Fil d'actualités du 24/06/2017

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

  • 23/06/2017 - 12:00 : Fitondrana volabe atsokosoko: Mpivady Malagasy voasambotra any amin'ny Nosy Maorisy noho ny fitondrana volabe mitentina manodidina ny 267 tapitrisa ariary, izay tsy nanaovana fanambarana tamin'ny manam-pahefana. Nogiazan'ny manam-pahefana Maorisianina ireo volabe ireo.

  • 23/06/2017 - 11:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena _Ahiana ny fanakorontanana: Nisy trakta niely teny Mahamasina sy ny manodidina ary milaza ny tsy tokony handehanana ao amin’ny kianja amin’ny 26 jona fa misy mitady hanakorontana indray. Efa tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana izany vaovao izany saingy somary nokobonina ihany sao angamba mitondra savorovoro ho an’ny olona. Na izany aza misy ny fanadihadiana mangingina mandeha amin’izao fotoana.

  • 23/06/2017 - 11:00 : CEPE: Rahapitso 24 jona no hanaovana ny ady hevitra amin'ny naoty farany ambany hahafahana manafaka ny mpiadina na ny "Déliberation" ho an'Antananarivo Renivohitra. Ny alahady 25 jona izao no tombanana hivoahan'ny valim-panadinana CEPE manerana ny Nosy, raha ny fanomezam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Azo jerena ao amin'ny tranokalan'ny Minisitera sy ny pejy "facebook" ny valim-panadinana. Azo atao ihany koa no mandefa ny laharan'ny mpiadina amin'ny alalan'ny hafatra fohy na "SMS" amin'ny laharana 606 hahafahana mamantatra ny valim-panadinana.

  • 23/06/2017 - 10:30 : Marc Ravalomanana: Anio 23 jona no fotoana voatondro hihaonan'i Marc Ravalomanana mivady sy ny delegasionina miara-dia aminy hihaonana amin'ireo Malagasy mpila ravinahitra any Canada, ka ao Montréal no hanatanterahana izany.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161128

Misongadina

Kolikolinny Frankofonia 600 tapitrisa Ar nisy nanodina ?

28/11/2016

Vita iny ny fihaonana an-tamponny Frankofonia. Misy ny zavatra tsy mazava toy ny loharanom-bola marina nikarakarana azy,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifanarahana Frantsa-Madagasikara Hahazo tombony ireo tann-dehibe

28/11/2016

Nisongadina nandritra ny fandraisani Madagasikara ny fihaonana an-tamponny Frankofonia andiany faha-16 ny fahatongavanny Filoha Frantsay Franois.

Hamaky ny tohiny...

Faniry Alban Rakotoarisoa na Gangstabab Niala tao aminny Mitsangana Ry Malagasy

28/11/2016

Niala tsy ho ao anatinny hetsika Mitsangana Ry Malagasy na MRM intsony ny Antoko Politika Madio (APM) tarihini Faniry Alban Rakotoarisoa na Gangstabab.

Hamaky ny tohiny...

Norbert Lala Ratsirahonana Frankofonia vao nipoitra

28/11/2016

Niseho vahoaka indray ny filohanny antoko Asa Vita no Ifampitsarana (AVI), Norbert Lala Ratsirahonana, ny sabotsy teo nanatrika niaraka taminireo filoham-pirenena nandray anjara taminny frankofonia, ny fandraisam-pitenenana nataonny filoham-pirenena frantsay, Franois Hollande, tetsy aminny CCI Ivato.

Hamaky ny tohiny...

Franois Hollande Niaiky ny heloky ny Frantsay taminny 1947

28/11/2016

Nandritra ny fanaterany fehezam-boninkazo teny aminny anjely mainty eo afovoanny farihinAnosy ho fahatsiarovana ireo Malagasy maty niady ho ani Frantsa no nanekenny filoha Frantsay Franois Hollande fa tena namono sy nandripaka ny Malagasy ny Frantsay taminny 1947.

Hamaky ny tohiny...

CCI Ivato Banga ny toeranny Profesora Zafy sy Amiraly Ratsiraka

28/11/2016

Tranga iray nanaitra sy nanamarika ny andronny sabotsy 26 novambra 2016 fisokafanny fihaonana an-tamponny Frankofonia ny fanatrehanireo filoham-panjakana nifandimby nitantana ani Madagasikara. Hita teny an-toerana nanatrika io lanonana taminny fomba ofisialy io, ohatra,

Hamaky ny tohiny...

Vola azo taminny Frankofonia Ataovy mangarahara, hoy ny Wake Up Madagascar

28/11/2016

Mangataka ny hisianny mangarahara aminny lafiny rehetra taminny fitantanana ny vola azo nandritra ny frankofonia ny fikambanana Wake Up Madagascar, anisanny mijery akaiky ny maharary ireo olona eny ifotony.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Arahabaina e !

28/11/2016

Miarahaba anao aloha ry Jean taminizao dingana lehibe vitanao izao a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mohammed VI Nandao mangingina ani Madagasikara

28/11/2016

Tena nahoraka tokoa ny fahatongavanny mpanjaka marokanina Mohammed VI teto Madagasikara ny sabotsy 19 novambra 2016.

Hamaky ny tohiny...

FANOMEZANA FARANNY TAONA Olona valo sahady no efa notoloranny Airtel loka

28/11/2016

Olona valo tsara vintana sahady no efa notoloranny orinasam-pifandraisana Airtel loka ny faranny herinandro teo ao anatinilay hetsika tanteraka ny nofinofiko tanterahinizy ireo entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifany aminizao faramparanny taona izao.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambavahaditokana Tsy mety mivoaka ny fanampiana avy aminny fanjakana

28/11/2016

Velon-taraina ny aminny tsy mbola nivoahanny fanampiana ho anny kaominina avy aminny fanjakana ny Benny tannanAmbavahaditokana Andriamihaja Bruno.

Hamaky ny tohiny...

Vehivavy maty eo am-piterahana Tafakatra 10 isanandro eto Madagasikara

28/11/2016

Mbola olana eto Madagasikara ny fiterahana aminny reninjaza ho anny vehivavy noho ny halaviranny toerana misy ny tobim-pitsaboana na noho ny tsy fisiana mihitsy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tohizo izay tsara, ataovy mangarahara!

28/11/2016

Vita soa aman-tsara ny fihaonana an-tamponny frankofonia. Ady hevitra lehibe no nisy teto saingy tsy hanova na inona na inona izany, fa ny manatsoaka lesona no azonny tsirairay hatao, na ny mpitondra na ny mpanohitra na ny vahoaka. Nisy ny lesoka ary nisy ihany koa ny zavatra tsara izay mendrika ny hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana