Fil d'actualités du 20/01/2017

  • 20/01/2017 - 19:40 : Finoana: Tsy nanana kardinaly intsony ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara hatramin'ny taona 2010. Horesahan'ny sekreteram-panjakan'i Vatican, ny kardinaly Pietro Parolin mandritra ny fivahinianany eto amintsika amin'ireo eveka Malagasy ny fanendrena kardinaly vaovao, araka ny tsilian-tsofina heno.

  • 20/01/2017 - 19:15 : Zavamaniry fitsaboana: Mampiasa zavamaniry fitsaboana avokoa ny 70%ny vahoaka Malagasy. Tsy ara-dalana, tsy misy fanaraha-maso ary tsy voaaro anefa izy ireny, hoy ny orinasa mpanamboatra fanafody Homeopharma.

  • 20/01/2017 - 18:50 : Tsy fanjariantsakafo: Tsy mitombo ara-dalana ny zaza iray amin'ny roa na 50% latsaky ny 5 taona eto Madagasikara, hoy ny Banky iraisampirenena. Antony mahatonga izany ny tsy fanjariantsakafo.

  • 20/01/2017 - 18:25 : Kolikoly: Ho fantatra ny alarobia 25 janoary 2017 ny fivoaran'ny tontolon'ny kolikoly eto Madagasikara. Hanolotra izany amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Cafe de la Gare Soarano ny Transparency International.

  • 20/01/2017 - 17:55 : VIH/Sida: Nanatanteraka atrikasa iadiana amin'ny VIH/Sida tao Ampisikina ny faritra Boeny androany. Olona 58 no matin'ity areti-mandoza ity ao Mahajanga. Miisa 563 kosa ireo mitondra ny tsimok'aretina.

  • 20/01/2017 - 14:30 : Vidim-bary: Hisy ny famorian'ny Minisiteran'ny varotra sy ny fanjifana ireo mpanafatra vary, mpanangona ary ireo tranom-barotra lehibe mpaninjara ny 23 janoaray izao. Antony ny handinihana sy hiadiana hevitra manoloana ny fiakaram-bidin'ny vary izay tsy misy fitsaharana hatramin'ny fiandohan'ny taona.

  • 20/01/2017 - 13:50 : Fandatsahana orana artifisialy: Tsy ny sira hampiasaina amin'ny fandatsahana orana no tsy misy fa ireo fepetra hafa mihitsy no mbola tsy feno, hoy ny Tale jeneralin'ny Sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro Rahariveloarimiza Samueline androany. Tsy dia mila sira betsaka mantsy izany fa 10kg isaky ny mandatsaka dia ampy, raha ny fanazavan'io tompon'andraikitra io.

  • 20/01/2017 - 13:20 : CAN 2017: Ny ekipam-pirenen'i Sénégal no hany firenena efa tafakatra mazava any amin'ny dingan'ny ampahaefafa-dàlana. Toy izao kosa ny fandaharam-potoana anio: Amin'ny 7 ora no hifandona i Côte d'Ivoire sy RDC Congo ary amin'ny 10 ora alina ny fifanandrinan'i Maraoka sy Togo.

  • 20/01/2017 - 12:50 : Fanadinam-panjakana CEPE: Manomboka ny alatsinainy 23 janoary ny fisoratana anarana ary hfifarana ny 14 martsa. Efa vita ny famolavolana ny laza adina.

  • 20/01/2017 - 12:20 : Lalam-baovao Andohatapenaka: Efa misy fanorenen-trano sy fanotofana manamorona iny lalam-baovao "Rocade Andohatapenaka" na dia vao ny zoma lasa teo aza ny fanjakana no nanao fanambarana fa voarara fanorenena sy fanotofana. Misy mangalatra ihany koa ireo jiro manazava ny làlana.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161222

Misongadina

Fanapoizinana an’i Anthèlme Ramparany Olona 3 no voasambotra

22/12/2016

Efa nivoaka ny hopitaly ny depioten’i Mananjary Anthelme Ramparany taorian’ny fanapoizinana azy tamin’ny alalan’ny zava-pisotro tany Fianarantsoa ny alahady lasa teo, ka tsy maintsy nakarina taty an-drenivohitra izy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kolikolin’i Claudine A&C Hisy raharaha eto amin’ny 2017

22/12/2016

Mitombina tokoa ve fa mena ambanin’ny mena ny Bianco sy ny fitsarana fa ny ao an-dapa ihany no tompon’ny teny farany ?

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pokontany Mbola nanaovana atrikasa

22/12/2016

Na dia efa lojika aza ny fanazavana nifanesisesy tamin’ireo haino aman-jery miampy ireo fanehoan-kevitry ny olom-pirenena heno tetsy sy teroa fa rariny raha fidiana amin’ny alalan’ny latsa-bato

Hamaky ny tohiny...

Iles éparses Ambenana lezionera Malagasy 11

22/12/2016

Miisa 11 ankehitriny ireo lezionera Malagasy ampiambenan’ny Frantsay ireo nosy manodidina (îles éparses) antsika.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao Benjamin Mila tairina ny fitsarana

22/12/2016

Manoloana ny fisamborana mpanao politika etsy sy eroa, toy izay nahazo ny filoha lefitry ny vondrona Mapar, Augustin

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD Handray ny andraikiny

22/12/2016

Nosantarina tao Mahajanga ny sabotsy 17 desambra teo ny fankalazana ny tsingerintaona faha-60 niorenan’ny antoko PSD (Parti Social-Démocrate) na koa Pisodia araka ny ahafantaran’ny maro azy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Dadabe Noely hafakely

22/12/2016

Miarahaba anao ry Jean ! Hafakely mihitsy ny fankalazanao ny noely tamin’ity indray maka ity a ! Ny an’ny dadabe Noely hafa mba vatomamy sy bisikoitra no zaraina miaraka amin’ny kilalao rehefa ankatoky ny fety toy izao fa tsy zavatra hafa toy ny anao.

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Andekaleka ritra Roa taona lasa no efa fantatra

22/12/2016

Mifototra amin’ny fampiasana fitaovana termika ny ¾ ny loharanom-pamokarana herinaratra eto Madagasikara. Lany amin’ny fividianana gazoala avokoa noho izany ny 75%-n’ny tohana ara-bola 300 miliara ariary isan-taona avy amin’ny fanjakana foibe.

Hamaky ny tohiny...

Televiziona Malagasy Naverina avokoa ireo mpitantana teo aloha

22/12/2016

Nifanesy ny fanendrena tompon”andraikitra eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana tato anatin’ny iray volana izao.

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro ny filaminana Malagasy Afa-baraka tanteraka

22/12/2016

Hifandovana toy ny fahefana ihany ny leson-dratsin’ny mpitondra firenena eto amintsika. Tompondaka tamin’ny fisamborana sy fampiasana ny herim-pamoretana ary ny fanagadrana ny fitondrana tetezamita ary mandova izany ny fitondrana Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny aretina Sida Manentana sy manampy ny tanora ny Airtel

22/12/2016

Manampy sy manentana ny olon-drehetra amin’ny ady amin’ny aretina SIDA ny Airtel, indrindra fa ny tanora

Hamaky ny tohiny...

Lycée Moderne Ampefiloha Nahazo tranomboky raitra

22/12/2016

Afaka amin’ny fahanteran’ny tranomboky sy ireo karazam-pitaovana ilaina ao anatiny ireo mpianatry ny Lycée Moderne Ampefiloha miisa 2.000. Nahazo tranomboky vaovao manara-penitra izy ireo, fotodrafitrasa vao notokanana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pasitera Mailhol Notoloran’ny fanjakana mariboninahitra

22/12/2016

Notolorana ny mariboninahitra « Commandeur de l’ordre national Malagasy” tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina i Pasitera Mailhol na André Christian Dieu Donné omaly.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mandady ny trambo !

22/12/2016

Tsy sanatria maniry ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena na koa maniry loza ho an’ny fitondrana, fa tonga amin’ilay fitenenana hoe mandady ny trambo ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana