Fil d'actualités du 18/08/2017

  • 18/08/2017 - 16:00 : Mahajanga: Efa tonga soa aman-tsara avokoa ny anakamaroan’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara hiatrika ny Fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly nasionaly, ka maherin’ny 1400 eo ireo ankizy no hiatrika ny lalao. Rahapitso 19 aogositra tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary ny Alahady hoavy izao ny fifanitsanana no hiatomboka.

  • 18/08/2017 - 15:00 : Asa fanaovan-gazety: Efa eo am-panomanana ny karatra maha mpanao gazety matihanina ny holafitry ny mpanao gazety amin’izao fotoana. Mifarana amin’ity taona ity rahateo ny maha manan-kery ny karatra teo aloha. Efa mandeha ny fanisana manerana ny Nosy, ka manodidina ny 1200 amin’izao fotoana izao ireo mpanao gazety. Manentana ny rehetra hanara-maso hisorohana ny mpisoloky sy ny mpisandoka ny holafitra tarihin’i Gérard Rakotonirina. Aorian’ny fahavitan’ny karatra kosa no hanatanterahana ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny holafitra.

  • 18/08/2017 - 14:00 : Hery Rajaonarimampianina: Nanolotra valopy misy lelavola 10 tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatra mendrika tonga nitsidika azy teny Iavoloha Filoha Hery Rajaonarimampianina mba ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatanterahana ny dia fibeazana ataony amin'izao fotoana izao.

  • 18/08/2017 - 13:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny hetsika kasain’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny Hery ho an’ny fanovana hamory vahoaka ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra eny amin’ny Kianja mitafon’I Mahamasina.

  • 18/08/2017 - 13:00 : Famatsiam-bola: Nahazo famatsiam-bola12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky Iraisam-pirenena ho an’ny tahiry fampandrosoana ifaotony na FDL izy io, ka hampidirina mivantana any amin’ny kaontin’ny kaominina miisa 1000 nahafeno ny fepetra notakiana. 15 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany, ary hatokana hametrahana fotodrafitrasa madinika

  • 18/08/2017 - 12:00 : Farafangana sy Vangaindrano _Fanafody tsy ara-dalàna: Mahazo vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana, raha ny fanambaran’ny tambajotram-pirenena miharo ny zon’ny mpanjifa RNDC, tarihin-dRabetsara Lita

  • 18/08/2017 - 11:30 : Politika _Famoriam-bahoaka: Nahazo alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo amin’ny famoriam-bahoaka hataony eny amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny 22 aogositra ho avy izao ny Dinika Fanavotam-Pirenena sy ny Herin’ny Fanovana.

  • 18/08/2017 - 11:00 : Antsiranana _Faha-50 taonan'ny FJKM: Natomboka tamin'ny diabe sy fanopoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana androany, ka nitarika izany ny Filohan'ny FJKM, pasitera Ami Irako Andriamahazosoa sy ny Filohan'ny Komitin'ny Fankalazana Marc Ravalomanana.

  • 18/08/2017 - 10:30 : Fanatanjahantena _Taranja Kickboxing: Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Federasionina i Briand Andrianirina, izay efa nahavita be teo amin'ny fitantanana io federasionina io satria efa nahavita fe-potoam-piasana miisa roa. Hifantoka kokoa amin'ny taranja Judo indray izy manomboka izao. Ho fanasoavana ny tontolon'ny fanatajahan-tena, hoy izy ny anton'ny fialany sy mba hidiran'ny olon-kafa indray eo amin'io toerana io. Nahomby tokoa ny fitantany ary mba te hampamiratra ny taranja judo ihany koa izy, izay Filoha lefitra faha-4 eo anivon'ity federasionina ity amin'izao.

  • 18/08/2017 - 10:00 : Zon'ny sembana: Olona manana fahasembana miisa 635 nahazo karatra manokana izay azon'izy ireo ampiasaina amin'ny lafin-javatra toy ny fandehanana amin'ny fiara fitateram-bahoaka, izay tokony hanomezana tombondahiny sy hanajana azy ireny.

Voir plus d'infos...

18/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161219

Misongadina

Minisitra HVM manao propagandy Ny asa tsy misy mandeha ?

19/12/2016

Velezo ny vy dieny mafana ! Tontosa ny Comesa, tanteraka ny Frankfnia, nampanantena hanome 10,4 miliara dolara ani Madagasikara ny mpamatsy vola.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Famahana ny delestazy Mila miala izay tsy mahavita azy

19/12/2016

Tsaroanny Malagasy tsara ny tenini Hery Rajaonarimampianina hoe Telo volana ihany dia mivaha ny olanny delestazy fony izy kandida filoham-pirenena, saingy 3 taona aty aoriana vao mainka nahery vaika.

Hamaky ny tohiny...

PM Mahalafy Olivier Tsy misy mihaino

19/12/2016

Hentitra ny teninny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny zoma lasa teo fa tsy azo ekena intsony ity delestazy ity ka nanome baiko hentitra izy fa tapitra manomboka androany (zoma) ny delestazy eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny MAPAR Voa tamin'ny kely foana

19/12/2016

Nirehareha fatratra ny fanjakana tetezamita fa nahavita niasa na tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany aza. Satria betsaka ny tahirim-bola vahiny taminny androni Marc Ravalomanana izay efa nahatratra hatrany aminny 2 miliara dolara, ka namatam-bonona ny mpanongam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Misy manajabaka

19/12/2016

Ao anatinny vanim-potoananny fety tanteraka isika aminizao fotoana izao, saingy mitady hafampana ny rivotra politika.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Tranom-pody no vitanny vava e !

19/12/2016

Miarahaba ry Jean a ! Faly tokoa ny tena naheno ilay fanambarana miezinezina hoe ho tapitra hatreo ny delestazy, ka dia tehaka mirefodrefotra no setriny tamininy fotoana iny.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanadiovana faobe eny aminny fokontany Lasa bizinireo tomponandraikitra

19/12/2016

Raikitra ny fikomianireo mponina sasany teny aminny fokontaninAmbohitrakely ny sabotsy teo nandritry ny fanadiovana faobe nasaina nataonireo mponina teny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Piratage informatique nataoni Rosia Hamaly faty i Etazonia ?

19/12/2016

Nampangainny filoha Amerikanina Barack Obama ho tao ambadiky ny fanakorontanana ny voka-pifidianana farany teo tany Etazonia ny filoha Rosianina Vladimir Poutine. Efa noresahako ani Vladimir Poutine io

Hamaky ny tohiny...

Zotra 152 Nivaky ho roa

19/12/2016

Nivaky ho roa ny zotra 152 Miarana mampitohy anAmboditsiry sy Tanjombato. Efa ho tapa-bolana izao no nitranganizany vokatry ny tsy fifankahazoana nisy teo aminny mpitantana ny kaoperativa sy ireo tompona fiara.

Hamaky ny tohiny...

Fanampiana ho anny mpitatitra Betsaka ireo tsy mbola nahazo

19/12/2016

Mitaraina noho ny fitarazoanny fanampiana omenny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety aminny alalanny minisitera miadidy azy ny ankamaroanireo kaoperativa eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Asa sosialy Tafajoro ny ho maitso ny tontolo

19/12/2016

Mijoro ao Antsirabe ankehitriny ny fikambanana Ho Maitso ny Tontolo, fikambanana mpanao asa soa sy hiaro ny tontolo iainana.

Hamaky ny tohiny...

Aretina Alzheimer 120 no voany tato anatinny enim-bolana

19/12/2016

120 isa ireo zokiolona voanny aretina Alzheimer tato anatinny enim-bolana teto an-drenivohitra. Nentinny fianakaviany nanatona ny Association Madagascar Alzheimer Masoandro Mody

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Ravalomanana sy ny FJKM Matotra ny fiaraha-miasa

19/12/2016

Na dia tsy be resaka firy aza ny Fjkm dia fantatra fa mandeha tsara ny asa fanorenana eny aminny kolejy Teolojika Ivato izay tsangambatonny faha-50 taonanny Fiangonani Jesoa Kristy eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mila mijery fitaratra

19/12/2016

Mimenomenona ireo mpanao politika efa ela nietezantsika rehefa ataonny namanizy ireo hoe dinozaoro kanefa ny fihetsika sy ny resaka atao dia mbola mirona any aminny fiezahana ny famerenana ireo fitantanana efa tsy nahomby taminny fotoanandronizy ireo hatrany

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana