Fil d'actualités du 28/03/2017

  • 28/03/2017 - 12:30 : Vondrona Eoropeanina: Hatao eny amin'ny Tour Zital Ankorondrano, rihana faha-9 ny 31 martsa izao ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa miisa 5 mba ho fanampiana an'i Madagasikara sy fanarenana ny voka-dratsin'ny rivo-doza, izay nanaovana antso vonjy iraisam-pirenena. Miara-miombon'antoka amin'izany ny Croix Rouge Frantsay, CARE France, MEDAIR, Welt Hunger Hilfe (WHH), Dans Rode Kors (Croix Rouge Danoise) ary ny Croix Rouge Malagasy (Antananarivo).

  • 28/03/2017 - 12:00 : Orinasa Jirama _Kandida ho Tale jeneraly: Maherin'ny 70 ireo kandida nametraka ny antontan-taratasiny, ka miisa 3 ireo teratany vahiny. Hiroso amin'ny sivana avy hatrany ny kabinetra misahana izany. Ny filoham-pirenena kosa no voalaza fa hanao ny safidy farany miainga amin'ireo kandida 3 voalohany mivoaka amin'ny alalan'ny sivana.

  • 28/03/2017 - 11:45 : ONG BEL AVENIR Toliara: Nanomboka omaly 27 martsa ary tsy hifarana raha tsy ny 2 aprily ny asa sosialy tanterahin’ny ONG BEL AVENIR any Toliara ny fanentanana momba ny fisorohana ny voka aloha loatra sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo.

  • 28/03/2017 - 11:30 : 67 Ha _Fandrodanana trano: Amin'ity androany ity no hanatanterahana ny didim-pitsarana efa nivoaka tamin'ny taona 2011, ka hirosoana amin'ny fandrodanan'ny tompon-tany hatrehin'ireo vadin-tany ny trano miisa 70 eo ho eo eny 67Ha. Tsiahivina fa efa niteraka savorovoro teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny mponina izany ny faran'ny herinandro teo ary ahiana ny mety hisian'ny korontana anio.

  • 28/03/2017 - 11:15 : Fenoarivo Antsinanana _Fitsaram-bahoaka: Mpangalatra lavanila miisa 2 lahy indray no maty novonoin'ny olona. Mbola voarara tanteraka ny fiotazana lavanila amin'izao fotoana izao na misy masaka aza satria tsy mbola misokatra ny taom-piotazana.

  • 28/03/2017 - 11:00 : Fahantrana _Filaharana aty Afrika: Mitana ny laharana faha-26 amin'ny firenena miisa 54 i Madagasikara amin'izao fotoana izao.

  • 28/03/2017 - 10:45 : CENI: Nilaza i Hery Rakotomanana, Filohan'ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifidianana (CENI) fa vonona ny hametra-pialàna raha tsy mahatanteraka ny andraikitra nankinina taminy, dia ny fikarakarana fifidianana kendrena hotontosaina eto Madagasikara ny taona 2018, dia ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo hafa toy ny lehiben'ny faritra.

  • 28/03/2017 - 10:15 : Anosibe _Trangam-piarahamonina:Tovovavy iray tokony 14 taona nandoa rà ary tsy nahatsiaro tena omaly vokatry ny fihinana olatra misa poizina. Nentina teny amin'ny sampana vonjy taitran'ny hopitaly HJRA ny tenany ary avotra soa aman-tsara saingy mbola arahi-maso akaiky ny fahasalamany.

  • 28/03/2017 - 10:00 : Oniversiten'i Toliara: Nitokona nanomboka omaly ny mpampianatry ny anjerimanontolon'i Maninday Toliara, ka mitsahatra ny fampianarana any an-toerana amin'izao fotoana izao.

  • 28/03/2017 - 09:30 : CNEF "Conférence Nationale des Entités Fédéralistes":Hanatanteraka valan-dresaka arahina ady hevitra momba ny rafitra federalisma ny CNEF ny 30 martsa ary hanatitra fehezam-boninkazo eny Sonierana ho fahatsiarovana ireo mpitolona federalista notifirina izy ireo. Hanatitra fehezam-boninkazo ihany mandritra ny fanamarihana ny tolon'ny maherifo rahapitso 29 martsa.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170103

Misongadina

Marc Ravalomanana « Hanarina ny firenena isika »

03/01/2017

« Efa manana ny ampy aho ary mahalala onona…ny hanampiana ny Malagasy no antony namerenana indray ny Tiko AAA »

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpikambana ao amin’ny governemanta Nirary soa ny praiminisitra

03/01/2017

Sady fiverenana indray amin’ny asa aman-draharaha taorian’ny fialan-tsasatra no natokan’ny governemanta iarahabana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ny omaly alatsinainy

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Misy ny minisitra tezitra aminy

03/01/2017

Andrasana fatratra izay ho ventin’ny kabarin’ny filoham-pirenena ny zoma 6 janoary ho avy izao eny Iavoloha mandritra ilay lanonana fifampiarahaban’ny andrim-panjakana sy ny masoivoho eto amintsika

Hamaky ny tohiny...

Jean Nirina HAFARI “Tsy maty izany aho”

03/01/2017

Niely be tamin’ny tambajotran-tserasera facebook andro vitsivitsy lasa izay fa namoy ny ainy teny amin’ny fonjaben’Antanimora ny sabotsy 31 desambra lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Moramora e..

03/01/2017

Miarahaba anao ry jean a !mbola tsy tara kosa angamba raha mirary soa noho ny taom-baovao e.Ary tsy dia hita sy re firy intsony ianao tato ho ato izay ry jean a…

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Toetr’andro Mbola hitohy ny orana

03/01/2017

Tena nijojo ny orana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy omaly ary maro ny faritra dibo-drano ;

Hamaky ny tohiny...

Fako vita fety Henjana ny asa miandry ny kaominina

03/01/2017

Henjakenjana ny asa fanadiovana miandry ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) nanomboka omaly amin’ny fanalana ireo fako eto an-drenivohitra

Hamaky ny tohiny...

Lozam-piarakodia – RN 7 5 indray no namoy ny ainy

03/01/2017

Fiara telo be izao no nifandona tany amin’ny lalampirenena faha 7 teo Ilempona omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro

Hamaky ny tohiny...

Taona vaovao 2017 Tokony haompan’ny fitondrana amin’ny fampandrosoana

03/01/2017

Tokony haompan’ny fitondrana amin’ny resaka fampandrosoana tanteraka ity taona vaovao 2017 ity, hoy ny depiote Raherisoa Vololona voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Iarivo

Hamaky ny tohiny...

Cité Haras Toamasina Trano 50 may kila, olona 300 tsy manan-kialofana

03/01/2017

Nitrangana haintrano indray tao amin’ny Cité Haras bazary may Toamasina ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo tokony tamin’ny 11ora sy sasany ; fantatra fa labozia tao amin’ny efitranona tovolahy iray mamo no niaingan’ny afo.

Hamaky ny tohiny...

Ocean Dream Mitondra mpizahantany 1350 ao Tolagnaro

03/01/2017

Tonga ao Tolagnaro ny sambo goavambe Ocean Dream izay mitondra mpizahantany 1350 raha toa ka 388 olona kosa no mandrafitra ny ekipazy

Hamaky ny tohiny...

Nandritra ny fety Olona 7 namono tena, 15 toran’ny toaka

03/01/2017

Olona telo no namoy ny ainy tetsy amin’ny hôpitaly HJRA nandritra ny fety.

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana nandritra ny fety Olona folo indray no nitsikian’ny vintana

03/01/2017

Olona miisa folo indray no notoloran’ny Airtel fanomezana ny faran’ny taona teo tao anatin’ilay hetsika tanteraka ny nofiko nanomezan’izy ireo loka ho an’ireo tsara vintana.

Hamaky ny tohiny...

Tolagnaro ambony vohitra Mahasarika tanora maro ireo sekta

03/01/2017

Isam- pokontany dia ahitana fiangonana zandriny roa farafahakeliny. Ireo tanora sy ireo nidonam-pahoriana tamin’ny fiainana no hita fa mirona amin'izy ireny rah any ao Tolagnaro no resahana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ndao hivoatra

03/01/2017

Tsy re tsaika lasa, tsy re feo tonga…maro tamin’ireo manampahefana ambony Malagasy no efa manana fahazarana miala sasatra any ivelan’i Madagasikara rehefa tonga ny krismasy na ny taom-baovao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana