Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170503

Misongadina

Honor Rakotomanana Te ho filoha ?

03/05/2017

Teninny soratra masina sy ohabolan-drazana Malagasy tahaka ny fomba fanaony no nampihaingoanny filohanny Antenimierandoholona Honor Rakotomanana ny kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany aminity taona ity teny Anosikely omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Jean Max Rakotomamonjy Tsy zakanny vahoaka intsony ny fahasahiranana

03/05/2017

Tsy zakanny vahoaka intsony ny vidim-piainana ankehitriny, hoy i Jean Max Rakotomamonjy filohanny antenimierampirenena nandritra ny fanokafana taminny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohanny depiote teny Tsimbazaza omaly.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha senatera Lilyson sy senatera Rina Tsy hisalovana ny andraikitry ny hafa izahay

03/05/2017

Hanafatrafarako anireo mpitsara foana, hoy ny filohanny Antenimierandoholona Honor Rakotomanana teny Anosikely omaly talata 2 mey, ny hoe :

Hamaky ny tohiny...

Riana Andriamandavy VII Nandentika ny filohanny SMM

03/05/2017

Namaly bontana ny resabe etsy sy eroa manodidina ny raharaha Claudine Razaimamonjy ny loholona Riana Andriamandavy VII omaly teny aminny lapanAnosikely.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Sao dia tokony hanao hatsikana ?

03/05/2017

Sao dia any aminny tontolonny hatsikana ry Jean no mety aminareo a ! Asa raha tsapanareo fa rehefa tantaraina anie ilay zavatra ataonareo dia toy mampihomehy irery mihitsy indraindray e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fananganana trano eny Antehiroka Maro be no tsy ara-dalna

03/05/2017

Ny faranny taona 2016 no efa niroso taminny fanentanana ireo mponina ao aminy Razakandrainy Bezoro, Benny

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fikambanan-drelijiozy Very fanahy mbola velona ny Malagasy

03/05/2017

Ny fikambanan-drelijiozy lahy sy vavy dia miasa amina sehatra ara-tsosialy maro,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Aoka izay ny balarora !

03/05/2017

Ankalazaina anio ny andro iraisam-pirenena ho anny fahalalahanny asa fanaovan-gazety, ka tsy very anjara aminizany isika eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampiakarana vidin-tsolika Tsy misy mangarahara mihitsy

03/05/2017

Niakatra fanindiminy ny vidin-tsolika taminity taona ity, ka ny iray taminireo dia ny taminny volana febroary ihany no nihemotra taminny fampiakarana ny governemanta sy ny kaompania

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanakatonana sekoly koranika Tsy niteny izany aho, hoy ny minisitra

03/05/2017

Ao anatinireo sekoly miisa 150 tsy manara-dalna hatreto ireo sekoly koranika 16 fa tsy 190 araka ny heno taminireo vaovao taminny herinandro raha ny fanazavanny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Paul Rabary omaly.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Asa tanana Malagasy Mihavitsy ny akora ampiasaina fa raofinny vahiny

03/05/2017

Misedra olana goavana ny aminny havitsianny akora hampiasainy aminizao fotoana izao ireo mpanao asa tanana eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana