Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170413

Misongadina

Ravalomanana sy Rajaonarimampianina Vaky tanteraka ny ady

13/04/2017

Mihamafana ny toe-draharaha mampifanditra ny ankolafy Ravalomanana sy ny fanjakana foibe, tarihini Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Claudine Razaimamonjy Nandao ilay hopitaly nitsaboana azy

13/04/2017

Omaly alarobia 12 aprily no niala tao aminny toerana nitsaboana azy dia ny Clinique Fortis Darn de Curpipe any Maorisy Rtoa Claudine Razaimamonjy, araka ny fanazavana nomenny tomponandraikitra avy ao aminio toeram-pitsaboana io ary nisy ny taratasy manaporofo izany.

Hamaky ny tohiny...

Printsy Zoendreniny Elakovelo Etsiosa Tsy vitanny petatoko ny fihavanana Malagasy

13/04/2017

Tontosaina eny aminny tranombokim-pirenena Ampefiloha nanomboka omaly ny hetsika hateloana fanairana indray ny fanamboarana sy fanatsarana ny tranombako-paritra Mahafaly any Ampanihy Andrefana.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Silamo Malagasy Miezaka mambabo fo ny mpitondra

13/04/2017

Aminny maha laka ny Antenimierandoholona dia noraisinny filoha Rokotomanana Honor tao aminny lapanAnosikely, ny talata 11 aprily teo, ireo delegasiona avy aminny FSM na Fikambanana Silamo Malagasy notarihinny filohany Hassim Mohamed.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Sao dia hanody e ?

13/04/2017

Salama tsara ve ry Jean ? Nahoana no toa tsy dia henoheno sy mitsoatsoaka anay ? Mba manao ahoana izay i Dinina be any fa toa hoe efa tsy atsy Maorisy intsony ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Vahoaka Malagasy Hozanahanireo mpanambola vahiny

13/04/2017

Tsy rariny intsony ny zava-misy eto Madagasikara. Potika sy rava tanteraka ny fiarahamonina Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Sabotsy Namehana Hifaly havanja

13/04/2017

Tsiliva, Arnaah, J-Love (Mpanakanto iraisam-pirenena), Princia, Matre Rufin, Jess Flavi One, Mijah, Kougar ary i Toyah. Ireo no mpanakanto samy goavana nofinidinny Metis Prod,

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Kaompania Corsair Hampitohy anAntananarivo sy La Runion

13/04/2017

Vitsy lavitra hatreto ireo teratany renioney tonga mitsidika ani Madagasikara (130.000) mihoatra aminireo mpizahatany mihazo ny nosy Maorisy (500.000).

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekoly Madecasse Mankalaza ny fahenim-polo taonany

13/04/2017

1957-2017 ! Feno 60 taona ankehitriny ny sekoly Madecasse. Teny Andravoahangy no niandohany ary ankehitriny dia efa eny Ampasika sy Bemasoandro ary Ambohijafy Itaosy no misy azy.

Hamaky ny tohiny...

Tanora Malagasy Tsy mahalala ny fianarana tokony hataony ny ankamaroany

13/04/2017

Mbola betsaka ireo ankizy sy tanora tsy mahalala akory ny fianarana tokony hataony eto amintsika, araka ny fanadihadiana nataonny fikambanana Fanorina teny anivonireny sekoly isan-tsokajiny ireny.

Hamaky ny tohiny...

EPP Andranovao Ambohimangakely Nohavaozina tanteraka

13/04/2017

Nasiam-panavaozana tanteraka ny sekoly ambaratonga fototra ao Andranovao Ambohimangakely.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanabeazana mampiaty Nodinihina ny fampiharana azy ho anny rehetra

13/04/2017

Ny 20 %-nny mponina eto amintsika no fantatra fa tratry ny fahasembanana.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fanamboarana ny tranombakoka Mahafaly 400 tapitrisa ariary no ilaina

13/04/2017

Efa taminny taona 1999 no naorina tao Ampanihy Andrefana ny tranombakoka Mahafaly saingy io omaly io vao nampahafantarina taminny fomba ofisialy tetsy aminny tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha ny fisiany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana