Fil d'actualités du 25/06/2017

  • 25/06/2017 - 07:25 : Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron any Paris ny alarobia 28 jona ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny fanasana manokana azony.Miarahaba sy mirary soa ny Malagasy ihany koa ny fetimpirenena ny filoha Frantsay.

  • 25/06/2017 - 07:15 : Chine:tanàna iray no potika tanteraka, olona 100 tsy hita popoka, razana 15 no efa hitan'ny mpamonjy voina.Io no vokatry ny fihotsahan'ny tany goavana narahana ranom-potaka tany Sichuan Chine ny sabotsy teo.

  • 25/06/2017 - 07:10 : Ho faran'izay hentitra ny fitandroana ny filaminana eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina rahampitso 26 jona.1200 ny mpitandro filaminana hiasa ao anatiny sy ety ivelan'ny kianja.Hisy ny fanarahamaso amin'ny alalan'ny camera de surveillance ary hisy Koa ny fitaovana raitra dia raitra hafa ampiasaina mandritra ny fisavana ireo rehetra hiditra ao an-kianja.

  • 25/06/2017 - 07:05 : 1200 no isan'ireo vahiny nasaina hiatrika ny fiaraha-misakafo amin'ny filohampirenena mivady eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso alatsinainy 26 jona aorian'ny matso eny Mahamasina ho fanamarihana ny faha-57 taonan'ny fahaleovantena.

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170411

Misongadina

Nampandosirina i Claudine Razaimamonjy Minisitra 2 no tomponantoka

11/04/2017

Tsy eto Madagasikara intsony i Claudine Razaimamonjy voarohirohy tamina resaka kolikoly avo lenta.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Riana Andriamandavy VII Hanara-dia ani Lylison ?

11/04/2017

Mivoaka tsikelikely ny fanamelohana ny fihetsika mamoafady nataonny loholona Riana Andriamandavy VII, izay nitarika olona mpikarama anady sy nanakorontana taminny alalanny fitoraham-bato sy fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana teny aminny Bianco ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Nijabaka ny HVM Fanta-bahoaka ny nafenina

11/04/2017

Fandrebirebena sy familiviliana saim-bahoaka mba hamotehana ny mpanohitra io raharaha io, ary hanadalana saim-bahoaka tsy hitodika aminireo raharaha hafa nanaratsy endrika ny fitondrana HVM,

Hamaky ny tohiny...

Antoko VAMI Mitaky fifidianana lalmpanorenana

11/04/2017

Akaiky ny fifidianana aminny 2018, hoy ny sekretera jeneralinny antoko VAMI, Gaby Vakiniadiana.

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana tany Betafo Azo avadika ho volabe ny ovy

11/04/2017

Nitsidika ani Betafo i Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny omaly alatsinainy 10 aprily. Tazana niaraka taminizy ireo ihany koa i Sarah Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Fitondran-dRajaonarimampianina Hifampitady aminny mpitsara

11/04/2017

Ambony ambany ny rafi-panjakana eto Madagasikara, mikorontana tanteraka, mangina ny filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Ambohimanambola Avaradrano Tafatsangana ny biraonny ComTIM

11/04/2017

Tafatsangana ny alahady 9 aprily teo teny an-toerana ny COM TIM Ambohimanambola ka lany filoha Atoa Razanamaro Dsir fantatry ny maro aminny solonanarana Radezy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Miakatra ny soratra !

11/04/2017

Saika tapaka ny lalandrako ry Jean nahare fa hay votsotra ilay ramatoa maintimolalinny afera maloto teto aminny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Hentitra ny Sendikanny Mpitsara Fitsoahana efa nomanina ny ani Claudine A&C

11/04/2017

Omaly alatsinainy 10 aprily taminny 3 ora maraina sy 30 minitra, raha ny fanazavanny tale misahana ny toeram-pitsaboana (directeur dtablissement) ao aminny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha,

Hamaky ny tohiny...

Tonia mpampanoa lalna ambony Namoahana IST miisa 2 i Claudine A&C

11/04/2017

Sanganehana ny tonianny mpampanoa lalna ambony (Procureur gnral) Randrianasolo Jacques naneho ny heviny manoloana ny fivoahani Claudine Razaimamonjy any ivelany omaly.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas Nampidirina hopitaly any Ihosy

11/04/2017

Noho ny aretina tampoka nahazo azy vokatry ny harerahany noho ny dia notanterahiny tao anatiny sy ivelanny distrikani Betroka hiadidiany ka nizarany angadinomby sy omby ary masomboly dia voatery naiditra hopitaly tao Sakaraha distrikanIhosy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Sinema sa tsia ?

11/04/2017

Sinema sa tsia ? Izay indray izao no lasa fanontaniana mikitikitika ny sainny maro rehefa misy ny trangan-javatra toa goavana be nefa tsy mampino fa hiseho aty aminny tany malaza ho vonton-gaboraraka toa antsika.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Lanterne vaovao Taxi-Ville Tsy hihemotra ny kaominina Antananarivo

11/04/2017

Tsy hihemotra aminny fanapahan-kevitra efa noraisiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ilay lanterne taxi ville vaovao misy hologramme tsy maintsy hampiasainny fiarakaretsaka ara-dalna rehetra.

Hamaky ny tohiny...

BNI sy ny ITBM Nanofana ireo tompon'andraikitry ny orinasa madinika

11/04/2017

Mba hahafahana mampandroso ny toekarem-pirenena, indrindra manatsara ny fanondranan'entana mankany ivelany dia nanome fiofanana tompon'andraikitra maro eo anivon'ny orinasa madinika ny banky BNI Madagascar sy ny ITBM ( International Board of Madagascar) ny 6 sy ny 7 aprily lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana