Fil d'actualités du 24/04/2017

  • 24/04/2017 - 16:00 : JCI (Jeune chambre internationale): Hitsidika eto Madagasikara i Ramatoa Dawn Hetzel, Filoha maneran-tanin'ny JCI ny 29 aprily hatramin'ny 01 may ho avy izao. Federasionina maneran-tany ny JCI ary misy mpkambana 200 000, ary efa manana ratsana eto Madagasikara hatry ny ela.

  • 24/04/2017 - 15:30 : Alliance FranÁaise Antananarivo _Festival Arondihy andiany faha-6: Hatao ny 29 aprily izao eny amin'ny AFT Andavamamba ity hetsika mifandraika amin'ny dihy amin'ny endriny maro samihafa ity. Tsy misy vidim-pidirana ny hetsika ho an'izay te hijery sy hanatrika izany.

  • 24/04/2017 - 15:00 : Ambohimahasoa _Asan-dahalo: Omby 20 nangalarin'ny dahalo tafaverina taminíny tompony tany Morafeno Ambohimahasoa androany maraina.

  • 24/04/2017 - 14:30 : Zandarimariam-pirenena: Tontosa androany ny fifamindram-pahefana teo aminíny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha Jeneraly Paza Didier Gťrard sy ny mpisolo toerana azy, dia ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard.

  • 24/04/2017 - 14:00 : Andohan'Ilakaka: Mbola mitohy ny fitrandrahana safira hatramin'izao na teo aza ny didy fampiatoana ny fanatsaharan'ny orinasa Gondwana harena an-kibon'ny tany, raha ny fanazavan'ny mponina, kanefa ny 21 aprily teo no namoahana didy fampiatoana. Mandeha ihany koa ny fandrahonana isan-karazany amin'ireo relijiozy nijoro vavolombelona amin'ny fandikan-dalŗna.

  • 24/04/2017 - 13:30 : Antsohihy _Fanafihana Tobin-dry frera: Efa 13 no voasambotra taminíny fanafihana izay nahafatesana mopera iray tany an-toerana ny sabotsy lasa teo.

  • 24/04/2017 - 13:00 : Amboasary Atsimo: Mirongatra ny andiam-balala any aminíizao fotoana izao. Ahiana mety hampitombo ny hanohanana mateti-piseho any an-toerana izany satria sarotra ny fifehezana sy ny famonoana ireo andiam-balala.

  • 24/04/2017 - 12:30 : Frantsa: Mankasitraka sy maniry ny hahalanian'i Emmanuel Macron ho filoham-pirenena Frantsay ny ChancheliŤre Allemande Angela Merkel.

  • 24/04/2017 - 12:00 : Fizahantany: Mpiseradia miisa 51 miasa any amin'ny valan-javaboahary any Andasibe Mantadia nozaraina karatra maha matihanina tsy azo hatao dika mitovy ny faran'ny herinandro teo.

  • 24/04/2017 - 11:45 : Fianarantsoa _Soafianatsa 2017: Hatao ny 27 aprily-29 aprily any amin'ny Kianja mitafon'Ambatomena Fianarantsoa ny hetsika ara-toakerana ho an'ny faritra Matsiatra Ambony, izay fantatra amin'ny anarana hoe "Soafianatsa 2017"

Voir plus d'infos...

24/04/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161201

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Voahodidina mpanao afera

01/12/2016

Tsy takona afenina intsony ny laza ratsiníireo mpanolotsaina akaiky ny filoha noho ny resaka afera maloto. Maro dia maro izy fa 3 no tena malaza fa tsy azo kitikitihina, ka na i Hery Rajaonarimampianina aza dia toa entiníizy ireo aminíny sangany matoa tsy afaka manitsy azy ireo, na dia efa voahoso-potaka matetika aza.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rasolofo Andrť Be jiolahy ekonomika eto

01/12/2016

Miankina amintsika rehetra ny hoaviníny frankofonia, hoy ny mpahay toekarena sady mpandinika raharaham-pirenena, Andrť Rasolofo, satria be loatra ny jiolahy ekonomika eto.

Hamaky ny tohiny...

Tetibola 2017 Maivana ny lafiny sosialy, hoy ny CCOC

01/12/2016

Miankina loatra aminíny fanampiana avy any ivelany isika ary tsy ampy ny resaka sosialy ao anatiníilay tetibolam-panjakana,

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Mpifidy 10 tapitrisa no tanjoníny CENI aminíny 2018

01/12/2016

Hosokafana aminíny fomba ofisialy any Toliara, anio alakamisy 01 desambra 2016 ny Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana 2016-2017 manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Fanodinkodinam-bola 390 tapitrisa ariary Voatonona koa ny senatera Riana Andriamandavy VII

01/12/2016

Miketrika mafy taminíny fanavotana ny beníny tanŗnaníAmbohimahamasina Tsabo Pierre sy i Claudine Razaimamonjy, voafatotra taminíny resaka kolikoly sy fanodinkodinana vola mitentina 390 tapitrisa ariary,

Hamaky ny tohiny...

Fizahana maso teny Ambohimanarina Natolotry ny depiote TIM maimaimpoana

01/12/2016

"Ireo dokotera mitsabo sy mizaha fa Jesoa kosa manasitrana" no lohahevitra nanompanana ny hetsika Fizahana maso maimaimpoana natolotry ny Depiote TIM Rtoa Rasoanoromalala Horace

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasiníi Jean Hifanatrika Ö

01/12/2016

Manakory ianao ry Jean malala ! Tsy hilamina intsony aloha raha ny fahitako anareo izao e ! Hifanatrika moa izany ianareo sy ny fivondronana anio ?

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Faritra Analamanga Mananontanona ny pesta

01/12/2016

Atahorana sahady ny aretina pesta eto aminíny Faritra Analamanga, aminíizao fiandohaníny fotoam-pahavaratra izao.

Hamaky ny tohiny...

Sampana lalŗna eny Ankatso Misy kolikoly avo lenta, hoy ny mpianatra

01/12/2016

Tsy any aminíny sampandraharaham-panjakana ihany no andrenesana kolikoly isan-karazany fa hatrany aminíny fampianarana ambony miankina aminíny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Kapiteny Faneva Mampitaraina ny mponina ao Tolagnaro

01/12/2016

Miteraka resabe ary mampitaraina ny mponina ao Tolagnaro ny fepetra momba ny fivezivezeníny olona ao an-tampon-tanŗna noraisiníny Kapiteny Ramilison Faneva Lucas, fantatry ny maro aminíny anarana ďKapiteny FanevaĒ,

Hamaky ny tohiny...

Scoop Digital Miala any indray ny "Adisanina fandio"

01/12/2016

Tsy mandalo fotsiny ho aníny tranom-pamokarana Scoop digital ny fandehananíireo mpilalao sarimihetsika kalazalahy ao aminy mitety faritra fa dia naravony ho tantara an-tsehatra entina hampitana hafatra aminíny fiarahamonina ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Fampiharana ny miralenta Mitarazoka ny eto Madagasikara

01/12/2016

Betsaka ireo sonia efa nataontsika teto Madagasikara mikasika ny fampiharana ny miralenta saingy tsy mbola hita izay tena fampiharana azy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Samia tonga saina e !

01/12/2016

Fifandresen-dahatra aminíny mpamatsy vola tanterahina any Paris renivohitra Frantsay indray izao no malaza taorianíny fihaonana an-tamponíny frankofonia

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fitiliana diabeta Nahasarika olona marobe

01/12/2016

Fahombiazana taminíny ankapobeny ilay hetsika fitiliana diabeta maimaimpoana notanterahiníny AMADIA ( Andiana Malagasy miady aminíny Diabeta) sy ny Pharmadiff tetsy aminíny lapaníny tanŗnaníAnalakely omaly.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana