Fil d'actualités du 27/05/2017

  • 27/05/2017 - 09:00 : Fakana an-keriny: Mitaky volabe hatrany amin'ny 1 000 000 Euros ireo naka an-keriny ilay Karana Yanish Ismael, zanaky ny mpandraharaha tompon'ny La City eny Ivandry. Tsy fantatra hatramin'izao ny toerana misy io zanaka karana io ary tsy mbola nisy ny fitoriana napetraky ny fianakaviana noho ny tahotra ireo mpaka an-keriny.

  • 26/05/2017 - 16:00 : Fanatanjahantena _Taranja Tennis: Miisa ireo kandida hofidiana ho filohan'ny federasionina (FMT) hatao ny 3 mey izao eny amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina, ka ireto avy izy ireo: Stťphane Rakotondrainibe (Filohan'ny Federasionina 2010-2012); MananíIala Andriamalala (Talen'ny informatika eo anivon'ny CNAPS) ary Vincent Razafindratsimba.

  • 26/05/2017 - 14:45 : YALI Madagascar _Torolŗlana ho an'ny fitadiavana asa: Hisy ny hetsika antsoina hoe "DAY OF SHARING AND SOLIDARITY" eny amin'ny CCIA Antaninarenina rahapitso 27 mey amin'ny 8 ora 30 maraina ka hatramin'ny 4 ora 30 hariva. Isan'ny hampianarina amin'izany ny Teknika fitadiavana asa, Fizarana traikefa, Famatsiam-boala sy fiaraha-miobon'antoka,...

  • 26/05/2017 - 14:15 : Fifidianana solombavambahoaka Frantsay : Manasa ireo mpifidy Frantsay eto Madagasikara hifamotoana sy hihaona aminy eny aminíny Cafť de la Gare Soarano ny kandidaníny hetsika ę En Marche Ľ Amťlia Lakrafi ho aníny faritra Afrika Moyen-Orient nyalatsinainy 29 mey aminíny 7 ora hariva. Androany dia Antsirabe no tsidihin'ity kandida ity ka ao amin'ny Rťsidence des Hauts Plateaux izy no hifamotoana amin'ny mpifidy amin'ny 5 ora sy sasany hariva.

  • 26/05/2017 - 13:45 : Fizahantany _ITM andiany faha-6 : Hatao eny aminíny tanŗna Voara eny Andohatapenaka ny 8 jona ka hatraminíny 11 jona ny andiany faha-6 aminíny Foara Iraisam-pirenena mikasika ny fizahantany na ny ITM. Mpandraharaha an-jatony no hasaina ho avy eto ankoatra ireo mpanao gazety maro be. Hasaina manokana hitsidika aníI Madagasikara ny vahiny mialohaníny hanatrehany ny ITM eto an-dRenivohitra. Hatrany amin'ny 400 000 ny mpizahatany kendrena hitsidika an'i Madagasikara.

  • 26/05/2017 - 13:15 : Fanondranana zava-mahadomelina: Miakatra fitsarana anio ireo vehivavy 2 sy Afrikanina 4 tompon'antoka tamin'ny resaka fanondranana heroÔne 495g sarona teny Ivato ny 17 mey teo. Saika halefa tany Canada io zava-mahadomelina io.

  • 26/05/2017 - 12:45 : Antoko Tiako i Madagasikara: Nosokafana androany atrikasa momba momba ny hiatarika sy hifanomezam-baovao eo anivon'ny TIM, ka mitarika izany ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana. Ireo mpitantana ny TIM eny anivon'ny distrika na ny DISTIM no nomena ity fampiofanana ity.

  • 26/05/2017 - 12:15 : Teknolojia _ NEW TECH EVENT: Hatao ny 1 jona ka hatramin'ny 3 jona izao ny ny andianay voalohany amin'ity hetsika momba ny teknolojia vaovao, izay ay hanome vahana ireo tanora mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny NTIC. Hisy ihany koa ny fifaninana mamorona tranonkala ao anatin'ny 10 ora monja, ka ao anatin'ny andro hanaovana ny fifaninana vao hampahafantarina ny lohahevitra.

  • 26/05/2017 - 11:45 : Sainte Marie _Halatra lavanila : Lehilahy 1 sarona tao aminíny tanŗnaníAmbohitra teo am-pangalarana lavanila, ka nofatorana nandritra ny alina ary nentina tao an-tampon-tanŗna sy natolotra ny polisim-pirenena androany maraina.

  • 26/05/2017 - 11:15 : Antenimieram-pirenena : Ity andrim-panjakana ity no hiantoka ny fandaniana rehetra aminíny fikarakarana ny vantana mangatsiakaníny Solombavambahoakaníi Marolambo Laivao Nitadiavina, izay nodimandry tampoka teny aminíny ę Clinique Ľ iray teny Ankadifitsy noho ny fihetsehana tampoka teo aminíny aretina efa nitaiza azy.

Voir plus d'infos...

26/05/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161226

Misongadina

Krismasy 2016 Tantely amam-bahona

26/12/2016

Vita iny ny krismasy ! Samy nanana izay nanamarika azy iny ny fianakaviana isanisany avy. Ny tsikaritra dia somary vitsy olona tany am-piangonana ny aliníny 24 desambra, ary saika nanerana ny Nosy io.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Nirary soa ho aníny Malagasy rehetra

26/12/2016

Niara-nankalaza ny krismasy fandresena taminíny kristianina tao aminíny FJKM Imerinkasinina Fanasina omaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady.

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo Miandry izay hambaraníny HCC

26/12/2016

Tsy manana eritreritra hiara-hitantana amin'ny fitondrana ankehitriny ny antoko Malagasy Miara-Miainga raha ny nambaran'ny filoha nasionaliny, manoloana ny filazana fa fitadiavan-tseza no ataon'ny mpanohitra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI Handinika manokana ny raharaham-pirenena

26/12/2016

Taorianíny nanaterany ny antontan-taratasiny teny aminíny lapam-panjakana Iavoloha ny aminíny fahavononany hirotsaka ao anatiníny governemantaníny firaisam-pirenena dia hanatanteraka fihaonambem-paritra any Namakia,

Hamaky ny tohiny...

Depiote mamo Saika niharaníny hatezeram-bahoaka

26/12/2016

Nibirioka indray ny sasany taminíireo depiote.

Hamaky ny tohiny...

Fanatanterahana ny fifidianana Ny fitondrana sisa no tsy rototra

26/12/2016

Nihetsiketsika ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI nandritra ity taona 2016 ity nikarakara atrikasa sy fakan-kevitra tetsy sy teroa ho fanatsarana ny fifidianana rehetra ho avy eto aminíny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Krismasy nangidy !

26/12/2016

Milamina tsara ve ny fety ry Jean a ! Tena tsy nanananareo antra mihitsy mantsy ireny akaman-dry Jean kely ireny fa dia tanteraka tokoa ilay hoe :

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Dr Jean Louis Robinson Nankasitraka ireo mpianatra mendrika

26/12/2016

Nahazo fanomezana avy amin'ny Ben'ny tanŗnaníAmpasikely, Distrika Amparafaravola Dokotera Jean Louis Robinson mivady, ny zoma teo ireo ankizy mpianatra rehetra ao amin'ny kaominina iadidiany

Hamaky ny tohiny...

Hendratrendratra ny mpanjifa 2000 Ar no atobaky ny banky

26/12/2016

Nanomboka ny herinandroníny krismasy teo dia lelavola 2 000 Ariary sy 1 000 Ariary no omeníny banky ny mpanjifa na dia an-tapitrisany maro aza ny vola alaina.

Hamaky ny tohiny...

Ampandra Mitsivala Ahiana ho Soamahamanina Bis

26/12/2016

Taorianíny raharaha Soamahamanina, ka nisianíny fanoheraníny vahoaka ny fitrandrahana harena ankiboníny nataoníny orinasa sinoa tao, dia raharaha mitana ny sainíny maro koa izao ny any Tsarazaza Fandriana Faritra Amoroníi Mania sy ny any Ampandra Mitsivala any Ilakaka, Faritra Ihorombe.

Hamaky ny tohiny...

Hopitaly Befelatanana Zaza 8 no teraka omaly maraina

26/12/2016

Nipaika ny sasakaliníny 25 desambra dia nigadona teto an-tany tao aminíny hopitaly Befelatanana Randriamisaina Hasambarana Niriko.

Hamaky ny tohiny...

Fanaovam-beloma ny taona Hampirevy ry Voahirana

26/12/2016

Manana ny fandaharam-potoanany manokana entina hamalifaliana ny mpankafy ry Voahirana telo mirahavavy ahitana aníi Mamy ao aminíny tarika MR Razafy, Aurťlie ary Voahirana ny aliníny 31 desambra ho avy izao eny aminíny Art Tsakafo eny Ankadindravola, Ivato.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Very tantara

26/12/2016

ďRaha vao very tantara dia ho ratsy fiafaraĒ, hoy ny fampitandremaníny mpandinika fiarahamonina iray izay.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana