Fil d'actualités du 23/02/2017

  • 23/02/2017 - 20:30 : Tiko AAA: Efa manomboka hita eny amin'ny tsena Magro ny zava-pisotro Classiko vokarin'ny orinasa Tiko AAA. Sandaina 2.500 ariary ny tavoahangy 1,5 litatra.

  • 23/02/2017 - 20:00 : Fandripahana ala: Ambony ny tahan'ny fandripahana ala eto Madagasikara, hoy ny fanadihadiana nataon'ny ofisim-pirenena misahana ny Tontolo iainana. 0,8% izany ny taona 1990 hatramin'ny 2000. 0,4% kosa izany teo anelanelan'ny taona 2005 sy 2010 ary niakatra 0,9% ankehitriny ka mahatratra 66.000ha ny velarana ala potika.

  • 23/02/2017 - 19:30 : Lavanilina: Ratsy indrindra ny taom-piotazana lavanilina Malagasy 2016-2017. Tsy nisy afa-tsy 1.500 taonina izany raha eo amin'ny 2.000 hatramin'ny 2.500 taonina isan-taona. 60 dolara ny kilaon'ny lavanilina ny taona 2014, 135 dolara ny taona 2015 ary 210 dolara kosa ny taona 2016.

  • 23/02/2017 - 19:00 : Aretina bilarziozy: Voan'ny aretina bilarziozy ny 50%ny zaza Malagasy, hoy ny tatitry ny fikambanana iraisampirenena momba ny Fahasalamana. Distrika 103 amin'ireo 113 ihany no ahitana ity aretin-kankana ity ary anisan'izany ny tananan'Antananarivo.

  • 23/02/2017 - 18:30 : Fitantanana sy Tetibola: Nankatoavin'ny filankevitry ny governemanta ny talata teo volavolana didim-panjakana mamaritra ny andraikitry ny minisitry Fitantanana sy ny Tetibola. Hajoro ao anatin'ity departemanta ministerialy ity ihany koa ny rafitra iray hanara-maso ny fampiasana ireo vola fanampiana azo tamin'ny fikaonan-dohan'ireo mpamatsy sy mpampiasa vola tao Paris.

  • 23/02/2017 - 18:00 : Vidim-bary: Nahitana fihenana ny vidim-bary eny an-tsena. Fidinana manodidina ny 100 hatramin'ny 150 ariary.

  • 23/02/2017 - 17:30 : Hazo sarobidy: Hampiharina amin'izay ny fananganana ilay rafitra manokana iadiana amin'ny fanondranana antsokosoko andramena sy hazo mainty miaraka amin'ny fanasaziana, araka ny tapaky ny filan-kevitry ny minisitra. Fanapahan-kevitra noraisina herintaona aty taorian'ny fankatoavana ny lalana.

  • 23/02/2017 - 17:00 : Fifidianana 2018: Nanamafy ny filoha nasionalin'ny antokom-panjakana Rivo Rakotovao fa ny filoha amperinasa Hery Rajaonarimampianina ihany no kandidan'ny HVM amin'ny fifidianana 2018.

  • 23/02/2017 - 16:30 : Fampianarana ambaratonga ambony: Tafaverina ho mpikambana eo amin'ny Cames (Conseil Africain et Malgache de l'Enseignement Superieur) i Madagasikara. Nanamafy io fiverenan'ny firenena Malagasy io ny fahatongavan'ny delegasionina eo anivon'ity filankevitra ity teto amintsika ny fiandohan'ny volana febroary 2017.

  • 23/02/2017 - 15:30 : Aft Andavamamba Antananarivo: Hisy fampisehoana ara-java-kanto maimaimpoana hatao eny an-toerana ny takarivan'ny rahapitso 24 febroary, izay ahitana ny mpanakanto Thťo Rakotovao, Minah, Gangstabab, Dah Mama, Jean Emilien, Af Jazz, Tsiriry, Voromanga Milalao ary Ragasy. Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT izany.

Voir plus d'infos...

23/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161123

Misongadina

Ambasadaoroníi Maraoka Voaroaka fa nanodikodim-bola

23/11/2016

Nosoloina ny ambasadaoroníi Maraoka eto Madagasikara, Mohammed Amar.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina Anarany fotsiny no filoha Ö

23/11/2016

Matahotra mafy ny ho takona i Hery Rajaonarimampianina mandritra ny fivoriana an-tamponíny Frankofonia.

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa Fatiantoka ny frankofonia

23/11/2016

Fatiantoka ho aníny firenena izao fanatanterahana ny fihaonambeníny frankofonia eto amintsika izao, hoy ny mpanao politika, Tabera Randriamanantsoa.

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM - Rasoanoromalala Horace Mikarakara ny tanoraníAmbohimanarina

23/11/2016

Nikarakara fifaninanana ny ADA (Association des Arbitre Ambohimanarina) izay mpikambana ao aminíny ę Firaisankina Ambohimanarina Ľ niaraka taminíny depiote Rasoanoromalala Horace mpikambana TIM sady filoham-boninahitry ny fikambanana rahateo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasiníi Jean Mahatsikaiky ahy ianareo

23/11/2016

Miarahaba ry Jean a ! Tapa-tsinay aho raha tafaresaka taminíny mpiara-miasa aminareo omaly maraina. Hay ve ka ireo rindrina ety an-tokotany ihany no lokoina aminíizao fandalovaníny vahiny manan-kaja izao e !

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Fitantanana ny Omda Tsy hita noanoa ny fatiantoka

23/11/2016

Tontosa soa aman-tsara omaly tetsy aminíny foibeny etsy Faravohitra ny famerenana aminíny toerany ny taleníny ofisy malagasiníny zoníny mpamorona (OMDA), Haja Ranjarivo.

Hamaky ny tohiny...

Hetsika mandritra ny frankofonia Raikitra ny aníny mpanao gazetyÖ

23/11/2016

Efa ho enim-bolana izao ny olaníny mpano gazety sy ny mpitondra manoloana ny amboletra nataoníny fanjakana ka nampandaniana ny lalŗna mifehy ny serasera taminíny fomba tsy dia ara-dalŗna loatra.

Hamaky ny tohiny...

"Antananarivo tsiahy sary" Aranty eo aminíny zaridainan'Andohalo

23/11/2016

Hamaky ny tohiny...

Frankofonia - CCI Ivato Lesoka ny fikirakiram-baovao

23/11/2016

Hamaky ny tohiny...

BNI MADAGASCAR Hanolo-tanana ny mpandraharaha

23/11/2016

Mitohy hatrany ny ezaky ny banky BNI Madagascar. Hanolo-tanana ireo mpandraharaha tsy ankanavaka eto amintsika indray izy ireo mba hiarovana ireto farany tsy ho matiantoka

Hamaky ny tohiny...

FARITRA ANALAMANGA Manampy aminíny fitandroana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra

23/11/2016

Mifanome tanana hitandroana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Faritra Analamanga sy ny prefektiora ary ny polisim-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Voafonja tsy ampy taona Kamboty ny 70%

23/11/2016

Araka ny tatitra azo teo anivona sampandraharaha iray misahana ny fanarenana ireo zaza nania ho ao anaty fiarahamonina indray dia kamboty avokoa ny 70%-níireo zatovo tsy ampy taona 115 voafonja ao Antanimora.

Hamaky ny tohiny...

Fivorian'ny Frankofonia Hitondra fanovana ho aníny firenena Malagasy, hoy ny FFT

23/11/2016

Taorianíny fananganana ny vovonana ďFiraisankina ho Fampandrosoana ny TanindrazanaĒ na ny FFT

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Kolejy Teolojika Ivato Mihazakazaka ny asa fanorenana

23/11/2016

Efa miroso tanteraka ny asa eny aminíny kolejy teolojika Ivato aminíny fanitarana ny fotodrafitrasa ho vavolombeloníny faha-50 taona nijoroaníny Fjkm.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Samia maka lesona e !

23/11/2016

Na inona na inona tsy fitovian-kevitra sy tsy fitoviam-pijery manoloana ny frankofonia, dia tokony hisy foana ny lesona tsoahina avy aminíizany mba tsy ho lany andro aminíny adihevitra tsy mitondra mankaiza eto isika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana