Fil d'actualités du 29/05/2017

  • 29/05/2017 - 13:30 : Mpiraki-draharahan’ny fitsarana: Hanatanteraka fivoriam-be ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ny zoma 2 jona izao, ka mandritra izany no handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra izay mety hirosoana amin’ny fitokonam-be manoloana ny tolo-dalàna mety hanafoanana ny fanatrehan’izy ireo ny fotoam-pitsarana.

  • 29/05/2017 - 13:00 : Fanadinana hidirana ao amin’ny INFA: Hotanterahina ny 19-21 jona izao ny fifaninana hidirana eo anivon’ny INFA (Institut Nationale de Formation Administrative), ka miisa 683 ireo ho raisina eo anivon’ity Ivon-toeram-pirenena manofana momba ny fitantanana raharaham-panjakana ity.

  • 29/05/2017 - 12:00 : Iray volan'ny ankizy: Ny alakamisy 1 jona izao no hanokafana amin'ny fomba ofisialy ny volana ho an'ny ankizy hatao any amin'ny Gymnase Soavita Toamasina. Lohahevitra amin'izany ny hoe "Ankizy voaaro amin'ny herisetra, afaka hiaro ny hoaviny". Miahy mivantana ny hetsika ny Minisiteran'ny mponina.

  • 29/05/2017 - 11:30 : Toetr'andro: Somary hafana raha oharina amin'ny teo aloha ny ririnina amin'ity 2017 ity satria nitombo 0,3 ka hatramin'ny 0,5 °C ny maripana. Mijanona ho Antsirabe no faritra ahitana ny maripana ambany indrindra.

  • 29/05/2017 - 11:00 : Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy: Voafidy ho filohan'ny Komity hanao ny sivana an'ireo olona handrafitra ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM) ny Patora Emmanuel Jacob Tehindrazanarivelo. Tsiahivina fa ny 15 mey teo no notendrena ireo 9 miandahy mpikamban'ity komity ity, ka eny amin'ny Foiben'ny Frankofonia eny Ambohitsorohitra no handraisan'izy ireo ny antontan-taratasin'ireo te ho mpikamban'ny FFM ao anatin'ny 75 andro.

  • 29/05/2017 - 10:45 : Antsohihy _Fahatratrana lavanila tsy ara-dalàna: Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpisolovava nahatrarana lavanila maintso tsy ara-dalàna 220kg ny herinandro lasa teo. Nidoboka am-ponja vonjimaika kosa ny olona 2 niaraka taminy.

  • 29/05/2017 - 10:30 : Toamasina _Halatra taolam-paty: Sarona ny sabotsy lasa teo tao Mangarivotra ny 2 lahy nitondra taolam-paty iray sakaosy, ka taolan-dava 117 ny fitambaran'izy ireo. 600 000Ariary no voalaza fa saika hivarotan'izy ireo io taolam-paty io.

  • 29/05/2017 - 10:15 : Mpandraharahan'ny fadin-tseranana: Mitsahatra ny asa rehetra anio sy rahapitso 30 mey noho ny fitokonanan'ny mpiasan'ny ladoany. Ireo asa maika toy ny resaka fanafody sy entana mora simba ihany no horaisin'ny mpiasa an-tànana.

  • 29/05/2017 - 10:00 : Fanatanjahantena _Boxe Olympique :Hahemotra amin’ny volana jona ny fiadiana ny tompondakan’I Afrika eo amin’ny haiady boxe olympique tokony hatao any Congo Brazaville amin’ity faran’ny volana mey ity noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana. Miisa 7 ireo solontena Malagasy hiatrika ny lalao, ka lehilahy ny 5 ary vehivavy ny 2.

  • 29/05/2017 - 09:45 : Fitaterana an’habakabaka : Ao anatin'ny fandaminana sy fametrahana ny rafitra iasana miaraka amin'ny « partenaire stratégique » an'ny Air Madagascar ny fanjakana amin'izao fotoana, hoy ny Tale jeneraly Herinirina Rakotomalala ka aorian'izay vao ho fantatra ny fizotry ny asa atao rehetra.

Voir plus d'infos...

27/05/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161121

Misongadina

« Grandes surfaces » eto Antananarivo Atahorana hisy hametraka baomba…

21/11/2016

Hentitra kokoa ny fisavana any anatin’ireo tranombarotra lehibe na ny antsoina hoe « Grande surface » eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Hampisondrotra ireo izay tsy manana mba hanana

21/11/2016

Mitohy ny fitsidiham-paritra tanterahin’ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

« Village de la Francophonie » Hisokatra ho an’ny besinimaro

21/11/2016

Hotokanana anio alatsinainy 21 novambra tolakandro ny « Village de la Francophonie » etsy Andohatapenaka, ary dia hisokatra ho azon’ny besimaro tsidihina aorian’izay. Vohitry ny kolontsaina sy taozavatra ny « Village de la Francophonie ».

Hamaky ny tohiny...

Fandaniana ny tetibola 2017 Miankina amin’ny hita tamin’ity taona ity

21/11/2016

Mbola hisy ny fifidianana ny “lalàna fandravonana” hahafahana mitaratra na nandeha araka ny tokony ho izy na tsia ny fandaniana ny tetibolam-panjakana tamin’ity taona ity.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny frankofonia Sahiran-tsaina ireo mpampitony

21/11/2016

Hanomboka anio dia ho renivohitry ny frankofonia i Madagasikara, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Beatrice Atallah, ka aoka hatsahatra hatreo aloha ny adilahy politika rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Michaëlle Jean Sedra voalohany ho azy ny Frankôfônia 2016

21/11/2016

Eto Madagasikara hatry ny omaly ny Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia, Rtoa Michaëlle Jean, ary tsy hiala eto raha tsy amin’ny 27 novambra 2016 hifaranan’ny fihaonana an-tampony faha-16 ny Frankôfônia.

Hamaky ny tohiny...

Mohammed VI Afrikanina faha-5 manankarena indrindra

21/11/2016

Ny Mpanjakan’i Maraoka Mohammed VI no namaky lay ny fahatongavan’ireo olo-manankaja hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-16 Frankôfônia hatao eto Antananarivo ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra 2016

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Ataovy tsara e !

21/11/2016

Eny ary ry Jean fa dia raikitra izy ity ka tsy mipody koa ! Marina ny anareo hoe raharaham-pirenena no atrehana fa dia aleo aloha mba samy hibanjina an’izay na dia misy aza ny tsy fifanarahana madinidinika e !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Fitokanana lalana frankofonia Vitsy ireo depiote nanotrona

21/11/2016

Nampisy resa-be ny fahavitsian’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara tonga nanotrona ny fitokanana ny lalana Frankofonia “Rocade d’Andohatapena” na ilay lalana tafiditra amin’ireo tetikasa “Projet Présidentiel”.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Liana amin’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny tanora

21/11/2016

Liana amin’ny asa fandraharahana ny ankamaroan’ireo tanora eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fanafoanana ny CEPE Tsy mbola ato ho ato, hoy ny minisitra Paul Rabary

21/11/2016

Mandeha be ny feo eny anivon’ny fiarahamonina eny, indrindra ny eny ambanivohitra fa hofoanana ato ho ato ny fanadinana CEPE ary hanomboka hampihatra ilay drafi-pampianarana Plan Sectoriel de l’éducation (PSE) ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambavahaditokana Nofanina amin’ny resaka vonjy voina ny mponina

21/11/2016

Anisan’ny kaominina iray ahitana ankizy latsaka anaty lava-biriky na olona maty an-drano hatrany matetika ny kaominina Ambavahaditokana Atsimondrano rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tokantrano hono tsy hahahaka e!

21/11/2016

Ao anatin’ny frankofonia tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Ny mpitondra milaza fa tombotsoam-pirenena ny fanatanterahana izany eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Tapatapany

Marion Vaovao mampalahelo no nianjady amin’ny mpanakanto Marion. Nodimandry ny sabotsy teo ny rainy niteraka azy noho ny aretina nahazo azy. Izahay eto amin’ny gazety tia tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ity mpanakanto sangany ity sy ny fia

21/11/2016

Ivandry Trano iray misy rihana, nirehitra omaly maraina teny Ivandry akaikin'ny siniben-drano. Namoizana ain’olona ity loza ity.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana