Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

  • 18/10/2017 - 13:10 : VAOVAO LEHIBE: Ho avy eto Madagasikara, ka higadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato anio 18 oktobra amin'ny 2 ora tolakandro ny Sekretera Jeneralin'ny Federasionina iraisam-pirenen'ny "croix rouge" sy "croissant rouge".

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170426

Misongadina

Raharaha Claudine Razaimamonjy Aoka halalaka ny fitsarana, hoy ny Amerikanina

26/04/2017

Antenaina fa ho salama tsara Rtoa Claudine Razaimamonjy ary hitohy araka ny tokony ho izy sy araka ny lalna velona eto Madagasikara ny fanadihadiana momba ny raharaha mahakasika azy ,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fametrahana ny demokrasia Nofanina ny vehivavy

26/04/2017

Vehivavy dimampolo mitarika sy mitantana orinasa na fikambanana eto aminny firenena no nomenny sampandraharahanny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD) fiofanana ahafahana mametraka tany mandry fahalemana sy hanjakanny demokrasia tetsy aminny Ibis Ankorondrano omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fihaonana an-tamponny Franc maon Atao eto Antananarivo aminny volana mey

26/04/2017

Ny 24 ka hatraminny 27 mey izao dia i Madagasikara no handray ny andiany faha-15 aminny fihaonana an-tamponireo Franc Maon na ny Confrence mondiale des grandes loges rgulires .

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Solonandrasana Ho avy ny fitsipaham-pitokisana

26/04/2017

Mitombo hatrany ny fanenjehana mahazo ny fitondrana HVM aminizao fotoana. Ny eo tsy milamina, ny eo misosoka ihany noho ny laza ratsinny fitondrana Rajaonarimampianina. Ireo mahazo tombontsoa manokana sisa no mitapikitra aminy.

Hamaky ny tohiny...

Lalampanorenana Voahitsakitsaka tanteraka , hoy SECES

26/04/2017

Mahatsapa ny Sendikanny mpampianatra mpikaroka (SECES), fa voahitsakitsaka matetika ny Lalmpanorenana. Tsy voahaja ny tany tan-dalna satria misy sokajinolona ao aminny fitondrana mametra-tena ho amboninny lalna ary misy ireo vahoaka madinika natao hampiharana ny lalna velona eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Ho sahirana izay handimby azy eo.

26/04/2017

Ny taona 2009, izay niantomboka taminny hetsi-pandrobana roa sosona, dia ny 26 janoary sy ny 7 febroary no ho nankaty no tena nampitotongana ny toekarena Malagasy raha aravona ny fandinihanny mpahay toekarena.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Fita-bitro !

26/04/2017

Mihevitra ny Malagasy ho dondrona sy kentrina mihitsy mantsy ianareo ry Jean aminity sarimihetsika lavanareo ity an !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Masera miasa any Ilakaka Mitaraina aminny fandrahonana mahazo azy

26/04/2017

Efa nilaza taminny fanehoan-kevitra nataoko hatraminizay aho, fa misy ampahanandraikitra lehibe avy aminny mpitantana ifotony (autorits locales) eny anivonny faritra tsirairay eto Madagasikara ny tsy fandehanan-javatra eto Madagasikara,

Hamaky ny tohiny...

Solontena maharitry ny FNUAP Tapitra ny fe-potoana niasany teto Madagasikara

26/04/2017

Tapitra ny fe-potoam-piasanny Solontena maharitry ny firenana mikambana momba ny tahiry ho anny mponina (FNUAP) eto Madagasikara Mamadou Dicko, ka nisy ny fitsidihana fanaovam-beloma ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nataony teny Mahazoarivo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Rabokona Fanahy ratsy mampiorohoro sady manolana ?

26/04/2017

Taorianny ambalavelona, ny satanika izay samy asanny maizina avokoa dia tonga eto amintsika indray Rabokona raha ny feo miely. Efa ho iray volana izao no nalaza ho nampahory vehivavy maro tany Arivonimamo sy Ankazobe tany izy sy ny forongony.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mitsiriritra foana

26/04/2017

Ny fifidianana izay ho filoham-pirenena frantsay izao no mbola manakoako indrindra aminireo vaovao iraisam-pirenena hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

CEPE sy BEPC 2017 7 sy 9 taona no zandriny indrindra eto an-drenivohitra

26/04/2017

Efa tsara homana aminny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC taona 2017 ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, hoy Rakotozafy Ramasy Hary Soa,

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka tao Ampitatafika Efa nilamina tanteraka ny tanna

26/04/2017

Anisanny tranga iray niteraka resabe teny anivonny fiarahamonina ny faranny herinandro teo ilay fitsaram-bahoaka saika nitranga tao aminny fokontany Andrefambohitra, kaominina Ampitatafika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana