Fil d'actualités du 24/06/2017

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

  • 23/06/2017 - 12:00 : Fitondrana volabe atsokosoko: Mpivady Malagasy voasambotra any amin'ny Nosy Maorisy noho ny fitondrana volabe mitentina manodidina ny 267 tapitrisa ariary, izay tsy nanaovana fanambarana tamin'ny manam-pahefana. Nogiazan'ny manam-pahefana Maorisianina ireo volabe ireo.

  • 23/06/2017 - 11:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena _Ahiana ny fanakorontanana: Nisy trakta niely teny Mahamasina sy ny manodidina ary milaza ny tsy tokony handehanana ao amin’ny kianja amin’ny 26 jona fa misy mitady hanakorontana indray. Efa tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana izany vaovao izany saingy somary nokobonina ihany sao angamba mitondra savorovoro ho an’ny olona. Na izany aza misy ny fanadihadiana mangingina mandeha amin’izao fotoana.

  • 23/06/2017 - 11:00 : CEPE: Rahapitso 24 jona no hanaovana ny ady hevitra amin'ny naoty farany ambany hahafahana manafaka ny mpiadina na ny "Déliberation" ho an'Antananarivo Renivohitra. Ny alahady 25 jona izao no tombanana hivoahan'ny valim-panadinana CEPE manerana ny Nosy, raha ny fanomezam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Azo jerena ao amin'ny tranokalan'ny Minisitera sy ny pejy "facebook" ny valim-panadinana. Azo atao ihany koa no mandefa ny laharan'ny mpiadina amin'ny alalan'ny hafatra fohy na "SMS" amin'ny laharana 606 hahafahana mamantatra ny valim-panadinana.

  • 23/06/2017 - 10:30 : Marc Ravalomanana: Anio 23 jona no fotoana voatondro hihaonan'i Marc Ravalomanana mivady sy ny delegasionina miara-dia aminy hihaonana amin'ireo Malagasy mpila ravinahitra any Canada, ka ao Montréal no hanatanterahana izany.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161221

Misongadina

Augustin Andriamananoro Naverina eny am-ponja

21/12/2016

Nitana ny sainny maro ny raharaham-pitsaranny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra taminny andronny tetezamita Augustin Andriamananoro notanterahina teny Anosy omaly. Tsy nivoaka teo no ho eo ny didy fa aminny zoma 23 desambra izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mananontanona ny fanonganam-panjakana Mitampikitra aminny tafika Rajao

21/12/2016

Tsy kisendrasendra ny fanondrotana grady ireo miaramila maro be taminny alalanny filankevitry ny minisitra ny alatsinainy 20 desambra lasa teo, ka 62 be izao no nakarina galona. Kolonely 17 kolonely nasondrotra ho general de brigade.

Hamaky ny tohiny...

Finoana sy politika Niadian-kevitra tao Fianarantsoa

21/12/2016

Ho fitohizan'ny famelabelaran-kevitra momba ny fanaovana politika amin'ny fomba kristianina tontosa herinandro vitsivitsy izay, dia notanterahina tao Fianarantsoa ny 16, 17 ary 18

Hamaky ny tohiny...

Jean Nirina -filohanny HAFARI Navoaka hitsabo tena ivelan'ny fonja

21/12/2016

Navoaka hitsabo tena ivelan'ny fonja ny filoha nasionalin'y fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina, taorian'ny baikon'ny lehiben'ny fampanoavana etsy amin'ny Fitsarana Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena Tsy tokony hofaritanny lalna, hoy ny Rarivato

21/12/2016

Famaizana mandrava ny fihavanana no ambadiky ny lalna, hoy ny minisitra teo aloha, Roger Marie Rafanomezantsoa, izay nanangana ny fikambanana Rarivato.

Hamaky ny tohiny...

Ravelonarivo Jean Nangidy ho azy iny 2016 iny

21/12/2016

Nangina tanteraka na tsy mbola nanambara ofisialy aza fa hisintaka tanteraka aminny sehatra politika ny praiminisitra teo aloha, jeneraly Ravelonarivo Jean taorianny paipaika maloto nataonny tandapa nentina nanesorana azy tao Mahazoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mba mahandrasa andro zoma e !

21/12/2016

Miarahaba ry Jean a ! Ahoana indray moa ireny fihetsikareo teny Anosy tsy mahandry ny andro zoma ireny ? Efa lazaina aminareo fa aminny zoma indray ny tohinny tantara saingy ianareo dia tsy manan-katao afa tsy ny migarigana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanokafana ny Festival Sambaraha Tsy nipoitra ny PM Mahafaly Olivier

21/12/2016

Miteraka resabe ao an-drenivohitry ny Faritra Ansy hatramin'izao ny tsy nanatrehan'ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny fotoam-panokafana ny Festival Sambaraha ny sabotsy 17 desambra teo.

Hamaky ny tohiny...

Fanodinana ny fakonAndralanitra Eo am-piketrehana azy ny kaominina

21/12/2016

Nidina nijery ifotony ny olana sedrainireo fianakaviana miisa 300 mivelona ao aminny toby fanariana fako eny Andralanitra ny Benny TannanAntananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana omaly notroninny tale jeneralinny SAMVA sy ny solontenanny Mompera Pedro.

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana ny harem-pirenena Fanina hatraminny manampahaizana

21/12/2016

Resabe teo aloha teo ny mikasika ilay hoe 1% aminny tombony aminny fitrandrahana harena ankibonny tany ataonireo vahiny ihany no anjaranny fanjakana malagasy.

Hamaky ny tohiny...

KaomininAntehiroka Nijolofotra ny opration permis de construire

21/12/2016

Vitsy dia vitsy ireo nanohina ny antso taminny hetsika nokarakarainny kaomininAntehiroka tao anatinilay opration permis de construire

Hamaky ny tohiny...

Lapanny Fitsarana Anosy Saika hisy handoro

21/12/2016

Nisavorovoro ny teny aminny fitsarana Anosy omaly talata 20 desambra nitsarana ani Augustin Andriamananoro.

Hamaky ny tohiny...

ohitsara Analamahitsy Tapaka 5 andro ny rano

21/12/2016

Nanomboka taminny zoma teo aty aminny faritra Ambohitsara Analamahitsy izay misy ny rsidence dAlgrie dia tapaka ny rano nanomboka taminny zoma 16 desambra 2016 hatraminny omaly talata.

Hamaky ny tohiny...

Ady aminny aretina Sida Manentana sy manampy ny tanora ny Airtel

21/12/2016

Manampy sy manentana ny olon-drehetra aminny ady aminny aretina SIDA ny Airtel, indrindra fa ny tanora.

Hamaky ny tohiny...

Taksibe eto Antananarivo Lasa misy mpaka ra

21/12/2016

Niverina indray ny mpaka ra. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 55 taona no nisy naka ra tany anaty taksibe omaly maraina tokony ho taminny 7 ora sy 45 minitra raha iny nandray fiara tetsy 67 ha iny handeha hamonjy asa any BelAir Talatamaty.

Hamaky ny tohiny...

Vary plastika eny an-tsena Tsy misy izany, hoy ny minisiteranny varotra

21/12/2016

Mampiteraka ahiahy aminny mpanjifa ny fiparitahanny vary hafahafa izay antsoinny olona hoe vary plastika eny an-tsena aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pasitera Mailhol Homena mari-boninahitra anio

21/12/2016

Lanonambe ny an-dry zareo mpino eo anivonny fiangonana Apokalipsy anio. Hosalorana ny mari-boninahitra Commandeur de lordre National mantsy ny filohany.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Firenena inona loatra ?

21/12/2016

Vaovao nafampana sy nahasarika ny sainny ankamaroanny olona omaly ny fitsarana ilay mpanao politika iray nosamborina noho ny savorovoro nitranga tany Soamahamanina, telo volana lasa izay.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana