Fil d'actualités du 20/01/2017

  • 20/01/2017 - 19:40 : Finoana: Tsy nanana kardinaly intsony ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara hatramin'ny taona 2010. Horesahan'ny sekreteram-panjakan'i Vatican, ny kardinaly Pietro Parolin mandritra ny fivahinianany eto amintsika amin'ireo eveka Malagasy ny fanendrena kardinaly vaovao, araka ny tsilian-tsofina heno.

  • 20/01/2017 - 19:15 : Zavamaniry fitsaboana: Mampiasa zavamaniry fitsaboana avokoa ny 70%ny vahoaka Malagasy. Tsy ara-dalana, tsy misy fanaraha-maso ary tsy voaaro anefa izy ireny, hoy ny orinasa mpanamboatra fanafody Homeopharma.

  • 20/01/2017 - 18:50 : Tsy fanjariantsakafo: Tsy mitombo ara-dalana ny zaza iray amin'ny roa na 50% latsaky ny 5 taona eto Madagasikara, hoy ny Banky iraisampirenena. Antony mahatonga izany ny tsy fanjariantsakafo.

  • 20/01/2017 - 18:25 : Kolikoly: Ho fantatra ny alarobia 25 janoary 2017 ny fivoaran'ny tontolon'ny kolikoly eto Madagasikara. Hanolotra izany amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Cafe de la Gare Soarano ny Transparency International.

  • 20/01/2017 - 17:55 : VIH/Sida: Nanatanteraka atrikasa iadiana amin'ny VIH/Sida tao Ampisikina ny faritra Boeny androany. Olona 58 no matin'ity areti-mandoza ity ao Mahajanga. Miisa 563 kosa ireo mitondra ny tsimok'aretina.

  • 20/01/2017 - 14:30 : Vidim-bary: Hisy ny famorian'ny Minisiteran'ny varotra sy ny fanjifana ireo mpanafatra vary, mpanangona ary ireo tranom-barotra lehibe mpaninjara ny 23 janoaray izao. Antony ny handinihana sy hiadiana hevitra manoloana ny fiakaram-bidin'ny vary izay tsy misy fitsaharana hatramin'ny fiandohan'ny taona.

  • 20/01/2017 - 13:50 : Fandatsahana orana artifisialy: Tsy ny sira hampiasaina amin'ny fandatsahana orana no tsy misy fa ireo fepetra hafa mihitsy no mbola tsy feno, hoy ny Tale jeneralin'ny Sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro Rahariveloarimiza Samueline androany. Tsy dia mila sira betsaka mantsy izany fa 10kg isaky ny mandatsaka dia ampy, raha ny fanazavan'io tompon'andraikitra io.

  • 20/01/2017 - 13:20 : CAN 2017: Ny ekipam-pirenen'i Sťnťgal no hany firenena efa tafakatra mazava any amin'ny dingan'ny ampahaefafa-dŗlana. Toy izao kosa ny fandaharam-potoana anio: Amin'ny 7 ora no hifandona i CŰte d'Ivoire sy RDC Congo ary amin'ny 10 ora alina ny fifanandrinan'i Maraoka sy Togo.

  • 20/01/2017 - 12:50 : Fanadinam-panjakana CEPE: Manomboka ny alatsinainy 23 janoary ny fisoratana anarana ary hfifarana ny 14 martsa. Efa vita ny famolavolana ny laza adina.

  • 20/01/2017 - 12:20 : Lalam-baovao Andohatapenaka: Efa misy fanorenen-trano sy fanotofana manamorona iny lalam-baovao "Rocade Andohatapenaka" na dia vao ny zoma lasa teo aza ny fanjakana no nanao fanambarana fa voarara fanorenena sy fanotofana. Misy mangalatra ihany koa ireo jiro manazava ny lŗlana.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161117

Misongadina

Alain Ramaroson Hanao krismasy ao Antanimora ?

17/11/2016

Telo volana any am-ponja izao i Alain Ramaroson. Fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka aminíny taratasim-pandovana no nitorianíny fianakaviany azy ka namoahaníny Fampanoavana didy savaranonando fitazonana am-ponja vonjimaika nanomboka taminíny 3 aogositra 2016.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimierandoholona Nisintaka teny Ankorondrano

17/11/2016

Nanatanteraka atrikasa niaraka taminíireo loholona teny aminíny Ibis Akorondrano, momba ny kaonty, ny fitsarana Malagasy omaly alarobia 16 novambra 2016.

Hamaky ny tohiny...

Fivorianíny FrankŰfŰnia Miaramila 7000 no ahetsika

17/11/2016

Efa hitovy aminíireny tany miady ireny ny eto Antananarivo mandritra ny herinandro hisianíny fivorianíny OIF.

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Andrasana any Toliara

17/11/2016

Taorianíi Fianarantsoa dia i Toliara no tanŗna faha-5 hampiantrano ny fankalazana ny faha-40 taonaníny antoko Arema.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nomeníi FranÁois Hollande lesona

17/11/2016

FrankŰfŰnia ? Raikitra io ary filoham-pirenena maheriníny telopolo izao no efa nanamafy fa ho avy eto Madagasikara, hamonjy ny Fihaonana an-tampony faha-16 hotanterahina ny 22 ka hatraminíny 27 novambra 2016.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Hisitri-belona ?

17/11/2016

Ahoana mihitsy moa izahay ry Jean no tsy havelanareo hiaina ny fiainanay mahazatra fa tadiavinareo hisitri-belona aminíny frankofonia ?

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Fifandraisana 200 taona ny fifankatiavana Malagasy-Anglisy

17/11/2016

Hankalazaina aminíio taona ho avy 2017 io ny faha-200 taona nanaovan-tsonia ny fifankatiavana Malagasy sy Anglisy, natomboka taminíny Fanjakan-dRadama I

Hamaky ny tohiny...

TAPATAPANY

17/11/2016

ANOSIKELY Nandray ny delegasiona avy aminíny Fondation Friedrich Erbert (FFE) ny Filohaníny Antenimierandoholona.

Hamaky ny tohiny...

Prťscolaire- EPP AmbodiníIsotry Nahazo efitrano vaovao

17/11/2016

Nahazo efitrano vaovao hahafahany mivelatra ireo kilonga madinika prťscolaire manovo fahalalana eo anivoníny sekoly ambaratonga fototra etsy AmbodiníIsotry.

Hamaky ny tohiny...

Fidiraníny mpianatra Cisco Atsimondrano Teny Ampitatafika ny lanonana ofisialy

17/11/2016

Tontosa omaly teny aminíny fokontany Ankaditany, kaominina Ampitatafika ny fanokafana ny fidiraníny mpianatra amim-pomba ofisialy taom-pianarana 2015 -2016 ho aníny fari-piadidiam-pampianaraníAntananarivo Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

GROUPE VIDY VAROTRA Notolorana fanomezana ireo zanaky ny mpiasa afa-panadinana

17/11/2016

Vondrona iray anisaníny mijery akaiky ny maha olona ny vondrona Vidy Varotra. Noporofoiny taminíny alalaníny fanolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana ho aníireo zanaky ny mpiasa miisa fito afa-panadinana CEPE sy BEPC taminíiny taom-pianarana nivalona iny izany omaly, tetsy aminíny foiben-toerany etsy Soanierana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rallye International de Madagascar andiany faha-37 Notoloraníny Airtel loka ireo mpamily mendrika indrindra

17/11/2016

Tsy namela fotsiny ireo mpamily sy ny mpanampy azy telo voalohany mendrika indrindra taminíny RIM andiany faha-37 notanterahina teto amintsika ny faraníny herinandro teo ny orinasam-pifandraisana Airtel.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hanarina sa hanarona ?

17/11/2016

ę Raha tonga aminíny frankofonia ny fampandrosoana, arahaba soa, arahaba tsara. Raha tsy tonga, mitohy ihany ny fampandrosoana Ľ.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana