Fil d'actualités du 17/12/2017

  • 17/12/2017 - 23:00 : MAHAJANGA: Tovolahy mpangalatra finday iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Mahabibo Mahajanga androany alahady 17 desambra tamin'ny 8 ora alina, ka tsy mahatsiaro tena.

  • 17/12/2017 - 13:00 : MARC RAVALOMANANA: Niara-niombom-bavaka ho fankalazana ny jobily faha-150 taonan'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy faha 500 taonan'ny Reformasiona tany Ambohitsimanova Betafo ny filoha teo aloha mivady androany.

  • 17/12/2017 - 12:00 : ZANDARIMARIAM-PIRENENA: Nodimandry ny androany maraina tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany ny Jeneraly Randrianazary, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria tamin'ny andron'ny Tetezamita.

  • 17/12/2017 - 11:00 : IKONGO: Mpitandro filaminana miisa 9 no mbola karohina noho ny fivadihan'ny fiara nitondra azy ireo noho ny tosiky ny rano teo amin'ny "radier" ao Agnila omaly.

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171005

Misongadina

Fitondrana HVM sy CUA Raikitra ny ady

05/10/2017

Mihetsiketsika mafy ny antoko HVM sy ny mpiara-dia aminy eto Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny faritra sy ny distrika ary ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly no lehiben’ny fihetsiketsehana rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Orinasa TIKO Hakaton’ny fanjakana ?

05/10/2017

Resaka nandeha be omaly hariva teto an-drenivohitra ny fanakatonana ny orinasa Tiko naorin’i Marc Ravalomanana. Araka ny voalaza dia fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny komity manokana ivondronana minisitera maromaro izy io.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana