Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170418

Misongadina

Fitondrana HVM Tsy misy ilana azy intsony

18/04/2017

Tsy tongatonga ho azy ny nisamborana an-dRtoa Claudine Razaimamonjy fa tsy maintsy nisy ny hery ambadika manohana sy mandrisika ny Bianco sy ny Sendikanny Mpitsara (SMM),

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ravalomanana tany Morondava Nanentana ny olona handray andraikitra

18/04/2017

Efa tena henjana ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana any aminny faritra Menabe.

Hamaky ny tohiny...

Fampandosirana ani Claudine A&C Olona ambony maro tokony hosamborina

18/04/2017

Olona ambony maro eto aminny firenena no ahiana ho tomponantoka taminny fampandosirana ani Claudine Razaimamonjy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Paska sandoka ?

18/04/2017

Miarahaba Jean a ! Dia tena novetavetainareo mihitsy mantsy ny hasinny fety masinolona a ? Inona mihitsy moa izany no tianareo ahatongavana e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Raharaha Claudine Razaimamonjy Manambany ny rafi-pitsaboana Malagasy

18/04/2017

Fantatry ny fitondrana ankehitriny, hoy ny filohanny fikambanana politika Asandratro ny tanindrazako, Andrianina Rajoharison, fa ahiana tsy ho lany intsony izy ireo aminny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Ambositra Mpiadina ho zandary roa maty

18/04/2017

Andro ratsy tao aminny sekolinny zandarimaria Ambositra ny zoma 14 aprily 2017. Mpiadina ho zandary roalahy nindaosinny fahafatesana taminio andro io, rehefa niatrika adina taranja hazakazaka.

Hamaky ny tohiny...

Lehilahy maty teny Besarety Efa rotidrotika ny tarehiny

18/04/2017

Lehilahy iray hita faty teny Besarety omaly alatsinainy vao maraina. Potika tanteraka ny tarehiny ary niparitaka teo aminny toerana nahitana ny razana ny ra vokatry ny ratra mafy nahazo azy.

Hamaky ny tohiny...

VahoakanAmbohimanarina Nitondra am-bavaka ireo sedra sy vokatra tsara niotazana

18/04/2017

Niara-niombom-bavaka fisaorana anAndriamanitra tao aminny Fiangonani Jesoa Kritsy eto Madagasikara Ambohimanandray Filadelifia ny sabotsy teo ny solombavambahoakani Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana olona mankany Koweit 9 mianadahy nampidirina am-ponja

18/04/2017

Nalefa vonjimaika eny am-ponja ny sabotsy teo ireo olona sivy mianadahy tra-tehaka nanondrana olona an-tsokosoko hiasa any Koweit. Raha tsiahivina, lehilahy iray antsoina hoe

Hamaky ny tohiny...

Ady aminny asan-jiolahy Nohamafisina ny fisavana scooter

18/04/2017

Nanao hetsika manokana fisavana ireo moto tao Toamasina ny polisim-pirenena notarihanny tale iraisam-paritra ny kaomisera Rakototiana Laubel Valisoa.

Hamaky ny tohiny...

Fieferana Avaradrano Fasana efatra no indray vaky

18/04/2017

Taorianilay zazalahy kely nanjavona ary hita tao anaty lava-bato ny vatana mangatsiakany ny herinandro teo dia nitrangana vaky fasana indray ny faranny herinandro teo tany aminny kaominina Fieferana, distrikanAvaradrano. Tsy fantatra mazava izay fotoana nitrangany.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fetinny Paska Tomefy olona Antsirabe

18/04/2017

Miha malaza sy mivoatra hatrany ny fetinny Paska tany Antsirabe ary miha mahasarika ny mpivahiny manodidina sy ny avy any ivelanAntsirabe hatrany.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ho rendrika ny sambo !

18/04/2017

Vita iny ny fankalazana ny fetinny paska ary hitodika any aminny resaka politika indray ny masonny rehetra.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Ampanjaka eto Madagasikara Hanangana tranombakoka manerana ny nosy

18/04/2017

Afa-po taminny fampirantiana fampahafantarana ny kolontsaina sy ny vakoka Mahafaly ny herinandro lasa teo teny aminny tranombokim-pirenena Ampefiloha ny FCRTM (Fdration des Communauts Royales Traditionnelles de Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana