Fil d'actualités du 19/08/2017

  • 19/08/2017 - 10:00 : Jirama _Fafatapahan-drano: Noho ny fahavakisan'ny fantsona lehibe iray ao ANDRAHARO dia tapaka ny rano manelanelana an'ANTANIMENA sy ANDRAHARO (ANKAZOMANGA, TSARAMASAY, ...) mandritra ny fanamboarana izay efa nanomhoka ny maraina teo.

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170508

Misongadina

Korontana taorianny kopikole Olona 3 maty, 14 naratra

08/05/2017

Olona 3 namoy ny ainy ary 14 hafa naratra tany Toliara ny zoma lasa teo, 10 minitra taorianny famaranana ny lalao kopikole ,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Senatera Olga Ramalason Ilaina fankatoavana lalna ny fampandrosoana firenena

08/05/2017

Tranga iray mampiseho ny fahantranny mponina eto Madagasikara ny lafiny tsy fahampian-tsakafo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fitokanana paompin-drano tsy tontosa Tezitra Raojanarimampianina

08/05/2017

Ny loharanoni Mangarangarana no notarihina hamatsiana ny kaominina Tanambe. Fokotany dimy izay misy mponina 22 000 no heverina fa hisitraka io rano fisotro madio io.

Hamaky ny tohiny...

Korontana eto aminny firenena Ny Franc maon no fositra, hoy i James Ratsima

08/05/2017

Mikorontana tanteraka ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny filohanny antoko Asandratro ny fireneko, James Ratsima.

Hamaky ny tohiny...

Fram ao Amparafaravola Mahatsiaro ataonny filoham-pirenena ankilabao

08/05/2017

Voatery mikambana ny lisea sy ny CEG noho ny tsy fahampianny efitrano fianarana ao aminny kaominina Amparafaravola.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Imerintsiatosika Miroso ny asa fampandrosoana na dia tsy misy manampy aza

08/05/2017

Miroso ny asa fampandrosoana ny tanna ho anny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pasitera Lanto Rabeharivelojaona Mpitondra tena Kristianina no ilaintsika.

08/05/2017

Mitohy maneho ny heviny hatrany mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena, ny pasitera Lanto Rabeharivelojaona, mivondrona ao anatinireo mpanao politika mitaky ny hisianny fanorenana ifotony eto aminny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hirefotra sa hitsefotra ?

08/05/2017

Hirefotra sa hitsefotra ? Io indray no fanontanianny mpanara-baovao mikasika ny zava-misy eny aminny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Tapatapany

Taratasini Jean Farany vao manisy ventiny

08/05/2017

Miarahaba anao Rahalahy Jean ! Mahafinaritra aloha rehefa manao ezaka e ! Fanontaniana manitikitika ihany ny ahy ity aloha ; firy isan-jatonay moa izao no mahatakatra sy mahita ary mahay mikirakira io sehatra asainareo hidiranay io ?

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Banky Foibeni Madagasikara Nampiakatra ho 9% ny taux directeur

08/05/2017

Zava-misy mivantana iainanny fiaraha-monina ankehitriny ny fidanganny vidim-piainana vokatrity tsy fahamarinam-pototry ny Ariary ity eto Madagasikara, araka ny fanampim-panazavany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana