Fil d'actualités du 25/06/2017

  • 25/06/2017 - 07:25 : Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron any Paris ny alarobia 28 jona ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny fanasana manokana azony.Miarahaba sy mirary soa ny Malagasy ihany koa ny fetimpirenena ny filoha Frantsay.

  • 25/06/2017 - 07:15 : Chine:tanàna iray no potika tanteraka, olona 100 tsy hita popoka, razana 15 no efa hitan'ny mpamonjy voina.Io no vokatry ny fihotsahan'ny tany goavana narahana ranom-potaka tany Sichuan Chine ny sabotsy teo.

  • 25/06/2017 - 07:10 : Ho faran'izay hentitra ny fitandroana ny filaminana eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina rahampitso 26 jona.1200 ny mpitandro filaminana hiasa ao anatiny sy ety ivelan'ny kianja.Hisy ny fanarahamaso amin'ny alalan'ny camera de surveillance ary hisy Koa ny fitaovana raitra dia raitra hafa ampiasaina mandritra ny fisavana ireo rehetra hiditra ao an-kianja.

  • 25/06/2017 - 07:05 : 1200 no isan'ireo vahiny nasaina hiatrika ny fiaraha-misakafo amin'ny filohampirenena mivady eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso alatsinainy 26 jona aorian'ny matso eny Mahamasina ho fanamarihana ny faha-57 taonan'ny fahaleovantena.

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170419

Misongadina

Fifidianana 2018 Efa mipetrapetraka ny hala-bato ?

19/04/2017

Tsy ankasitrahanny mpanohitra any Tiokia sy ny mpanara-maso avy aminny vondrona Eoropeanina ny vokatry ny fitsapankevi-bahoaka natao tany an-toerana ny alahady 16 aprily teo, ka nivoahanny Eny ho mpandresy taminny alalanny isa 51,4%, izay voalaza fa feno hosoka.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpifidy voasoratra anarana Nitombo 6,38%

19/04/2017

Navoakanny komisionina mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) omaly ny isanireo mpifidy voasoratra anarana hiatrika ny fifidianana aminny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Lylison sy Andriamandavy VII Horoahina tsy ho loholona ?

19/04/2017

Ny 2 mey izao no hiroso aminny fivoriana ara-potoana ny mpikambana eo anivonny antenimierandoholona. Mandritra io fotoana io no handinihina ny raharaha Lylison, izay efa 8 volana mahery no miery noho ny fanenjehanny fanjakana HVM azy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Misy mihaino ?

19/04/2017

Manahoana ry Jean a ! Fa ianareo moa izany miandry inona mihitsy vao hiteny fa miandry izay haloaky ny vavanareo anie ny olona aminity raharaha Dinina be ity e ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpangalatra jiro sy rano Tsy maintsy ho saziana

19/04/2017

Fampitam-baovao navoakanny Jirama farany ny vokatry ny fidinana ifotony notontosainireo mpiasa mpanara-maso mpitsirika ny fanjifana herinaratra sy rano eny anivonny fiarahamonina Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Rivodoza Enawo Nahery indrindra tao anatinny 13 taona

19/04/2017

Maherinny 450 tapitrisa dolara ny tentim-bidim-pahasimbana nateraky ny rivodoza Enawo, izay nandalo teto amintsika farany teo, raha ny tombana savaranonando navoakanny banky iraisam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Fetinny Paska 2017 Tafakatra 12 ny maty

19/04/2017

Tafakatra 12 ny isanireo olona namoy ny ainy manerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetinny Paska lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Fotsialanana Soanierana Ivongo Atahorana ny fifamonoanny mponina

19/04/2017

Nampisahotaka ani Soanierana Ivongo manontolo ny namonoanny tompona lavanila nahatratra ambodiomby mpangalatra lavanila maitso teo aminny taniny ny 7 aprily lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Ambohimanarina Niatrika sedra, nioty vokatra tsara

19/04/2017

Niara-niombom-bavaka fisaorana anAndriamanitra tao aminny Fiangonani Jesoa Kritsy eto Madagasikara Ambohimanandray

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina Notetezinny fiara ny lohanilay lehilahy

19/04/2017

Nandriaka ny ra omaly talata 18 aprily tokony ho tamin'ny 12 ora sy sasany tany aminny lalam-pirenena faha-7 any Fianarantsoa.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanamboarana sarintany Hanamora fanisam-bahoaka, hoy ny INSTAT

19/04/2017

Mpanao sarintany miisa 700 no hahetsiky ny ivontoeram-pirenena misahana ny fanisam-bahoaka (INSTAT) hanisa ireo mponina manomboka aminny oktobra izao, raha ny fanazavana voaray avy eo anivonity rafitra ity.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Ampanjaka eto Madagasikara Hanorina tranombakoka manerana ny nosy

19/04/2017

Afa-po taminny fampirantiana fampahafantarana ny kolontsaina sy ny vakoka Mahafaly teny aminny tranombokim-pirenena Ampefiloha ny FCRTM (Fdration des Communauts Royales Traditionnelles de Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana