Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170502

Misongadina

Haino aman-jery Tongasoa ny Top Radio 102.8 FM

02/05/2017

Hisokatra aminny fomba ofisialy anio ny onjam-peo TOP RADIO, izay hita eo aminny mari-drefy FM 102.8. Foto-kevitra hijoroanny onjam-peo ny hoe Sahy miteny ho ani Gasikara,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fivorianny depiote Hitobaka indray ny vola be ?

02/05/2017

Misokatra aminny fomba ofisialy anio talata 2 mey ny fivoriana ara-potoananireo andrim-panjakana roa tonta, dia ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona.

Hamaky ny tohiny...

Ampanjaka eto Madagasikara Tsaraina sy saziana ireo mpitondra meloka

02/05/2017

Manameloka ny tsy fanajana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalna ny Fiombonambenny Ampanjaka eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Famatsiam-bola 190 tapitrisa dolara Nankatoavinny Banky Iraisam-pirenena

02/05/2017

Taorianny Runion de printemps , izay fivoriambenny Banky Iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena natao tany Washington Etazonia dia maro ireo fanapahan-kevitra noraisina.

Hamaky ny tohiny...

Hipoaka ny sarom-bilany

02/05/2017

Manao ahoana ry Jean a ! Mangina sy tsy re feo intsony ianareo aminny raharaha Dinina be a ! Manaiky anareo mihitsy aloha ny rehetra fa toa nahomby ny paikadinareo aminny fampanginana iny resaka maloto iny.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Lalna vaovaonny fiahiana ara-tsosialy Andrasana ny fampiharana azy

02/05/2017

Nomarihina omaly alatsinainy 1 mey ny fetinny asa, anisany ny teto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Tsiaro mampikomy

02/05/2017

Fahatsiarovana ireo maherifo namoy ny ainy ho anny tanindrazana ho fitakiana ny fahaleovantenam-pirenena nogiazanny frantsay ny datinny 29 martsa 1947.

Hamaky ny tohiny...

ATIALANANDRIAMISERA Ripaka tanteraka ny 40 %

02/05/2017

Miharipaka tsikelikely ny alanAndriamisera any aminny Faritra Boeny aminizao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

FILAN-DRA Efa tena ampy ho antsika eto Antananarivo

02/05/2017

Tsy manana olana ny aminny tsy fahampian-dra intsony aminizao fotoana ny eo anivonny Centre National de Transfusion Sanguine etsy aminny hopitaly HJRA.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Madagasikara Miasa tsizarizary ny 85%-nny mponina

02/05/2017

1% mahery ny tahanny tsy fananana asa eto Madagasikara, araka ny voalazanny antontanisanny BIT (Bureau International du Travail) ny taona 2015.

Hamaky ny tohiny...

Mpiasa miditra anaty sendika Zara raha mahatratra 9%

02/05/2017

Zara raha mahatratra ny 9%-nny mpiasa Malagasy no mpikambana ao anaty sendika, raha ny antontanisa navoakanny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT.

Hamaky ny tohiny...

FOIRE DE LIMMOBILIER Nahasarika olona marobe tokoa, indrindra ireo mpividy tany

02/05/2017

Fahombiazana taminny ankapobeny no azonny Inidea Agency sy ny GazetImmo nandritra ilay Foire de limmobilier andiany voalohany notanterahiny tetsy aminny lapanny tannanAnalakely ny faranny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanafoanana CEPE Hampitombo isa ireo mpianatra handao sekoly

02/05/2017

Mikorontana tanteraka ny sainny ray aman-dreninny mpianatra manoloana ny fanovana ny rafi-panabeazana eritreretinny mpitondra hatao eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana