Fil d'actualités du 23/10/2017

  • 23/10/2017 - 16:30 : CEDES: Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Hotely Carlton Anosy androany ny andiany faha-13 miisa 42 tamin’ireo mpiofana teo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana momba ny diplomasia sy ny stratejia ity, izay nisalotra ny anarana “Andriatsitohaina”.

  • 23/10/2017 - 16:15 : FESTIVAL "AVY LITCHIS": Ho foana tanteraka ny Festival “Avy Litchis” izay tokony hatao any Toamasina ny19-27 novambra 2017 raha sanatria mbola mihemotra io daty io satria tsy hanaiky ho avy aty intsony ireo sambo mitondra olona hatramin'ny 10400 efa niomana hanatrika izany.

  • 23/10/2017 - 16:00 : PESTA: Zazakely 8 volana voalaza fa matin'ny pesta ary nalevina eny Anjanahary no angatahin'ny ray aman-dreniny amin'ny BMH ny mba hahafahan'izy ireo maka ny razana sy mandevina azy satria tsy matin'ny pesta izany ny zanakay, ary izahay ray aman-dreniny aza tsy voan'io aretina io akory, hoy ny renin'ilay zaza.

  • 23/10/2017 - 15:45 : Kaominina Antananarivo: Mampirisika ny olona handoa hetra ny avy ao amin'ny boriborintany faha-4 ary efa manomboka ny fandraisana izany.

  • 23/10/2017 - 15:30 : NINIE DONIAH: Notafihan’ny jiolahy miisa 7 ny trano fonenan’ity mpanakanto Malagasy ity eto Antananarivo omaly alina, ka lasa tamin'izany ny zavatra sarodidy toy ny firavaka volamena sy ny solosaina hatramin'ny vilany. Efa mandeha ny fanadihadiana!

  • 23/10/2017 - 15:15 : ANTENIMIERAM-PIRENENA: Ny alarobia 25 oktobra no hitohy indray ny fivoriana ara-potoanan'ity andrim-panjakana ity, ka mandritra izany no hanapahana ireo lahadinika horesahina.

  • 23/10/2017 - 15:00 : KAOMININA IVATO: “Efa maherin’ny 280 ny mpiasan’ny Kaominina karamaina ao ary manatanteraka ny asa rehetra ho an’ny vahoaka izy ireo fa tsy miandry karama fotsiny: midina ifotony mba hijery ny olana ary mamaha ny olan’ny vahoaka”, hoy ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

  • 23/10/2017 - 14:45 : AFROBASKET "FIBA 3x3": Haseho amin'ny faran'ny herinandro ny lisitr'ireo mpilalao Malagasy hisolo tena antsika amin'ny Fifaninana "Afrobasket" lalaovin'olona telo na ny "FIBA 3X3" hatao any Togo ny 3-5 novambra izao.

  • 23/10/2017 - 14:30 : MORAMANGA: Naharesy sy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana ireo vahoaka 500 voaroaka tamin'ny taniny tao Moramanga, ary efa tafody soa aman-tsara tsara amin'ny taniny. Nanampy betsaka azy ireo ny Fikambanana Ny Fanahy Maha-Olona tarihin'i Ny Rado Rafalimanana tamin'ny fakana mpisolovava.

  • 23/10/2017 - 14:15 : Kaominina Ivato: Natomboka androany ny fanamboarana ny EPP Antanambao Ivato, izay ahitana efitrano 6. Ary tsy maintsy vitaina amin'ny taona ho avy avokoa ireo vinavina rehetra momba ny fampandrosoana ny tanàna. Hoy ny Ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa.

Voir plus d'infos...

23/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161110

Misongadina

Analakely Notafihanny milisy ny kaominina

10/11/2016

Nisehoana savorovoro indray teny Analakely omaly hariva. Tonga nanao fandaminana teny ny polisy mpandamina ny tsena.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lany I Donald Trump Mihorohoro izao tontolo izao

10/11/2016

Nivadika ny rasa. Ny Repoblikanina no hitantana ani Etazonia manomboka izao. Ilay mpanefoefo 70 taona Donald Trump no lany hitantana ny Bekintana ao anatinny 4 taona.

Hamaky ny tohiny...

MMM sy VPM/ MMM Hisara-bazana ihany koa ?

10/11/2016

Manoloana ny fanambarana nataonny avy eo anivonny antoko Malagasy Miara Miainga nilaza fa misandoka andraikitra ny avy eo anivonny vondrona miara-dia aminity antoko politika ity

Hamaky ny tohiny...

Vondrona FFT Nandika ny lalampanorenana...

10/11/2016

Efa nandika lalmpanorenana daholo ireo mpikambana ao anatinilay vondrona FFT (Firaisankina ho Fampandrosoana ny Tanindrazana, hoy ny avy eo anivonny fikambanana fiverenana an-doharano.

Hamaky ny tohiny...

Miaramila Malagasy Efa samy manao izay tiany ?

10/11/2016

Tomponandraikitra ambony 20 be izao no nosoloina teo anivonny foloalindahy taminny alalanny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly. Ny tafika no tena voakasikizy ity.

Hamaky ny tohiny...

Fivorianny Frankofonia Tsy hipetraka eto i Franois Hollande

10/11/2016

Andro vitsy tsy hahatongavanny Frankofonia, tsy mbola mazava na tena ho avy eto Madagasika ny filoha Frantsay Franois Hollande aminio fihaonana an-tampony andiany faha-16 hatao eto Antananarivo ny 22-27 novambra io na tsia.

Hamaky ny tohiny...

Robert Yamate-Masoivoho Amerikanina Aza manahy aminny fahalaniani Trump

10/11/2016

Nilaza omaly ny masoivoho Amerikanina eto miasa Madagasikara Robert Yamate fa "tsy hisy zavatra maro hiova aminny politikani Etazonia manoloana ani Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Senatera Rakotovazaha Olivier Sambany tonga aloha ny volavolana tetibolam-panjakana

10/11/2016

Efa fanao hatrizay ihany ny fampiofanana miaraka aminny Eisa tahaka itony saingy ny nampiavaka azy taminity indray mitoraka ity dia ireo parlementaires francophones ahitana ny senatera vitsivitsy sy depiote maromaro no nisitraka izany tety aminny

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Soa fianatra !

10/11/2016

Tena nanofy aho omaly ry Jean hoe nisy fifidianana, hono, teto amintsika dia iray andro monja dia vita sy hita ny valiny ary nifampiarahaba sy nifampitsodrano ny mpifanandrina.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tondro famantarana lalana aminny frankofonia 200 no natolotra omaly

10/11/2016

Natolotra taminny fomba ofisialy tetsy aminny minisiteranny fitaterana etsy Anosy omaly ny tondro famantarana lalana (Panneaux de signalisation routire ) miisa 200 avy amina sehatra tsy miankina iray.

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy Andrasana hanao dingana lehibe

10/11/2016

Lesona ho anizao tontolo izao ny fifidianana sy ny vokany tany Etazonia omaly iny.

Hamaky ny tohiny...

TVM sy OMDA Nahazo tale ihany ny farany

10/11/2016

Misimisy ihany ny fanesorana sy fanendrena mpiasam-panjakana sy tomponandraikitra ambony tao anatinny filankevitry ny minisitra notanterahana teny Iavoloha omaly. Ela ny ela ka nahazo mpitantana ihany ny ORTM (Office de la Radio et de la Tlvision publique de Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Raminohery Etienne Mila olom-banona ny firenena Malagasy

10/11/2016

Manoloana ny toe-javatra misy eto aminny firenena ankehitriny aminny fisianny fihetsika mamoafady mitranga etsy sy eroa manerana ny nosy dia tsy nisalasala naneho ny heviny Atoa Raminohery Etienne,

Hamaky ny tohiny...

Fanorenan-trano tsy ara-dalna Hentitra ny fanaraha-maso eny Ambavahaditokana

10/11/2016

Miroso hatrany aminny fampanarahan-dalna ny mponina ao aminy ny kaominina Ambavahaditokana, distrikanAntananarivo Atsimondrano aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Sampana mpamantatra ny toetrandro Hanentana ny ankizy momba ny fiarovana ny tontolo iainana

10/11/2016

Tokony ho efa hahazo ranonorana isika eto an-drenivohitra nanomboka taminity herinandro ity raha ny fanazavan-dRandrianarivelo Maminirina, tomponandraikitry

Hamaky ny tohiny...

Zaza vao teraka eto Madagasikara Tsy ampy lanja avokoa ny 20 %

10/11/2016

Araka ny tarehimarika nivoaka farany ny taona 2015 dia tsy ampy lanja avokoa ny 20 %-nireo zaza vao teraka manerana ny Nosy, izany hoe latsaky ny 2kg sy 500

Hamaky ny tohiny...

Lyce Saint Vincent de Paul Mpianatra 4 no indray nanjavona

10/11/2016

Mpianatra efatra no indray nanjavona tsy hita nanomboka ny alatsinainy hariva teo tao aminny Lyce Saint Vincent de Paul Ambatonilita.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Manankasina sa

10/11/2016

Ny fifidianana sy ny voka-pifidianana tao etazonia izao no mbola vaovao manakoako indrindra eran-tany hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana