Fil d'actualités du 24/03/2017

  • 24/03/2017 - 18:30 : Fanambana Vohemar _Trangam-piarahamonina: Raim-pianakaviana iray nihanika teo ambony andrin-jiro androany atoandro ary namono tena nitsambikina avy any ambony avy eo, ka ny lohany no notatazan'ny arabe godorao, ary maty tsy tra-drano. Niparitaka eraky ny arabe mihitsy ny raha noho ny lohany nipotsaka tanteraka.

  • 24/03/2017 - 17:30 : Taom-baovao Malagasy: Hotanterahina ny Talata 28 Martsa sy ny 29 Martsa ho avy izao ny taom-baovao Malagasy ho aníny trano koltoraly Malagasy sy ny fikambanana Fitohasina. Etsy Mahamasina no hanatanterahana ny hetsika, izay hiantsoana ny Malagasy rehetra. Hampiavaka ny hetsika ny fampianarana ny Malagasy rehetra mikasika ireo karazana fomba tokony hajaina hisianíny fampandrosoana ho aníny isan-tokantrano.

  • 24/03/2017 - 16:30 : Orinasa Jirama: Mifarana rahapitso 25 janoary ny fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo olona te hahazo ny toeran'ny Tale jeneralin'ny Jirama.

  • 24/03/2017 - 15:30 : Fanatanjahantena _Baolina kitra: Hatao eny Carionrahapitso sabotsy 25 martsa ho avy izao ny fivoriamben'ny Federasionina Malagasin'ny baolina kitra (FMF). Amin'io fotoana io no hanapahana ny hoavin'ny FMF taorian'ny nahalanian'Ahmad ho filohan'ny CAF.

  • 24/03/2017 - 15:00 : Ambodiarana Maroantsetra: Tanŗna iray manontolo nihotsahan'ny tany sy ny vato avy eny an-tendrombohitra, ka traboina tanteraka ny mponina satria potika ny ankamaroan'ny trano ary maro ihany koa ny olona naratra vokatr'izany.

  • 24/03/2017 - 14:30 : Magro Behoririka: Rahapitso no hifamotoana eny amin'ny Magro Behoririka ny mpanohana an'i Marc Ravalomanana mba hifampita vaovao sy sy hifanome toromarika.

  • 24/03/2017 - 14:00 : Zandary nihoa-pefy: Miasa ny birao manokana najoro hiady amin'ny kolikoly eo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Lehiben'ny Kaompania tany Ankazobe sy ny zandary iray hafa natolotra ny fampanoavana omaly ary naiditra am-ponja vonjimaika noho ny resaka kolikoly. Voarohirohy tamina aferana rongony mahery vaika "Canabis" sarona tany amin'ny lalŗm-pirenena faha-4 (RN 4) tany Andranovelona izy ireo.

  • 24/03/2017 - 13:00 : Sendikan'ny mpiasan'ny ladoany (SE.MPI.DOU: Manome fe-potoana herinandro ny Filoham-pirenena handray andraikitra amin'ny fanaisorana ireo zandary manao fisavana eny amin'ny seranam-piaramanidina sy ny orinasa SAMADA izay manao fisavana ekonomika ity sendika ity. Tsy mifanaraka amin'ny "Code de douanes" izany, ka tokony hajaina io lalŗna manokana izay manan-danja io, hoy izy ireo.

  • 24/03/2017 - 12:30 : Marolambo: Tafakatra 1200ariary ny kapoakan'ny vary amin'izao fotoana izao. Tapaka ny ankamaroan'ny lŗlana any an-toerana, ka sarotra ny fifamezivezena.

  • 24/03/2017 - 12:00 : Tontolo iainana: Tontosaina rahampitso sabotsy 25 martsa ny diaben'ny famantarana ny toetry ny andro. Amin'ny 8ora maraina ny fiaingana eo amin'ny ministeran'ny fitaterana sy famantarana ny toetry ny andro Anosy ka hihazo ny manoloana ny kianjaben'i Mahamasina. Hisy ny fampahafantarana sy fanentanana maro samihafa eny an-toerana amin'ny tsara ho fantatra momba ny toetry ny andro.

Voir plus d'infos...

24/03/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161116

Misongadina

Fivorianíny FrankŰfŰnia Hanao tsidi-pahitra i Hollande

16/11/2016

Miha mazava ny zava-drehetra ankehitriny. Voasokajy ao anatiníny faritra mena aminíny resaka fandriampahalemana sy ny ahiahy mety hisiana asa fampihorohoroana ny eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajaonah Andrianjaka - Otrikafo ę Misolelaka aminíny Frantsay ny filoham-pirenena Ľ

16/11/2016

Efa tsy any aminíny tsy fankasitrahanay ny anaovana ny frankofonia eto intsony no hipetrahaníny olana aminíizao fotoana izao, hoy ny filohaníny antoko otrikafo,

Hamaky ny tohiny...

Fandraisana ny Frankofonia Toy ny fanagadrana ny Malagasy, hoy i James Ratsima

16/11/2016

Toy ny fanagadrana ny Malagasy ny fanatanterahana io frankofonia io eto amintsika, hoy ny profesora James Ratsima filohaníny fikambanana ďAsandratro ny firenekoĒ.

Hamaky ny tohiny...

Pastera Edouard Tsarahame ę Tsy ankasitrahaníny olona io FrankŰfŰnia ioĒ

16/11/2016

Nivoaka taminíny fahanginany indray ny pastera Edoaurd Tsarahame mpikambana eo anivoníny Rodobe Malagasy Tia tanindrazana ho aníny fanovana ifotony omaly manoloana ny fandraisana ny frankofonia hotanterahina eto amintsika ny herinandro ho avy io.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasiníi Jean Miandry fa gasy

16/11/2016

Dia himenomenona fotsiny ohatry ny loha tapaka eto foana ve no hataontsika ry Jean a ? Manao ny ataony daholo ry kely maso sy ry tsy mifora maka izay tiany halaina.

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Antananarivo renivohitra Ampianarina hanara-dalŗna ny olona

16/11/2016

Mitohy ny ezaky ny Beníny tanŗna Lalao Ravalomanana sy ny fiadidiana ny kaominina aminíny fampandrosoana ny tanŗnaníAntananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana volamena Tonga any Sahamadio indray ny Sinoa

16/11/2016

Teteziníny Sinoa ireo kaominina ao anatiníny Distrikaníi Fandriana, hitsirihana volamena mba hotrandrahina.

Hamaky ny tohiny...

Mangoro Te hizaka tena ho Faritra manokana

16/11/2016

Mitsangana ankehitriny FIZAMANGORO na fikambanana Zanakíi Mangoro tarihaníny filohany Atoa Rakotonirina Augustin ary hitambaraníireo herivelona rehetra any aminíny distrikaníi Moramanga sy Anosibe Aníala iny.

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny tontolo iainana Resabe fotsiny ny aníny Malagasy

16/11/2016

Aminíizao fotoana izao no tanterahina any Marrakech Maraoka ny Kaonferansa iraisam-pirenena momba ny fiovaovaníny toetríandro na ny COP 22.

Hamaky ny tohiny...

Zandary lahy sy vavy miisa 255 Nanatanteraka fanazarantena 5 andro tsy miato

16/11/2016

Notontosaina nandritra ny dimy andro tsy miato, ny 7 ka hatraminíny 11 novambra 2016 tao anatiníny Distrikaníi Moramanga, ny fanazarantena arakíady na ilay antsoina hoe :

Hamaky ny tohiny...

Fanokafana kaonty BNI Mahazo fihenam-bidy 80% ny mpiasam-panjakana

16/11/2016

Vonona ny hanampy hatrany ireo mpiasam-panjakana eto amintsika ny banky BNI Madagascar mba hanamorana ny fiainaníizy ireny aminíny andavanandro.

Hamaky ny tohiny...

Fifaninanana Miss Ė Mister Analamanga Norombahiníi Miora sy Fitahiana ny fandresena

16/11/2016

Tontosa soa aman-tsara tetsy aminíny lapaníny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina omaly rehefa naharitra herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rallye International de Madagascar andiany faha-37 Notoloraníny Airtel loka ireo mpamily mendrika indrindra

16/11/2016

Tsy namela fotsiny ireo mpamily sy ny mpanampy azy telo voalohany mendrika indrindra taminíny RIM andiany faha-37 notanterahina teto amintsika ny faraníny herinandro teo ny orinasam-pifandraisana Airtel.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tompondaka !

16/11/2016

Efa tena tompondaka mihitsy ity fitondrana ity saingy tsy mba aminíny tsara fa aminíny ratsy. Tompondakaníny fampiesonana, tompondakaníny afera maizina, tompondakaníny fanaovana be marenina, tompondakaníny tandrametaka, tompondakaníny filibana, tompondakaníny fihaingoana ambony tsikoko Ö

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana