Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170107

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Nanadio tena fotsiny

07/01/2017

Nanarina ny kabary fohy nandiso fanantenana ny vahoaka Malagasy nataony ny alinny faranny taona 31 desambra 2016 ny filohanny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Honor Rakotomanana Tsy misy amboninny lalna eto

07/01/2017

Efa mahazatra ihanymoa eto Madagasikara izay firenenny eny aman-tsoratra ny sarisarin-teny any anaty kabary ofisialy, ary dia sakamalaho sy havozo ary samy manana ny hanitra ho azy tokoa ireo rehetra nifandimby nikabary taminny fitondrana nifanesy teto ; indrindra moa fa rehefa aminny asaramanitry ny volana janoary

Hamaky ny tohiny...

Fety be teny Iavoloha Nokianin'ny Wake up Madagascar

07/01/2017

Na dia somary nangina tanteraka aza ny teto an-drenivohitra omaly noho ny fisianilay fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovanny filoham-pirenena mivady taminireo ambasadaoro sy tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny dia tsy nanakana ny fikambanana Wake Up Madagascar tsy hanao hetsika izany.

Hamaky ny tohiny...

Fanapariaham-pahefana Ilaina hatsangana ny fikambanambenny benny tanna

07/01/2017

Hanampy ani Madagasikara eo aminny lafiny fanapariaham-pahefana ny CGLU (Cits et Gouvernements Locaux Unis dAfrique). Lalana iray ahatongavana aminizany ny firaisankinanireo mpitondra tomponandraikitra akaikinny vahoaka, hoy ny tale eto Afrika Atsinanana Dr Juma M

Hamaky ny tohiny...

Randriamamiarizafy Ignace Aoka hifanaja ny mpitondra sy ny mpanohitra

07/01/2017

Fotokevitra hijoroako ary hoentiko mamakivaky ity taona vaovao 2017 manotolo ity, hoy Atoa Randriamamiarizafy Ignace mpikambana fahiny tao amin'ny Kongresin'ny Tetezamita avy amin'ny ankolafy Ravalomanana, ny hoe :

Hamaky ny tohiny...

JAMES RATSIMA Tsy mbola mahaleo tena mihitsy isika

07/01/2017

Misarika ny sainny vahoaka Malagasy sahady aminizao fiandohanny taona vaovao 2017 izao ny profesora James Ratsima, filoha mpanorina ny fikambanana Asandratro ny fireneko.

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANDOHARANOFOTSY Miroso mankany aminny fampandrosoana hatrany

07/01/2017

Taom-pahombiazana taminny ankapobeny ny taona 2016 ho anny kaominina Andoharanofotsy. Betsaka ireo asa efa vita raha araka ny fanazavanny Benny tanna Ranirison Hasina,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Hafa mihitsy

07/01/2017

Arahabaina jean fa dia vita tsara ny fety aman-danonana aaaary mba tsotsotra fiaingo kosa aloha madama omaly ee, mety ireny jean a

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Taona 2016 Nandamoka ho anny vahoaka Malagasy

07/01/2017

Taonanny asa ny 2016, hoy ireo mpandaha-teny nifandimby teny aminny lapam-panjakana Iavoloha omaly.

Hamaky ny tohiny...

TAXI-BE ANI MAHITSY Leo ny teny ratsinireo mpamily ny eny Antohomadinika

07/01/2017

Ela ny ela fa leonny teny ratsinireo mpamily sy ny tabatabanizy ireo ny FokontaninAntohomadinika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mbola be ny asa miandry

07/01/2017

Tsy misy aza moa manantena, mainka moa fa hoe nitombo 7% ny karama dia mba velom-bolo ny mpiasam-panjakana; manantena sy manam-pinoana koa ny mpiasanny sehatra tsy miankina fa mba hahazo izany

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana