Fil d'actualités du 19/08/2017

  • 19/08/2017 - 10:00 : Jirama _Fafatapahan-drano: Noho ny fahavakisan'ny fantsona lehibe iray ao ANDRAHARO dia tapaka ny rano manelanelana an'ANTANIMENA sy ANDRAHARO (ANKAZOMANGA, TSARAMASAY, ...) mandritra ny fanamboarana izay efa nanomhoka ny maraina teo.

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170424

Misongadina

Claudine Razaimamonjy Tsy ho eny Antanimora mihitsy ?

24/04/2017

Manjavozavo ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Tafaverina eto Madagasikara ny sabotsy 22 aprily teo ity mpandraharaha mpanefoefo ity ary naiditra hopitaly etsy aminny HJRA Ampefiloha indray.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Leader Fanilo Jean Max Rakotomamonjy no filoha ara-dalna

24/04/2017

Manamafy ary manizingizina ny avy ao aminny birao nasionalinny antoko Leader Fanilo fa fisandohana nyanaranny antoko no ataonizay olona miteny etsy sy eroa ka tsy nahazo fankatoavana avy aminny filoha nasionaly Jean Max Rakotomamonjy sy ny birao nasionaly.Efa mazava ny taratasy hoy izy ireo ka tsy tokony asiana adihevitra be intsony ;

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Solonandrasana Aoka tsy hifanoso-potaka

24/04/2017

Nampiaka-peo ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ny faranny herinandro lasa teo fa aleo ny fitsarana hanao ny asany, ary aoka tsy hifanoso-potaka aminny zavatra tsy misy porofo.

Hamaky ny tohiny...

Tanoranny DISTIM Toamasina I Ravalomanana ho filoha no tanjona

24/04/2017

Nanao ny fifampiarahabany noho ny taona vaovao tao aminny foibenny Tiako I Madagasikara ao Ambodisoanambo, ireo tanoranny Distrika Tim (Dist-Tim) Toamasina I, izay notarihanny mpandrindra azy ireo, Raharivelo Jerry sy Razanadrakoto Tokiniaina.

Hamaky ny tohiny...

Minisitra tsy mety voadaka Nandoa vola hatraminny 4 miliara Ariary ?

24/04/2017

Tsy nesorina taminny toerany ireo minisitra maromaro voalaza fa malaza aminny kolikoly sy ny afera maizina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Avoahy Cl cl !

24/04/2017

Arahabaina ry Jean fa tonga soa aman-tsara ny nandrasana a ! Efa renay fa efa tonga eto i Dinina be.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Ampahateza Ambohipo Mandrahona ny hihetsika noho ny delestazy ny mponina

24/04/2017

Mandrahona ny hihetsika noho ny delestazy lavareny iainany isanandro ireo mponina ao aminny fokontany Ampahateza Ambohipo. Efa ho roa volana latsaka izy ireo izao no niaina izany, ka ora telo isanandro raha kely no tapaka ny jiro.

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA AMPITATAFIKA Tsy hiparitaka eran'ny tanna intsony ny fako

24/04/2017

Tsy hiparitaka eran'ny tanna intsony ny fako ho an'ny kaominina Ampitatafika. Nahazo traktera vaovao hisahana ny fitaomana izany isan-tanna sy isam-bohitra izy ireo izay efa nanaovana fanandramana nanomboka ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

SVFL - Fjkm Mahalavolona Nanome ra maimaimpoana hamonjena aina

24/04/2017

Nanome ra maimaimpoana entina hanampiana ny mpiara-belona manana ny tsy salama ny Sampana Vondrona Fototra Laika eo anivonny fiangonana FJKM Mahalavolona Andoharanofotsy ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

SAmpana MPAnazava sy TIly Anosipatrana Mankalaza ny faha-60 taona

24/04/2017

Mankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny SAMPATI ao aminny FJKM Anosipatrana aminity taona 2017 ity. Omaly alahady 23 aprily no ivonny fankalazana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Samy tsy mahafeno fepetra !

24/04/2017

Hifarana ihany ity ny taom-piasanny fitondrana ankehitriny. Tsy mety tafapetraka ny fampihavanana tena izy

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Herinandro ho anny fahasalamanny reny sy ny zaza Hahazo tombony manokana ny vehivavy

24/04/2017

Hotontosaina manomboka anio alatsinainy 24 Aprily manerana ny Nosy indray haharitra hefarana ny herinandro ho anny fahasalamanny reny sy ny zaza, andiany faharoa aminity taona 2017 ity.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Minisiteranny fanajariana ny tany Mizara titra sy kara-tany 15 000 isaky ny enim-bolana

24/04/2017

Natomboka taminny fametrahana ny vato fehizoro tao aminny Epp Todivelona Raphael Ankirihiry Toamasina I ny fanombohanny fanamboarana ny efitranon-tsekoly hiarahana aminny fanjakana japoney aminny alalanny Jica.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana