Fil d'actualités du 24/06/2017

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

  • 23/06/2017 - 12:00 : Fitondrana volabe atsokosoko: Mpivady Malagasy voasambotra any amin'ny Nosy Maorisy noho ny fitondrana volabe mitentina manodidina ny 267 tapitrisa ariary, izay tsy nanaovana fanambarana tamin'ny manam-pahefana. Nogiazan'ny manam-pahefana Maorisianina ireo volabe ireo.

  • 23/06/2017 - 11:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena _Ahiana ny fanakorontanana: Nisy trakta niely teny Mahamasina sy ny manodidina ary milaza ny tsy tokony handehanana ao amin’ny kianja amin’ny 26 jona fa misy mitady hanakorontana indray. Efa tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana izany vaovao izany saingy somary nokobonina ihany sao angamba mitondra savorovoro ho an’ny olona. Na izany aza misy ny fanadihadiana mangingina mandeha amin’izao fotoana.

  • 23/06/2017 - 11:00 : CEPE: Rahapitso 24 jona no hanaovana ny ady hevitra amin'ny naoty farany ambany hahafahana manafaka ny mpiadina na ny "Déliberation" ho an'Antananarivo Renivohitra. Ny alahady 25 jona izao no tombanana hivoahan'ny valim-panadinana CEPE manerana ny Nosy, raha ny fanomezam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Azo jerena ao amin'ny tranokalan'ny Minisitera sy ny pejy "facebook" ny valim-panadinana. Azo atao ihany koa no mandefa ny laharan'ny mpiadina amin'ny alalan'ny hafatra fohy na "SMS" amin'ny laharana 606 hahafahana mamantatra ny valim-panadinana.

  • 23/06/2017 - 10:30 : Marc Ravalomanana: Anio 23 jona no fotoana voatondro hihaonan'i Marc Ravalomanana mivady sy ny delegasionina miara-dia aminy hihaonana amin'ireo Malagasy mpila ravinahitra any Canada, ka ao Montréal no hanatanterahana izany.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170110

Misongadina

Marc Ravalomanana Tafaverina ny fiarany

10/01/2017

Miverina tsikelikely aminny tompony ireo fiaranny orinasa Tiko sy ny fianakaviana Ravalomanana nisy naka na nandroba tao anatinny fanonganam-panjakana 2009, taorianny antso nataony taminny taon-dasa hamerenana ny fanananny Tiko nisy naka.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kajikajy politika Fifidianana depiote no hatao mialoha...

10/01/2017

Ankatoky ny fanomanana ny fifidianana eto aminny firenena isika aminizao fotoana izao

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pirenena Hajao ny lalna, hoy ny KMF CNOE

10/01/2017

Andro main-tany ihany no tokony hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena dia ny faranny taona 2018, hoy ny tomponandraikitra avy eo anivonny komity mpanara-maso ny fiainam-pirenena na ny KMF CNOE, Raharisoamalala Patricia.

Hamaky ny tohiny...

Pety Rakotoniana Mpamafy lainga i Mahafaly Olivier

10/01/2017

Nitondra ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena i Pety Rakotoniaina, filoha nasionalinny Antoko Tambatra, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Randriamiarisoa Joseph Tsy misy fanjakana eto

10/01/2017

Mijanona ho resabe fotsiny ireo voambolana voizina momba ny fitantanana firenena eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny MAPAR Tsy vonona ny hihavana mihitsy

10/01/2017

Nasehoni Andry Rajoelina sy ny vondrona MAPAR tarihany taminny tsy fahatongavanizy ireo teny Iavoloha nandritra ny lanonana fifampiarahabana ny zoma 6 janoary lasa teo indray fa tsy vonona ny hihavana izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Manampatra sahady ?

10/01/2017

Manakory indray ry Jean a ! Fa ahoana ihany no hanaovantsika ity taona ity e ? Ny debanareo anie, hono, mba te hanao azy hoe fisandratana e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tsy fahampian'ny rotsakorana Ritra ny reniranonIkopa

10/01/2017

Tafakatra hatrany aminny 31C ny maripana ambony indrindra eto Antananarivo. Tsy ampy ny rotsakorana, izay misy fiantraikany betsaka aminny fiainanny mponina mihitsy. Ritra hatraminny reniranonIkopa

Hamaky ny tohiny...

Me Razafimanantsoa Hanitra Nanolotra ordinatera ho anny Boriborintany I

10/01/2017

Nanolotra solosaina miisa dimy miaraka aminny kojakoja ho anny Boriborintany voalohany, omaly alatsinainy 9 janoary, ny solombavambahoaka voafidy tao aminny Distrika Antananarivo I, Me Razafimanantsoa Hanitra.

Hamaky ny tohiny...

Sendikanny mpiasam-panjakana F3M Tsy faly amin-dRajaonarimampianina

10/01/2017

Tsy nahomby ary tsy nahafa-po ny mpiasam-panjakana ny kabarinny Filoham-pirenena nandritra ny lanonam-be fiaraha-misakafo noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2017 natao teny Iavoloha ny 6 janoary teo.

Hamaky ny tohiny...

Zandary sy dahalo Hihamafy ny gidragidra

10/01/2017

Hihamafy ny gidragidra ! Izay no azo ilazana ny fifandonana eo aminny zandarimariam-pirenena sy ny dahalo mpangalatra omby manerana ny nosy aminity taona 2017 ity raha ampifandraisana ny tatitra avy eo anivonny zandarimariam-pirenena mikasika ny vokatra tamininy 2016

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Adiny 3 ny delestazy halina

10/01/2017

Nampiteny ny moana ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo Renivohitra omaly.

Hamaky ny tohiny...

Me Hanitra Razafimanantsoa Nirotsaka nanadio anAnalakely

10/01/2017

Nanatanteraka fanadiovana faobe teny aminny boriborintany voalohany omaly alatsinainy 9 janoary 2017 ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy teny aminity

Hamaky ny tohiny...

Salon de ltudiant Hatao ny 12 sy 13 janoary izao

10/01/2017

Mbola betsaka aminireo tanora vao afa-panadinana Bakalrea hatreto no tsy mahita na mahalala akory izay sekoly ambony azo antoka tokony hanohizany ny fianarany.

Hamaky ny tohiny...

Tranom-printim-pirenena Fahombiazana ny taona 2016

10/01/2017

Fahombiazana tanteraka ny taona 2016 ho anny tranom-printim-pirenena etsy Ambatomena.

Hamaky ny tohiny...

Tarika Spesialista Hamoaka raki-kira Best of tena raitra

10/01/2017

Tsy handalo fotsiny ity taona vaovao 2017 ity ho anny tarika Spesialista. Fomba fiasa sy fijery vaovao ihany koa mantsy no hoentiny hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy azy raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Hugues lehibenny tarika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Alamino tsara e !

10/01/2017

Na dia mbola misy ihany aza ny fifampiarahabana isaky ny faranny herinandro noho ny taom-baovao dia efa fotoananny asa tanteraka aminizao herinandro faharoanny volana janoary izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana