Fil d'actualités du 19/08/2017

  • 19/08/2017 - 10:00 : Jirama _Fafatapahan-drano: Noho ny fahavakisan'ny fantsona lehibe iray ao ANDRAHARO dia tapaka ny rano manelanelana an'ANTANIMENA sy ANDRAHARO (ANKAZOMANGA, TSARAMASAY, ...) mandritra ny fanamboarana izay efa nanomhoka ny maraina teo.

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170425

Misongadina

Claudine Razaimamonjy Hanao ampamoaka goavana ?

25/04/2017

Fanodinkodinana volam-panjakana no hanenjehana ani Claudine Razaimamonjy. Tafiditra ao ny fanjakana, indrindra fa ny minisiteranny atitany, tantananny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay voatonona ho tomponantoka taminny fanomezana tsenam-panjakana azy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanjakana Rajaonarimampianina Hitalaho aminny vondrona eoropeanina

25/04/2017

Hotontosaina rahampitso alarobia 26 aprily any Antsiranana ny dinika politika hifanaovanny vondrona iraisam-pirenena sy ny governemanta Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao sy Riana Andriamandavy VII Nisitri-belona noho ny raharaha Claudine R ?

25/04/2017

Tsy re feo sy toa nangina tanteraka ny filoha nasionalinny Antoko HVM, Rivo Rakotovao sy i Riana Andriamandavy VII, filoha lefitry ny antenimierandoholona.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Aiza izay Jeanine eo ?

25/04/2017

Miarahaba ani Jeanine tonga eto an-tanindrazana e ! Miarahaba ani Jean koa nahatanteraka ny teny fampanantenany taminny zoma. Dia inona moa fa aleo izahay hangina aminizay e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mahery Tianasoa Hatao veloma farany eny aminny Magro

25/04/2017

Tonga tao aminny tranoni tompokolahy Mahery na Tianasoa Andriamanandaza Mahery mpanentana teny aminny kianjanny Finoana Magro Behoririka, niondrika farany teo aminny nofo mangatsiakany, ny fianakaviambenny mpitolona teny aminny kianjanny Finoana Magro Behoririka,

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hanome aina vao ho anareo aho

25/04/2017

Mitsidika ny faritri SAVA indray nanomboka ny alahady teo i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampalemana Tsy vitanny basy intsony, hoy ny minisitry ny fiarovana

25/04/2017

Nangataka fiaraha-miasa aminny mpanao gazety omaly ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Beni Xavier Rasolofonirina

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly aminny fandraisana Mpitsara Mitsipaka ireo tomponandraikitry ny sekoly ENMG

25/04/2017

Resa-be ny momba ny kolikoly sy ny fahafantaranolona ahafahana miditra ao aminny ENMG (Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes) na Sekolim-pirenena fanofanana mpitsara sy mpiraki-draharaha eto Madagasikara, niorina taminny taona 1996.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra teny Ambavahaditokana Nanjaka tanteraka RFB Zamia

25/04/2017

Nifarana ny alahady teo rehefa naharitra telo andro ilay fifanintsanana lalao baolina kitra ho anireo klioba mpilalao ao aminny kaominina Ambavahaditokana tao anatinilay hetsika Challenge ASCA andiany faharoa.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hifamosavy ?

25/04/2017

Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka ny samy HVM manoloana ilay raharaha kolikoly goavana nahasaringotra ilay ramatoa, izay noroahinny fanjakana Maorisianina nody aty Madagasikara fa tsy navela hialokaloka tany intsony.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanabeazana Tsy manan-danja eo aminny fiarahamonina Malagasy

25/04/2017

Azo hazavaina aminny antony telo ny tsy nahatrarani Madagasikara ny Tanjonny taona arivo fahatelo, hoy ny mpandrindra nasionalinny CONAMEPT (Coalition Nationale de Madagascar pour lEducation Pour Tous) Huguette Rakotoarivony nandritra ny fanokafana ny SMA (Semaine Mondiale dAction pour lEducation) teny Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Aretina NOMA Mamono ankizy hatraminny 90.000 isan-taona

25/04/2017

Aretina tsy dia be mpahalala firy nefa mamono ankizy 80.000 ka hatraminny 90.000 isan-taona maneran-tany ny Noma raha ny tarehimarika navoakanny sampandraharahanny firenena mikambana misahana ny fahasalamana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana