Dans la męme rubrique

Apostoly Marc Tatandraza Amin’ny volana desambra no handao tanteraka ny tany

10/10/2017

Amin’ny volana desambra ho avy izao vao tena handao tanteraka ny tany ny Apostoly Marc Tatandraza.

Apostoly Marc Tatandraza Amin’ny volana desambra no handao tanteraka ny tany

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny Kolejy Teolojika Manome toky ny FJKM Ravalomanana

09/10/2017

Niatrika ny famaranana ny fihaonamben'ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana notanterahina teto tao amin’ny Kianja Monisipaly Antanetibe Mahazaza ny filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM, Marc Ravalomanana omaly.

Fananganana ny Kolejy Teolojika Manome toky ny FJKM Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

20 taona ny FMFoi Hifady hanina haharingana ny pesta, hanao asa soa ho an’ny fiarahamonina

06/10/2017

Hankalazaina amin’ny 15 oktobra ho avy izao ny 20 taona nitsanganan’ny FMFoi na Feo Maherin’ny Finoana. Amin’izao vanim-potoana tena hisian’ny ny pesta eto amintsika izao, hoy ny apôstôly Benjamina, mpanangana ny FMFoi, dia ilaina tanteraka ny mivavaka ho an’ny firenena.

20 taona ny FMFoi Hifady hanina haharingana ny pesta, hanao asa soa ho an’ny fiarahamonina

Hamaky ny tohiny...

Silamo Ahmadiyya Madagasikara Nahatontosa ny «Jalsa Salana» 2017

02/10/2017

Nanatontosa ny «Jalsa Salana» andiany faha-13 teny Andavamamba ny 29 sy 30 septambra 2017 teo ny fikambanana silamo Ahmadiyya eto Madagasikara.

Silamo Ahmadiyya Madagasikara Nahatontosa ny «Jalsa Salana» 2017

Hamaky ny tohiny...

FJKM Betela Fitiavana Mahatsinjo Vita ilay tilikambo mirefy 24 metatra

02/10/2017

Tilikambo mirefy 24 m nandaniana vola 20.000.000 ariary no tsangambato fanamarihana ny faha-110 taona niorenan’ny fiangonana Fjkm Betela Fitiavana Mahatsinjo Morarano Chrome.

FJKM Betela Fitiavana Mahatsinjo Vita ilay tilikambo mirefy 24 metatra

Hamaky ny tohiny...

Marc Tatandraza Hihaona amin’ny filoham-pirenena

30/09/2017

Ambivitra ny fotoana hialan’i Marc Tatandraza na Apostoly Tatandraza, eto ambonin’ny tany.

Marc Tatandraza Hihaona amin’ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

JMJ 2018 Tanora iray hetsy no andrasana ao Mahajanga

14/09/2017

Nigadona tao Mahajanga omaly hariva ny Lakroan’ny JMJ IX amin’ny maha mpampiantrano ny Fihaonamben’ny tanora ity tanànan’ny voninkazo ity amin’ny taona 2018.

JMJ 2018 Tanora iray hetsy no andrasana ao Mahajanga

Hamaky ny tohiny...


Finoana

Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra Tsy afaka am-pon’ny mpino Katolika

11/01/2017

Fito taona katroka ny alatsinainy 9 janoary lasa teo ny nahafatesan’ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra, fantatra tamin’ny fitarihana ny fiangonana Katolika teto Madagasikara.

Ny 9 janoary 2010 izy no nodimandry tany Mahajanga teo amin’ny faha-85 taonany. Oloben’ny finoana sy ny fiangonana Katolika teto amintsika ity kardinaly efa nodimandry,  izay efa nitana ny toeran’ny Arsevekan’Antananarivo ny taona 1994 ka hatramin’ny taona 2005 ity. Fantatra tamin’ny herim-po sy ny fotokevitra tsy azo hozongozonina ny tenany, ka hahatadidiavan’ny maro azy ilay foto-kevitra tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fampiasana ny kapaoty, ho an’ny mpino katolika sy ny Malagasy manontolo mihitsy. Hatramin’ny fodiamandrin’ity kardinaly nalaza ity dia tsy mbola nisy hatramin’izao ny fanendrena kardinaly ho an’i Madagasikara, izay ny foiben’ny fiangonana katolika amin’ny alalan’ny Papa François no tompon-teny farany amin’izany. Na dia nivadibadika aza ny volana sy ny taona dia tsy afaka am-pon’ny Katolika ity mpitondra fivavahana nanana ny naha izy azy ity, ka tsy mandalo fotsiny ho an’ny mpino izao fitsingerenan’ny taona nahafatesan’ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra izao, fa misy ny hetsika ara-pinoana isan-karazany hanamarihana azy. Anisan’ny misongadina ny lamesa lehibe tanterahina any Mahajanga anio alarobia 11 janoary 2017.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana