny mpanao gazetinny radio Jupiter, Fernand Cello, ny mpanolotsainny praiminisitra, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona,

Hamaky ny tohiny...

Antoko VAMI Miantso ny miaramila hidina an-dalambe

11/05/2017

Feno 45 taona aminny alahady ny fahatsiarovana ny tolonny 13 mey 1972. Tantara tsy fanadino izany, hoy ny antoko Vahoaka Miray, taminny alalanny sekretera jeneraliny, Gaby Vakiniadiana.

Hamaky ny tohiny...

Fitsipaham-pitokisana Tsy misy anizany, hoy i Jean Max Rakotomamonjy

11/05/2017

Tsy misy resaka fitsipaham-pitokisana izany ato aminny antenimieram-pirenena aminizao ora sy fotoana iresahantsika izao, hoy ny filohanny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy omaly teny Tsimbazaza raha niresaka taminny mpanao gazety izy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Vovonalika !

11/05/2017

Manahoana ianao ry Jean a ! Henoko ny teninao omaly ka mba hamaly bontana kely aho anio.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fisolokiana avo lenta Migadra 5 taona ilay mpiasanny DGGFPE

11/05/2017

Tsy nandefitra mihitsy ny tale jeneralinny DGGFPE na ny Gestion Financire du Personnel de lEtat , Ihanta Sahondra eo aminny tsy fanarahan-dalna miseho eo aminny rafitra tantanany.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hafanaina sa hampangatsiahana ?

11/05/2017

Tsy mafana akory ny toe-draharaham-pirenena fa hafanaina, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika iray izay.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanovana ny rafi-pampianarana Hihatra manomboka aminny 2020

11/05/2017

Nihaona mivantana taminireo senatera eto amintsika omaly ny minisitra Paul Rabary manoloana ilay fanovana ny rafi-pampianarana sy ny tetiandrom-pampianarana izay samy hihatra manomboka ny taona 2020 avokoa raha tsy misy ny sampona.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampandrosoana ny kaominina Hanome 12 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena

11/05/2017

Nosantarina teny aminny Hotely Carlton omaly ny fanombohana ny fanavaozana ny rafitra ara-bola ho anny kaominina, eo ambany fiahianny minisiteranny atitany sy ny fanajariana ny tany, ny minisiteranny vola sy ny tetibola,

Hamaky ny tohiny...

Asa fampandrosoana Mila mandray anjara feno ny olom-pirenena

11/05/2017

Nanamarika ny faha-5 taona nitsanganany teny aminny hotely Panorama Andrainarivo ny ONG SAHA (Soa Afafy Hampahomby ny ho Avy) omaly alarobia 10 mey,

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Kaomisarianny Boriborintany I 700 ireo mpanendaka efa nalefany teny aminny fitsarana

11/05/2017

Tsy mahagaga raha feno hipoka ny fonjanAntanimora. Ho anny kaomisarianny Boriborintany voalohany manokana dia efa tafakatra 700 ireo mpangarom-paosy efa nalefa teny aminny fitsarana tato anatinny roa taona sy tapany.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Manandriana Anjakanny asan-jiolahy tanteraka

11/05/2017

Tena mavaivay ny resaka tsy fandriampahalemana isanandro any aminny distrikani Manandriana Faritra Amoroni Mania noho ny fanafihanny dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, indrindra ao aminny kaominina 3 dia i Vohimena,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana