Fil d'actualités du 20/01/2017

  • 20/01/2017 - 19:40 : Finoana: Tsy nanana kardinaly intsony ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara hatramin'ny taona 2010. Horesahan'ny sekreteram-panjakan'i Vatican, ny kardinaly Pietro Parolin mandritra ny fivahinianany eto amintsika amin'ireo eveka Malagasy ny fanendrena kardinaly vaovao, araka ny tsilian-tsofina heno.

  • 20/01/2017 - 19:15 : Zavamaniry fitsaboana: Mampiasa zavamaniry fitsaboana avokoa ny 70%ny vahoaka Malagasy. Tsy ara-dalana, tsy misy fanaraha-maso ary tsy voaaro anefa izy ireny, hoy ny orinasa mpanamboatra fanafody Homeopharma.

  • 20/01/2017 - 18:50 : Tsy fanjariantsakafo: Tsy mitombo ara-dalana ny zaza iray amin'ny roa na 50% latsaky ny 5 taona eto Madagasikara, hoy ny Banky iraisampirenena. Antony mahatonga izany ny tsy fanjariantsakafo.

  • 20/01/2017 - 18:25 : Kolikoly: Ho fantatra ny alarobia 25 janoary 2017 ny fivoaran'ny tontolon'ny kolikoly eto Madagasikara. Hanolotra izany amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Cafe de la Gare Soarano ny Transparency International.

  • 20/01/2017 - 17:55 : VIH/Sida: Nanatanteraka atrikasa iadiana amin'ny VIH/Sida tao Ampisikina ny faritra Boeny androany. Olona 58 no matin'ity areti-mandoza ity ao Mahajanga. Miisa 563 kosa ireo mitondra ny tsimok'aretina.

  • 20/01/2017 - 14:30 : Vidim-bary: Hisy ny famorian'ny Minisiteran'ny varotra sy ny fanjifana ireo mpanafatra vary, mpanangona ary ireo tranom-barotra lehibe mpaninjara ny 23 janoaray izao. Antony ny handinihana sy hiadiana hevitra manoloana ny fiakaram-bidin'ny vary izay tsy misy fitsaharana hatramin'ny fiandohan'ny taona.

  • 20/01/2017 - 13:50 : Fandatsahana orana artifisialy: Tsy ny sira hampiasaina amin'ny fandatsahana orana no tsy misy fa ireo fepetra hafa mihitsy no mbola tsy feno, hoy ny Tale jeneralin'ny Sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro Rahariveloarimiza Samueline androany. Tsy dia mila sira betsaka mantsy izany fa 10kg isaky ny mandatsaka dia ampy, raha ny fanazavan'io tompon'andraikitra io.

  • 20/01/2017 - 13:20 : CAN 2017: Ny ekipam-pirenen'i Sénégal no hany firenena efa tafakatra mazava any amin'ny dingan'ny ampahaefafa-dàlana. Toy izao kosa ny fandaharam-potoana anio: Amin'ny 7 ora no hifandona i Côte d'Ivoire sy RDC Congo ary amin'ny 10 ora alina ny fifanandrinan'i Maraoka sy Togo.

  • 20/01/2017 - 12:50 : Fanadinam-panjakana CEPE: Manomboka ny alatsinainy 23 janoary ny fisoratana anarana ary hfifarana ny 14 martsa. Efa vita ny famolavolana ny laza adina.

  • 20/01/2017 - 12:20 : Lalam-baovao Andohatapenaka: Efa misy fanorenen-trano sy fanotofana manamorona iny lalam-baovao "Rocade Andohatapenaka" na dia vao ny zoma lasa teo aza ny fanjakana no nanao fanambarana fa voarara fanorenena sy fanotofana. Misy mangalatra ihany koa ireo jiro manazava ny làlana.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161207

Misongadina

Ranomasimbe Indianina I Neny no filoha

07/12/2016

Hisokatra anio alarobia amin’ny fomba ofisialy eto Antananarivo Renivohitra ny fivoriamben’ny AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien).

Hamaky ny tohiny...

Politique

DISTIM Ambohimanarina Mitohy ny fanamafisana orina ny antoko

07/12/2016

Mitohy ny fitsidihina sy fanamafisana orina ny antoko TIM, araka ny toromarika nomen'ny Filoha Nasionalin’ny TIM, Atoa Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Toavina Ralambomahay “Misy minisitra tokony hosoloina”

07/12/2016

Hafahafa ny fandehan’ny raharaham-pirenena, hoy ny mpandinika politika, Toavina Ralambomahay, satria vitsy dia vitsy ny solombavambahoaka nifidy ny lalàna mikasika ny tetibolam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanakorontanana Mampitandrina ny Kung fu

07/12/2016

10,4 miliara dolara no famatsiam-bola azon’i Madagasikara taorian’ny fivoriana tany Paris ny 1 sy 2 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aza mihevitra anay ho vendrana e !

07/12/2016

Mbola lasa ihany ny saina ankehitriny ry Jean hoe tamin’ny fomba ahoana ary no nahazoanareo fankatoavana ka nahatonga ny vozongo hampindrana volabe anareo a !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Fiarahan’ny mitovy fananahana Zava-doza ho an’ny Malagasy

07/12/2016

Foto-kevitra sy foto-pisainana voizina amin’izao fotoana izao ny fanomezana vahana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana na ny LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual and Transgender).

Hamaky ny tohiny...

Tsy maintsy lava izao

07/12/2016

Voizina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa ny varotra amin’ny alalan’ny hairaha vaovao izao no malaza dia milaza ireo tompon’andraiki-panjakana fa tsy maintsy miditra amin’izay isika na tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza.

Hamaky ny tohiny...

Lalànan’ny fanaovan-gazety Be ny lesoka, hoy ny mpandinika

07/12/2016

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny café de la gare Analakely omaly ny voka-pikarohana iray mikasika ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika,

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy Tale nisoloky 17 tapitrisa ariary

07/12/2016

Misesisesy ny raharaha maloto andrenesana anarana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Mitango vola sady mampihorohoro Tra-tehaka ireo « inspektera CUA » sandoka

07/12/2016

Saron'ny tompon'andraikitra ao amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, teo am-panatanterahana asa fisolokiana efa mahazatra azy,

Hamaky ny tohiny...

"Chambre" fanaovana firaisana Mandeha be ny tsena

07/12/2016

Anisan’ny toerana iray be mpitsidika tato ho ato, indrindra fa ho an’ireo mpifankatia miafina ny efitrano eny amin’ireny hotely fandraisam-bahiny ireny.

Hamaky ny tohiny...

FELANA RAVELOARISON Namoaka ny boky “mpandrary fitia”

07/12/2016

Namoaka ny boky “mpandrary fitia “indray i Felana Raveloarison, mpanoratra malaza tsy zoviana amintsika intsony, mpikambana mavitrika eo anivon’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ( FIMPIMA).

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Tittel Nahazo tohana avy amin’ny Airtel

07/12/2016

Betsaka ireo fikambanana te hanohana sy handray an-tanana ireo olona manana fahasembanana eto amintsika, indrindra fa ny ankizy saingy ny hoenti-manana no tsy ampy.

Hamaky ny tohiny...

Fanatsarana ny fitateram-bahoaka Mila tolo-bidy iraisam-pirenena

07/12/2016

Avy amin’ny hetra avokoa ny 40% amin’ny vidin-tsolika, ka tokony hahena io hetra io satria miankina amin’io vidin-tsolika io avokoa ny vidin-javatra eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tsipy kanetibe Homena trano sa fiara izy efa-dahy tompondaka erantany ?

07/12/2016

Tompondaka erantany amin’ny tsipy kanetibe i Madagasikara, taorian’ny andiany faha-47 notanterahina teto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana