Fil d'actualités du 25/06/2017

  • 25/06/2017 - 07:25 : Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron any Paris ny alarobia 28 jona ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny fanasana manokana azony.Miarahaba sy mirary soa ny Malagasy ihany koa ny fetimpirenena ny filoha Frantsay.

  • 25/06/2017 - 07:15 : Chine:tanàna iray no potika tanteraka, olona 100 tsy hita popoka, razana 15 no efa hitan'ny mpamonjy voina.Io no vokatry ny fihotsahan'ny tany goavana narahana ranom-potaka tany Sichuan Chine ny sabotsy teo.

  • 25/06/2017 - 07:10 : Ho faran'izay hentitra ny fitandroana ny filaminana eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina rahampitso 26 jona.1200 ny mpitandro filaminana hiasa ao anatiny sy ety ivelan'ny kianja.Hisy ny fanarahamaso amin'ny alalan'ny camera de surveillance ary hisy Koa ny fitaovana raitra dia raitra hafa ampiasaina mandritra ny fisavana ireo rehetra hiditra ao an-kianja.

  • 25/06/2017 - 07:05 : 1200 no isan'ireo vahiny nasaina hiatrika ny fiaraha-misakafo amin'ny filohampirenena mivady eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso alatsinainy 26 jona aorian'ny matso eny Mahamasina ho fanamarihana ny faha-57 taonan'ny fahaleovantena.

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170427

Misongadina

Masoivoho Frantsay sy Amerikanina Horoahina fa manelingelina ?

27/04/2017

Mihalalina ny hantsana manasaraka ny fanjakana HVM aminny Frantsay sy ny Amerikanina. Niaraha-nahita ny fihetsikireto firenen-dehibe 2 ireto taminny alalanireo masoivoho 2 dia i Vronique Vouland-Aneini sy Robert Yamate,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Paolo Emilio Raholinarivo Nanatsikafona ny aferanny mpitondra fanjakana

27/04/2017

Ela ny ela fa misy olona tonga saina ihany ao anatinny fitondrana Hery Rajaonarimampianina. Lohalaharana aminizany Ingahy Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, mpanolotsainny praiminisitra Solonandrasana Olivier.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina any Antsiranana Raikitra indray ny fitokanana zava-bita

27/04/2017

Tontosaina anio 27 aprily any Antsiranana ny dinika politika iarahanny Vondrona Iraisam-pirenena sy ny fanjakana Malagasy, ka omaly dia efa tonga any an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina,

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Mbola matanjaka any SAVA

27/04/2017

Ny tany Antalaha faritra SAVA omaly no tena nahavory olona maro indrindra taminny fitsidiham-paritra rehetra nataony taminity taona ity i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Fitsipaham-pitokisana ny governemanta Raikitra sahady ny fizarana malety ?

27/04/2017

Tsy tonga eny aminny antenimieram-pirenena akory ny resaka fitsipaham-pitokisana, dia efa mandeha sahady ny hevi-petsy hisakanana azy tsy ho tanteraka.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Jean mampiesona marina !

27/04/2017

Tena mitombina mihitsy kay ry Jean ilay anaram-petaka omen-dry zalahy anareo an ! Hatraminny farany izany ianao dia tsy nanao afa-tsy ny nampiesona anay tokoa !

Hamaky ny tohiny...

Edito

Vorondolo miseho andro !

27/04/2017

Raha ny fanakianana sy ny ozona mahazo ny fanjakana HVM noho ny kolikoly sy ny fampanjakana ny tsimatimanota eto aminny firenena no mandaitra,

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

ARETINA RABOKA Manomboka mahazo vahana eny aminny fonja

27/04/2017

Manomboka mahazo vahana manerana ny fonja eto Madagasikara aminizao fotoana izao ny aretina raboka, araka ny tatitry ny fikambanana Croix rouge iraisam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Jaomiary Olivier Aim Voatendry ho tale jeneralinny JIRAMA

27/04/2017

Notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny tale jeneraly vaovaonny orinasam-panjakana Jirama, ka i Jaomiary Olivier Aim no voatendry, raha toa ka 91 ny fitambaranireo rehetra nandefa antontan-taratasy.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

ALASORA SY NY MANODIDINA Mirongatra ny tsy fandriampahalemana

27/04/2017

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao anatinny kaominina Alasora, distrikanAntananarivo Avaradrano. Raha ny fitarainana voaray eny anivonny fokontany dia misy hatrany ireo olona miantso vonjeo isakalina manomboka aminny 9 ora eo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana