Fil d'actualités du 19/09/2017

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

  • 19/09/2017 - 11:55 : Fitaterana :efa eo am-pandinihana amin'izao fotoana ny fanamboarana lalamby mampitohy an'Antsirabe amin'i Fianarantsoa, eo ihany koa ny mampitohy an'i Fianarantsoa amin'i Toliara.Natao izany ho fanatsarana hatrany ny fifamoivoizana sy fifanakalozana amin'iny tapany atsimon'ny nosy iny.

  • 19/09/2017 - 09:50 : Vohipeno:Nahazo jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ny lapa Fenovola ao Vohipeno araka ny fampanantenana nataon'ny filohampirenena.Nanatitra izany tany an-toerana ny minisitry ny fitaterana Beboarimisa Ralava.Nomena Canalsat mba hahafahan'izy ireo manara-baovao ihany koa ireo Ampanjaka ao an-toerana.

  • 19/09/2017 - 09:45 : RN7:efa vita ilay déviation eo amin'ny toerana misy ny tetezan'i Vohiposa mba hahafahan'ireo fiaraka latsaky ny 3,5 taonina mifamezivezy.Eo am-panambarana ilay pont Bailey ihany koa izay apetraka vonjimaika any an-toerana ny ministeran'ny asa vaventy amin'izao fotoana.

  • 19/09/2017 - 09:15 : Olona 7 mpivarotra sy manaparitaka basy no voasambotry ny polisin'ny BC.Vehivavy ny 3 ary mpitandro filaminana ny iray.Eny amin'ny faritr'Ivato no fantatra fa tena iasan'izy ireo.Basy marika Beretta ireto tratra ireto, efa an-jatony ny basy naparitak'ireto mpanao trafika ireto araka ny fanazavan'ny polisim-pirenena hatrany.

  • 19/09/2017 - 09:05 : Vita amin'ny 75% ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato izay sahanin'ny Ravinala Airports.Tonga nizaha ny fizotry ny asa teny an-toerana omaly ny minisitra misahana ny tetikasan'ny filohampirenena Benjamina Ramarcel Ramanantsoa.

  • 19/09/2017 - 09:00 : Nivoaka omaly ny vola taratasy vaovao andiany faharoa tamin'ity taona ity dia ny 1000 ar,500 ar, 200 ar ary ny 100 ar.Hiara-kiasa amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ny Banky Foiben'i Madagasikara amin'ny fanentanana ny olompirenena mba tsy hisalasala amin'ny fampiasana ny vola vaovao.

  • 19/09/2017 - 08:55 : Tsy misy atahorana intsony ny fahasalaman'ireo kambana mirahavavy nitambatra taova ka nosarahana teny amin'ny Hjra.Ny aty sy taolan-tratra no nitambatra tamin'izy ireo.Nitarika ny ekipa mpandidy ny minisitry ny fahasalamana Lalatiana Andriamanarivo.

  • 19/09/2017 - 08:35 : Nihaona teny Ivandry omaly atoandro i Marc Ravalomanana sy ny profesora Zafy Albert.Tsy nisy ny fanambarana ofisialy saingy re fa niresaka momba ny raharaham-pirenena ny roa tonta.

Voir plus d'infos...

19/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161105

Misongadina

Zanatany Anglisy mandroso Ny an’ny Frantsay krizy lava

05/11/2016

Harinkarena ambony sy tontolo politika milamina no hita any amin’ny ankamaroan’ireo tany nozanahan’ny Anglisy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Minisitry ny fitsarana “Ny olona mihitsy no efa mafana ra”

05/11/2016

Tany Antsirabe nandritra ny lanonana ofisialy nametrahana ny mpampanoa lalàna vaovao Rtoa Djaojoma Colette no nitondran’ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza fanazavana momba ny trangan-javatra niseho tato ho ato izay momba ny resaka fitsaram-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Riribe « Hifampihinana eto isika ny farany»

05/11/2016

Nifarana omaly ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firenena nataon’ny filohan’ny fikambanana zatovo sady mpanao politika, Rakotomalala Henri na Riribe sy ny namany

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Karavasy vaovao

05/11/2016

Ny Karana sy vazaha ary sinoa indray ve izany ry Jean no karavasy vaovao hamoretana ny tanàna eto amin’izao endri-panjanahana vaovao be apetrakareo izao ?

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Rovan’i Manjakamiadana Mbola mistery ny mikasika ny mpandoro

05/11/2016

Hamaky ny tohiny...

Ampanjaka sy ny zanak’Andriana Miantso fanovana ifotony koa

05/11/2016

Iaraha-mahalala fa maherin’ny 1 tapitrisa any amin’ny faritra atsimo no maty noana ary 95% ny Malagasy no mahantra ankehitriny, hoy ny filohan’ny fiombonamben’ny Ampanjaka sy ny zanak’andriana, raha naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena tetsy Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fitsaram-bahoaka 4 indray no maty tany Sambava

05/11/2016

Nanamarika ity herinandro ity ny fitsaram-bahoaka saika nanerana an’i Madagasikara. Tsy mbola lefy laza ny tany Mananjary nandoran’ny olona ilay vehivavy nanota fady.

Hamaky ny tohiny...

SECES “Tsy misy mandeha amin’ny laoniny eto”

05/11/2016

Tsy takona afenina intsony ny fitotongan’ny fiainam-pirenena ka nahatonga ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra) nanao fanambarana sy fanairana.

Hamaky ny tohiny...

“Panneaux solaires” angalarina eny Ampitatafika Amidy eny Anosibe sy Sakay Arivonimamo

05/11/2016

Fantatra ihany ankehitriny ireo olona mpandray ireo “panneau solaire” sy “batterie” halatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro manjavona lava teny amin’ny lalana digue Ampitatafika mihazo an’i Fenoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Sendikan’ny mpampianatra SMM CRNFP Adino ny mpanabe

05/11/2016

Mbola lalàna tany amin’ny taona 1960 hatramin’izao no tadiavina hampiharina eto, hoy ny tompon’andraikitra voalohany avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra Malagasy niofana tao amin’ny “centre régionale et national de formation professionnel” na ny SMM CRENFP, raha nivory niaraka tamin’ireo mpikambana tetsy Mahamasina io omaly io mba hanamboarana ny antontan-taratasy ho fanondrotana sokajy faha-4 ireo sokajy faha-3 teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima Manampy hatrany ny mpiara-belona

05/11/2016

Finoana iray anisan’ny manome lanja ny fiompiana sy ny fambolena ny Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima tarihin’i Cohen Bera.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakan’i Baroa !

05/11/2016

Fitsaram-bahoaka sy fifamonoana izao no malaza. Mampametra-panontaniana hoe mbola Malagasy ve no miaina eto amin’ity firenena ity sa efa karazan’olona hafa? Fatratra amin’ny fitandroana ny hasin’ny aina isika saingy fiarahamonina lian-dra no misy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana