Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170510

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Tsy ho kandida intsony ?

10/05/2017

Maro ny zavatra tsy hampoizina mety hiseho mandra-pahatonganny tena fotoana hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena aminny 2018, ka efa manomboka miseho tsikelikely aminizao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ihanta Randriamandranto Misy fifanoherana ny fifidianana 2018

10/05/2017

Antomotra ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena aminny taona 2018, saingy mbola maro ny zavatra mifamahofaho ao anatiny.

Hamaky ny tohiny...

KMF/Cnoe Afaka mamaritra tsara ny alimanakam-pifidianana ny CENI

10/05/2017

Andrasana ankehitriny ny ketrika fanatsarana ny lalm-pifidianana avy aminny Ceni (Commission Electorale Nationale Indpendante) taorianireo atrikasa fakan-kevitra miaraka aminny soso-kevitra

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Hiverina any anaty ala

10/05/2017

Miarahaba Jean a! Tena efa ho entinareo mihemotra foana moa izany izahay ry Jean tao anatinizay 3 taona nitantananareo anay izay ka dia ny niafaranay dia naleo mihitsy namolavola drafitra vaovao e! Satria efa hitakitanay ihany hoe manina ny taloha ianareo dia toa tsy te hanahirana anareo loatra izahay.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fiondranana an-tsokosoko mankany Koweit 9 vavy indray no nampidirina am-ponja

10/05/2017

Mihamahazo vahana hatrany ny fandefasana vehivavy hiasa an-tsokosoko any ivelany tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Fanavotana ny tontolo iainana Fanodinana fako no vahaolana

10/05/2017

Tokony hisy politika sy fikarohana akora vaovao mikasika ny fampiroboroboana ny asa tanana eto amintsika, hoy ny tale jeneraly misahana izany eto amintsika, Julien Rakotonaivo.

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny tsena Nasiana fandaminana vaovao

10/05/2017

Hihatsara kokoa ny fitantanana ny tsena eto an-drenivohitra manomboka izao. Nisy mantsy ny fanendrena lehibenny sampandraharaha vaovao miisa enina, manerana ny Boriborintany enina, entina hanampiana sy hanamorana ny asanny lehibenny tsena. Ankoatra izay dia nametrahana lehibenny tsena ihany koa isaky ny tsena goavana eto an-drenivohitra, mbola tsy manana izany.

Hamaky ny tohiny...

RF2 Dio Amboditsiry Tetikasa vaovao ny famokarana autoblocant

10/05/2017

Mizotra tsara ny fanodinana fako ho lasa zezika sy saribao sahaninny Rantsana Fidiovana Fahadiovana Dio Amboditsiry.

Hamaky ny tohiny...

ValanjavaboarinAndringitra Vazaha no tena mpitsidika azy

10/05/2017

Valanjavaboary anisanny be harena voajanahary indrindra eto amintsika i Andringitra, raha ny fanazavana azo avy eo anivonny Madagascar National Park.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ny lohany indray no matsatso !

10/05/2017

Ny fary no azo atao fanoharana mikasika ny toetra sy ny fombanny mpitondra ankehitriny, ka tonga aminilay fitenenana hoe ny lohany indray no matsatso.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Vondrona Eoropeanina Mailo aminny mpitondra Malagasy

10/05/2017

Ao anatinny fanamarihana ny faha-60 taona nijoroany ny vondrona Eoropeanina aminizao fotoana izao, ka nisy ny lahateny mikasika izany nataonny masoivoivohony eto Madagasikara, Antonio Snchez-Benedito teny aminny Villa Iranja Tsarasaotra omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fandraharahana ara-bola Ny 18%-nny sehatra ara-dalna no misitraka azy

10/05/2017

Notontosaina tetsy aminny Le pav Antaninarenina omaly ny atrikasa mikasika ny fanapariahana ny fandraharahana ara-bola eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Robot 300 hasolo ny mpiasa Mihorohoro ny mpiasanny Ultramaille

10/05/2017

Efa misy ny mampiasa ny Robot ho solonny olona miasa aminireny orinasa afaka haba ireny aminizao fotoana izao fa tsy honohono intsony.

Hamaky ny tohiny...

Taux directeur 9% Hampihisatra ny fampiasambola

10/05/2017

Tsy resy lahatra aminny fampisondrotanny komity mpikirakira vola eo anivonny Banky Foibeni Madagasikara ny taux directeur ho 9% manomboka rahampitso 11 mey 2017 ny fianakaviambenny mpahay toekarena Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Ambohitromby-Ambodirano, Ambatondrazaka Jiolahy iray no lavonny balanny zandary

10/05/2017

Mihetsika aminny fampandriana fahalemana ny tany any an-toerana ny zandarimariam-pirenena ao aminny Faritra Alaotra Mangoro.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana