Fil d'actualités du 18/01/2017

  • 18/01/2017 - 14:30 : Faritra Alaotra _Fandatsahana orana: Rahapitso alakamisy 19 janoary no mety ho feno ny fepetra hahafahana mandatsaka orana any an-toerana raha ny tombatomban'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro. Olana ny goavana ny doro tanety, izay hanentanana ny olona ny fanatsaharana izany.

  • 18/01/2017 - 14:00 : Orinasa Jirama: Milaza hanao fanadihadiana lalina na "Audit interne" ao anatin'ity orinasa ity ny fanjakana noho ny toe-javatra ambara ho tsy mangarahara ao anatin'ny orinasa. 60% ny tahan'ny fampidiram-bola saran'ny herinaratra vokarina amin'izao fotoana izao fa tsy 100% araka ny tokony ho izy.

  • 18/01/2017 - 13:30 : Toekarena _Sandam-bola: Ahiana hisy fitotonganana goavana ny lanjan'ny vola ariary noho ny famohana vola vahiny be loatra sy ny tsy fahampian'ny tahirim-bola vahiny eto amintsika, hoy ny CREM na ny Faribolana iraisan'ireo mpandinika ara-toekarena eto Madagasikara.

  • 18/01/2017 - 13:10 : Politika _Omer Beriziky: Maloka tanteraka ny fiainam-pirenena tao anatin'ny 3 taona nitondran'ny fanjakana ankehitriny ary tsy manana fitokisana amin'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenena na ny HCC iny ankamaroan'ny vahoaka.

  • 18/01/2017 - 12:50 : Toamasina II _Halatra lakolosy: Olona miisa 4 voarohorohy tamina halatra lakolosy tamina fiangonana katolika iray miakatra fampanoavana anio.

  • 18/01/2017 - 12:35 : Jirama: Hanome 70 miliara amin'ny 750 miliara tadiavin'ny Jirama amin'ny famahana ny olan'ny delestazy ankehitriny ny fanjakana. Io 750 miliara io no ilaina raha toa ka milaza ny hampihena ny fanampiana ny Jirama ny fanjakana amin'ity taona ity ka 250 miliara ihany no homeny raha 290 miliara ariary tamin'ity taona ity.

  • 18/01/2017 - 12:15 : Delestazy: Nahatratra adin'ny telo ny fahatapahan-jiro tamina faritra maro tamina toerana maro teto an-drenivohitra androany maraina. Nanomboka tamin'ny 9 ora ka hatramin'ny 12 ora ny tamin'ny manodidina an'Andrefan'Ambohijanahary sy Sonierana.

  • 18/01/2017 - 10:50 : Fitsaboana: Tontosaina manomboka androany manerana ireo renivohi-paritany enina ny fanadinam-panjakana handraisana ireo mpitsabo mpanampy andiany faharoa. Haharitra roa andro ny fotoam-panadinana.

  • 18/01/2017 - 07:40 : Mpiasam-panjakana: Miisa 13.686 ireo mpiasa ho raisina fonksioner amin'ity taona 2017 ity. Nanatombo 1.000 io tarehimarika io mihoatra ny tamin'ny taona 2016. Mpampianatra Fram ny 10.000 amin'ireo, araka ny fanazavan'ny minisitry Asampanjakana sy ny Lalana Sosialy Maharante Jean de Dieu.

  • 18/01/2017 - 07:10 : Fifamoivoizana: Nohamafisina ny fisavana ireo moto mifamoivoy eny amin'ny arabe. Anton'izany ny fisian'ny fanafenana fitaovam-piadiana sy zava-mahadomelina toy ny hita teny Anosipatrana, hoy ny tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny minisiteran'ny filaminam-bahoaka.

Voir plus d'infos...

18/01/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161216

Misongadina

Augustin Andriamananoro Nidoboka eny Antanimora

16/12/2016

Taorian地y nisamborana an段 Augustin Andriamananoro ny sabotsy lasa teo sy nitazonana azy tany Miarinarivo dia nampidirana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tenany rehefa nampandalovina teny amin地y fampanoavana Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

FFKM Manjaka eto ny kolikoly

16/12/2016

Hentitra ny fanambaran地y FFKM izay nivory tany Toamasina ny faramparan地y volana novambra lasa teo manoloana ny raharaham-piangonana sy ny fiainam-pirenena amin地y ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Fisamborana an段 Augustin Andriamananoro Fitsipahana ny fihavanana, hoy ny Mapar

16/12/2016

Nanoloana ny fisamborana ny mpikambana ao amin地y vondrona politika Mapar, Augustin Andriamananoro, dia namoaka fanambarana mikasika ny tsy fankasitrahan段zy ireo tetsy amin地y foibeny etsy Ambodivona, ity vondrona ity omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualit駸

Filohan地y HAFARI Malagasy Marary mafy ao am-ponja

16/12/2016

Marary mafy ao amin地y fonjaben但ntanimora amin段zao fotoana izao ny filoha nasionalin地y fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Fakon地y tan瀟an段 Toliara Hahodina ho zezika sy etona fandrehitra

16/12/2016

Am-perinasa ny foibe hanodina ny fakon地y tan瀟an段 Toliara ho lasa zezika sy hamokarana etona fandrehitra ary gazoala, ao Amboriha, Kaominin段 Belalanda, Toliara faha-2.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana