Fil d'actualités du 21/07/2017

  • 21/07/2017 - 16:30 : Cosafa U17 _Madagasikara # Zambie: Resy tamin'ny isa mavesatra 7-1 ny Barean'i Madagasikara tamin'ity lalao voalohany natao androany ity.

  • 21/07/2017 - 15:30 : Cosafa U17 _Madagasikara # Zambie: Tapitra ny fizaram-potoana voalohany. Mitarika amin'ny isa mavesatra amin'ny 6-0 ny Zambianina amin'izao fotoana izao.

  • 21/07/2017 - 15:00 : Baolina kitra Afrikanina: Ho lasa 24 ireo ekipam-pirenana afaka handray anjara anjara amin’ny CAN raha to aka 16 izany teo aloha, arak any fanapahan-kevitry ny filankevi-pitantanan’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra.

  • 21/07/2017 - 14:00 : Antoko Tiako i Madagasikara _Fanamarihana ny tsingerin-taona faha-15: Tafapetraka androany teny amin'ny prefektiora ny fangatahana fahazoan-dalana hankalazana ny tsingerin-taona, ka ao amin'ny kianjaben'i Mahamasina no hanatanterahana izany ny 29 jolay izao. Nosafidiana io daty io satria izay vao nivoaka ny didy fa nandresy tany amin'ny Filan-kevi-pankajana (Conseil d'Etat) ny Tiako I Madagasikara.

  • 21/07/2017 - 13:15 : Jirama: Tsy maintsy hiroso amin’ny fanapahana jiro ny Jirama rahampitso 22 jolay manombomka amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 5 ora tolakandro, ka mampandre ny vahoaka ho an'ny faritra Ambatomirahavavy, Akafotra, Ambohitrakatso, Ambiatibe, CR Ankazondandy, CNP Ankazondandy, Ambondrona ary Ambohijatovo.

  • 21/07/2017 - 12:30 : Ambatondrazaka _Tsenabe Tangorogna: Androany ny lanonam-panjakana ofisialy amin'ny fanatanterahana ity tsenabe ity, ka any an-toerana ny Praiminisitra sy mpikambana maromaro ao anatin'ny governemanta. Mahatratra hatrany amin'ny 70 kosa ireo tranoheva amin'ity tsenabe ity.

  • 21/07/2017 - 12:00 : Lalaon'ny Frankofonia: Hosokafana amin'ny fomba ofisialy anio hariva ity lalao goavana hatao any Abidjan Côte d'Ivoire manomboka anio 21 jolay ka hatramin'ny 30 jolay ity. Ny filoha Malagasy amin'ny maha filohan'ny Frankofonia na ny OIF azy no hitarika ny lanonana. Efa hatry ny omaly no nahatongavany any an-toerana, ka ny filoha Ivorianina Alassane Ouattara sy ny Sekretera jeneralin'ny OIF Michael Jean no nitsena azy teo am-pahatongavana.

  • 21/07/2017 - 11:30 : Fiaraha-miasa Japon-Madagasikara: Delegasionina avy amin'ny Governemanta Japonais sy mpandrahara goavana hatrany amin'ny 30 no avy eto Madagasikara rahapitso 22 jolay ka hatramin'ny 25 jolay, hiatrika ny Fikaonadohan'ny Sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, ka isan'ny horesahina ny momba ny fotodrafitrasa avo lenta, toy ny fanavaozana ny seranantsambon'i Toamasina.

  • 21/07/2017 - 11:00 : Moramanga _Rahara lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 5: Sazy mihatra 2 taona an-tranomaizina sy lamandy mitentina 100 tapitrisa ariary no sazin’ilay saofera metsisy karana mamon’ny zava-mahadomelina ka nanitsaka olona tao Moramanga tamin’ny febroary 2016 teo. Olona 5 no namoy ny ainy ary nisy polisy am-perinasa. Tsy afa-po tamin’ny didy izay nivoaka tany amin’ny Tribonalin’I Toamasina ny mpitory ary hampiakatra fitsarana ambony.

  • 21/07/2017 - 10:30 : Lapan'ny Tanana Analakely _Fizahana ara-pahasalamana: Ao anatin'ny fanatanterahana ny hetsika "Salon de l'Entrepreneuriat et de l'Emploi" tanterahaina eny an-toerana manomboka anio dia mifanindran-dàlana amin'izany ihany koa ny hetsika fitiliana ny otrik'aretina VIH sy torohevitra ara-pahasalamana maimaimpoana.

Voir plus d'infos...

21/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170107

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Nanadio tena fotsiny

07/01/2017

Nanarina ny kabary fohy nandiso fanantenana ny vahoaka Malagasy nataony ny alinny faranny taona 31 desambra 2016 ny filohanny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Honor Rakotomanana Tsy misy amboninny lalna eto

07/01/2017

Efa mahazatra ihanymoa eto Madagasikara izay firenenny eny aman-tsoratra ny sarisarin-teny any anaty kabary ofisialy, ary dia sakamalaho sy havozo ary samy manana ny hanitra ho azy tokoa ireo rehetra nifandimby nikabary taminny fitondrana nifanesy teto ; indrindra moa fa rehefa aminny asaramanitry ny volana janoary

Hamaky ny tohiny...

Fety be teny Iavoloha Nokianin'ny Wake up Madagascar

07/01/2017

Na dia somary nangina tanteraka aza ny teto an-drenivohitra omaly noho ny fisianilay fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovanny filoham-pirenena mivady taminireo ambasadaoro sy tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny dia tsy nanakana ny fikambanana Wake Up Madagascar tsy hanao hetsika izany.

Hamaky ny tohiny...

Fanapariaham-pahefana Ilaina hatsangana ny fikambanambenny benny tanna

07/01/2017

Hanampy ani Madagasikara eo aminny lafiny fanapariaham-pahefana ny CGLU (Cits et Gouvernements Locaux Unis dAfrique). Lalana iray ahatongavana aminizany ny firaisankinanireo mpitondra tomponandraikitra akaikinny vahoaka, hoy ny tale eto Afrika Atsinanana Dr Juma M

Hamaky ny tohiny...

Randriamamiarizafy Ignace Aoka hifanaja ny mpitondra sy ny mpanohitra

07/01/2017

Fotokevitra hijoroako ary hoentiko mamakivaky ity taona vaovao 2017 manotolo ity, hoy Atoa Randriamamiarizafy Ignace mpikambana fahiny tao amin'ny Kongresin'ny Tetezamita avy amin'ny ankolafy Ravalomanana, ny hoe :

Hamaky ny tohiny...

JAMES RATSIMA Tsy mbola mahaleo tena mihitsy isika

07/01/2017

Misarika ny sainny vahoaka Malagasy sahady aminizao fiandohanny taona vaovao 2017 izao ny profesora James Ratsima, filoha mpanorina ny fikambanana Asandratro ny fireneko.

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANDOHARANOFOTSY Miroso mankany aminny fampandrosoana hatrany

07/01/2017

Taom-pahombiazana taminny ankapobeny ny taona 2016 ho anny kaominina Andoharanofotsy. Betsaka ireo asa efa vita raha araka ny fanazavanny Benny tanna Ranirison Hasina,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Hafa mihitsy

07/01/2017

Arahabaina jean fa dia vita tsara ny fety aman-danonana aaaary mba tsotsotra fiaingo kosa aloha madama omaly ee, mety ireny jean a

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Taona 2016 Nandamoka ho anny vahoaka Malagasy

07/01/2017

Taonanny asa ny 2016, hoy ireo mpandaha-teny nifandimby teny aminny lapam-panjakana Iavoloha omaly.

Hamaky ny tohiny...

TAXI-BE ANI MAHITSY Leo ny teny ratsinireo mpamily ny eny Antohomadinika

07/01/2017

Ela ny ela fa leonny teny ratsinireo mpamily sy ny tabatabanizy ireo ny FokontaninAntohomadinika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mbola be ny asa miandry

07/01/2017

Tsy misy aza moa manantena, mainka moa fa hoe nitombo 7% ny karama dia mba velom-bolo ny mpiasam-panjakana; manantena sy manam-pinoana koa ny mpiasanny sehatra tsy miankina fa mba hahazo izany

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana