Fil d'actualités du 21/01/2017

  • 21/01/2017 - 18:40 : Donald Trump: Vita omaly ny fianianan'ny filoha amerikanina vaovao Donald Trump hitantana an'i Etazonia mandritra ny 4 taona manaraka. Vahiny manan-kaja 7 hetsy no nanatrika izany. Nahatratra 200 tapitrisa dolara kosa ny tetibola nolaniana tamin'ny lanonana ofisialy fandraisan'ity filoha amerikanina faha-45 ity ny fahefana.

  • 21/01/2017 - 17:40 : Hetsika SIRHA: Nisokatra androany ao Lyon ny hetsika SIRHA(Salon International de la Restauration, de L'Hottellerie et de l'Alimentation). Orinasa Malagasy 9 no mandray anjara any an-toerana mandritra ny 5 andro.

  • 21/01/2017 - 17:10 : Ambatondrazaka: Hatomboka ao Ambatondrazaka rahampitso alahady ny fandrotsahan'ireo teknisianina avy amin'ny foibe mpamantatra ny toetrandro orana. Feno mantsy ny fepetra ahafahana manatanteraka, hoy ny tale jeneralin'ny meteo. Ezahina ny hanitatra izany eto Antananarivo izay heverina ny mbola tsy hisian'ny orana voajanahary amin'io herinandro hitsidika io.

  • 21/01/2017 - 16:40 : Sekolim-panjakana: Miova manomboka izao ny mari-pahaizana takiana amin'ny sekoly ambony miankina amin'ny fanjakana, araka ny tapaka nandritra ny fikaonandohan'ireo lehibe sy rektoran'ireo sekoly ambony eto Madagasikara. Ireo manana diplaoma Master II manaraka ny rafitra LMD no afaka mifaninana.

  • 21/01/2017 - 16:10 : Anjerimanontolo: Tontosa ny fikaonandohan'ireo filoha sy rektoran'ny sekoly fampianarana ambony. Fanapahan-kevitra nivoaka tao ny fampitoviana ny alimanakan'ireo anjerimanontolo. Hiditra ny voalihan'ny volana febroary 2017 avokoa ny oniversite. Hifarana ny volana desambra kosa ny fandaharam-pianarana iombonana.

  • 21/01/2017 - 15:40 : Ariary Malagasy: Nahazo aina ny vola Ariary Malagasy hatramin'ny nanombohan'ny taona 2017. Niabo 58 ny sandany mihoatra amin'ny euro iray ary 118 kosa raha mitaha amin'ny dolara. Anton'io ny fidiram-bola vahiny avy amin'ny fanondranam-bokatra toy ny lodsia sy ny lavanilina.

  • 21/01/2017 - 15:10 : Lalampirenena: Efa mandeha ny fifampiresahana mikasika ny trosa fandoavana ireo haba fikojakojana lalana, hoy ny minisitry ny Asa Vaventy Razafimandimby Eric. Tanjona ny hikojakoja lalana mirefy 10.805km amin'ity taona 2017 ity, araka ny nambarany.

  • 21/01/2017 - 14:40 : Kianja Barikadimy: Nanomboka omaly ny fametrahana ireo ahi-maitso artifisialy ao amin'ny kianja filalaovam-baolina Barikadimy. Hahazo ny fankatoavan'ny federasionin'ny baolina kitra iraisampirenena amin'ity taona ity io fotodrafitrasa fahatelo taorian'ny kianja Rabemananjara sy Carion io, hoy ny federasionina Malagasin'ny baolina kitra.

  • 21/01/2017 - 14:10 : Firenena mikambana: Nanao jery todika tomban'ezaka ny taona 2016 ireo sampanasan'ny Firenena mikambana miasa eto Madagasikara. Hiompana betsaka kokoa amin'ny fitsinjovana sy fanampiana ireo mponina tena sahirana ao amin'ny tapany Atsimon'ny nosy ny asa hosahanin'izy ireo amin'ity taona 2017 ity.

  • 21/01/2017 - 13:40 : Banky iraisampirenena: Mihevitra ny hanome vola 400 tapitrisa dolara an'i Madagasikara araka ny fampanantenana nataony tamin'ny fikaonandohan'ireo mpamatsy sy mpampiasa vola ny volana desambra 2016 ny Banky iraisampirenena amin'ity taona 2017 ity. Fanampiana hifantoka amin'ny tohana ara-tsakafo sy ny famokarana herinaratra miainga avy amin'ny sehatra tsy miankina.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170109

Misongadina

Madagasikara Ahiana ho lasaníny Sinoa

09/01/2017

Mivahiny eto Madagasikara nanomboka ny sabotsy 7 janoary 2017 lasa teo ny minisitry ny raharaham-bahiny Sinoa Wang Yi.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajaonah Andrianjaka ďTsy azo antenaina intsony ny fitondrana HVMĒ

09/01/2017

Raha ny fanazavana nomeníny filohaníny antoko politika Otrikafo, Rajaonah Andrianjaka,

Hamaky ny tohiny...

Fanovana governemanta Roland Ratsiraka no voalohany ?

09/01/2017

Misoko miadana ny kajikajy isan-karazany aminíny fifidianana aminíny taona 2018. Mivoaka tsikelikely ny resaka aminíny ho firotsahaníi Roland Ratsiraka,

Hamaky ny tohiny...

Razanamahasoa Christine Kabary volan-kakafotra ny aníny filoha

09/01/2017

Tsy mbola mitsahatra mihitsy hatreto ny aminíny fanehoan-kevitra samihafa taorianíny kabary nataoníny filohaníny Repoblika Hery Rajaonarimampianina farany teo teny Iavoloha taminíny zoma 6 janoary 2017 lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Latsaka mbaminínyÖ.!

09/01/2017

Manao ahoana ry Jean a ! Ahoana indray izany sinemanareo mianakavy nikoropaka izany fa hoe maro ny handao ny seza amam-boninahitra atsy ho atsy ity e ?

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

BUCAS Antanimena Hampirisika aminíny asa famokarana

09/01/2017

Zina ny taona 2016 lasa teo ho aníny birao mpandrindra ny asa sosialy eto Antananarivo na ny BUCAS satria dia tratra ny tanjona, hoy ireo tomponíandraikitra ary mihoatra izay novinavinaina aza.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana Hiverina an-tsekoly indray ny mpianatra

09/01/2017

Vita hatreo ny fialantsasatry ny Noely. Hisantatra ny telo volana faharoa indray ny ankamaroaníny mpianatra manomboka anio, indrindra ny aminíny sekolim-panjakana. Hiditra aminíny tena votoatiníny fianarana aminíizay ny mpianatra manomboka eto.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Voafehy ny fahadiovaníny tanŗna

09/01/2017

Niova tokoa Antananarivo. Manana mpitantana tena tomponíandraikitra. Isan-taona toy izao dia miakatra ny feo, ary saika lohatenin-gazety isaníandro ny fako mivangongo etsy sy eroa ary koa ny fofona aterany

Hamaky ny tohiny...

Minisiteraníny mponina Tokantrano ana hetsiny misitraka ďVatsiníankohonanaĒ

09/01/2017

Taorianíny fahataperaníny taom-piasana 2016, dia misy ny tombaníny asa vita ho aníny minisiteraníny mponina, izay tarihiníny minisitra Onitiana Really.

Hamaky ny tohiny...

Retirety eo aminíny faha-65 taona Miteraka adihevitra be

09/01/2017

Mikorontana ny sainíireo mpiasam-panjakana am-perinasa taorianíny fanambaraníny minisitry ny Fitantanana sy Tetibola Rakotoarimanana Gervais ny alakamisy 29 desambra 2016 fa mihemotra ho 65 taona ny fotoana fisotroan-dronono ho aníny fonksionera.

Hamaky ny tohiny...

Tarika Spesialista Hamoaka raki-kira ę Best of Ľ tena raitra

09/01/2017

Tsy handalo fotsiny ity taona vaovao 2017 ity ho aníny tarika Spesialista. Fomba fiasa sy fijery vaovao ihany koa mantsy no hoentiny hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy azy raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Hugues lehibeníny tarika.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fampiasana telefŰnina any am-piangonana ďAoka izay !Ē, hoy ny filohaníny Fjkm

09/01/2017

Nanao antso avo ho aníny mpino Fjkm rehetra manerana ny nosy ny filoha am-perinasaníny Fjkm, ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa ny sabotsy lasa teo teny Ilafy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy tetezamitatra faÖ

09/01/2017

Hiitatra daholo ! Izay no fikasaníny avy ao anivoníny fitondram-panjakana mikasika ireo raharaha rehetra heverina fa mitana ny hoaviníity firenena ity sy ny fitohizaníainíireo mpiara-belona heverina fa nahitaníireo tanora ankehitriny masoandro.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana