Fil d'actualités du 25/06/2017

  • 25/06/2017 - 07:25 : Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron any Paris ny alarobia 28 jona ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny fanasana manokana azony.Miarahaba sy mirary soa ny Malagasy ihany koa ny fetimpirenena ny filoha Frantsay.

  • 25/06/2017 - 07:15 : Chine:tanàna iray no potika tanteraka, olona 100 tsy hita popoka, razana 15 no efa hitan'ny mpamonjy voina.Io no vokatry ny fihotsahan'ny tany goavana narahana ranom-potaka tany Sichuan Chine ny sabotsy teo.

  • 25/06/2017 - 07:10 : Ho faran'izay hentitra ny fitandroana ny filaminana eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina rahampitso 26 jona.1200 ny mpitandro filaminana hiasa ao anatiny sy ety ivelan'ny kianja.Hisy ny fanarahamaso amin'ny alalan'ny camera de surveillance ary hisy Koa ny fitaovana raitra dia raitra hafa ampiasaina mandritra ny fisavana ireo rehetra hiditra ao an-kianja.

  • 25/06/2017 - 07:05 : 1200 no isan'ireo vahiny nasaina hiatrika ny fiaraha-misakafo amin'ny filohampirenena mivady eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso alatsinainy 26 jona aorian'ny matso eny Mahamasina ho fanamarihana ny faha-57 taonan'ny fahaleovantena.

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170415

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Prezida saribakoly ?

15/04/2017

Taminny andronny tetezamita dia efa nalaza fa nataoni Andry Rajoelina sy ny manodidina azy saribakoly i Hery Rajaonarimampianina. Nalaza fa nataonireo lava tanana akaiky kokoa ani Andry Rajoelina fakana vola ny minisiteranny vola sy ny tetibola notantanany taminizany fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Haongana aminizay, hoy ny TFI

15/04/2017

Tsy azo hihodivirana intsony ny fanorenana ifotony fa tsy maintsy atomboka, hoy ry zareo avy eo anivonny hetsika politika Tolona ho aminny fanorenana ifotony na TFI tetsy aminny Espace dera

Hamaky ny tohiny...

Antoko Asandratro ny fireneko Ny Frantsay sy Amerikaninana no fahavalontsika

15/04/2017

Ny orinasam-pirenena dia homena ny frantsay, ka izay mahazo eto dia mitondra ny volany any Frantsa.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Sahobakaka ambody riana !

15/04/2017

Efa miala any ny tafiky ny mpikatsaka an-drafahamarinana ary manampy azy ao ihany koa ny ekipan-dramilaranondranonina ry Jean handrava ny mandan-drabekolikoly,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sosialim-bahoaka Manome tanana ny CUA ny VITAFOAM

15/04/2017

Nanolotra kidoro miisa 60 ho anny kaominina Antananarivo Renivohitra ny orinasa VITAFOAM omaly 14 aprily 2017 tetsy aminny Lapanny tanna Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Claudine A&C Andrasana ny fanazavanny filoha

15/04/2017

Na inona na inona zava-misy eto aminny firenena, dia mbola i Hery Rajaonarimampianina no mitantana ani Madagasikara na dia maro aza ireo kiana mivaivay mihatra aminy, indrindra fa taorianny raharaha Claudine Razaimamonjy.

Hamaky ny tohiny...

Nampiaka-peo ny vondronny sendika Havereno ary tsarao i Claudine A&C

15/04/2017

Henjana ny fanambaranny randrambaon'ny sendika na ny Firaisan-kinanny sendika eto Madagasikara (SSM) mikasika ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny raharaha Claudine Razaimamonjy.

Hamaky ny tohiny...

Loka be paska Olona 100 no notoloran'ny Orange Madagascar fanomezana

15/04/2017

Olona 100 omaly no notoloran'ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar fanomezana teny amin'ny foiben-toerany eny Ankorondrano.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Mpitandrina Rabeharivelojaona Lantoniaina Fanonganana ny fanjakanny devoly ny Paska

15/04/2017

Anisanireo nahazo fanasana hanatrika ilay fivoriana niompana taminny fanorenana ifotony natao teny aminny Espace dera omaly, ny mpitandrina Rabeharivelojaona Lantoniaina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ny teny mandalo

15/04/2017

Vani-potoana hitrangan-javatra tokony hahataitra ny fiarahamonina hitodika bebe kokoa aminny raharaham-pirenena sy ny hoaviny tahaka izao tokoa no manaporofo mivaingana fa mandalo ny teny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Amboanana-Arivonimamo Nanolo-tanana aminny famatsian-drano ny Amerikanina

15/04/2017

Nahazo rano fisotro madio ny fokontany Alarobia kely sy Ambohimanambola samy ao aminny kaominina Amboanana DistrikanArivonimamo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana