Fil d'actualités du 20/02/2017

  • 20/02/2017 - 07:20 : Raharaha "Lumina": Mandray an-tanana ny raharaha "Lumina" nanomboka ny alakamisy lasa teo ny fitsarana eto Antananarivo. Naiditra amponja vonjy maika avy hatrany ireo olona 14 voarohirohy taorian'ny fanadihadiana teny amin'ny fampanoavana Anosy izay naharitra ora 4 be izao ka mpivady tompon'ny sambo ny roa amin'izy ireo.

  • 20/02/2017 - 06:55 : Herisetra ara-pananahana: Hitsidika ireo toeram-pikarakarana olona niharan'ny herisetra ara-pananahana eto Madagasikara manomboka anio ny delegasionina borondey momba ny fahasalamana ahitana olona 12. Haka traikefa eto amintsika izy ireo mialohan'ny hametrahana toeram-pandraisana olona miisa 3 any amin'ny firenena niaviany, hoy ny avy amin'ny Unicef.

  • 20/02/2017 - 06:30 : Asa fanaovan-gazety: Nanao ny birao hitantana ny Vovonan'ny mpanao gazety ao Antsirabe. Lany ho filoha vaovao tamin'izany i Jean Caius Raharison izay handimby toerana an'i Mamy Andrianjafisolo. Laharam-pahamehana hoan'ny mpitantana vaovao ny fanamafisana ny firaisankina sy ny fahaiza-manaon'ny mpikirakira vaovao ao an-toerana.

  • 20/02/2017 - 06:05 : Tetikasa "Sacem": Hotontosaina anio eny amin'ny foiben'ny Ceni Alarobia ny fanaovan-tsonia ny tetikasa Sacem ( Soutien Au Cycle Electoral a Madagascar). Fanaovana rangopohy eo amin'ny filohan'ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana sy ny mpandrindra ny sampanasan'ny Firenena mikambana sady masoivoho maharitry ny Pnud eto Madagasikara.

  • 19/02/2017 - 19:05 : Baolina kitra:Tapitra teo ny dian'ny solontena Malagasy amin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika. Resin'ny Supersport United Afrika Atsimo tamin'ny isa 2 no 1 ny Elgeco Plus androany tolakandro tao Pretoria nandritra ny lalao miverina savaranonando. Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko ny roa tonta tamin'ny lalao mandroso teo Mahamasina herinandro lasa izay.

  • 19/02/2017 - 12:20 : Baolina kitra: Ny Coton Sport avy ao Cameroun no hifandona amin'ny Cnaps Sport amin'ny dingana manaraky ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika. Niondrika tamin'ny isa 2 no 3 nanoloana ny Township Rollers ny solontena Malagasy omaly nandritra ny lalao miverina tany Botswana. Efa nandresy tamin'ny isa 2 no 1 kosa tamin'ny lalao mandroso teny Vontovorona.

  • 17/02/2017 - 19:35 : Aretim-pivalanana: Nankatoavina omaly ny vokatry ny fanadihadiana mikasika ny rano fisotro madio, ny fahadiovana sy fidiovana na Glass. Nisongadina tamin'izany fa 35% ny tahan'ny Malagasy misitraka rano fisotro madio. 35% ihany koa ny salan'isan'ny zazakely tratran'ny aretim-pivalanana.

  • 17/02/2017 - 19:10 : Antoko politika: Noresahana nandritra ny atrikasa nokarakain'ny komity mitandro ny fahamarinana teny Ankerana omaly ny famatsiambolan'ny antoko politika. Sosokevitry ny Kmf/Cnoe ny famaritana mazava ny tetibola ampiasain'ny antoko politika mandritra ny fampielezan-kevitra. Tsara raha mitambatra ihany koa ireo antoko politika mitovy fijery sy firehana, hoy ity fiaraha-monina sivily ity.

  • 17/02/2017 - 18:45 : Fitaterana: Hisy ny fanavaozana ireo zotram-pitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina. Miketrika izany ny minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro amin'izao fotoana izao.

  • 17/02/2017 - 18:20 : Tetikasa "Alarm": Olona 15 no voasambotra ary sokatra 1.000 mahery no tafaverina vokatry ny tetikasa "Alarm" natomboky ny AVG (Alliance Voahary Gasy). Antom-pisian'ny tetikasa iarahana amin'ny fitsarana sy ny zandary ny famongorana ny fanondranana sokatra an-tsokosoko.

Voir plus d'infos...

17/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161216

Misongadina

Augustin Andriamananoro Nidoboka eny Antanimora

16/12/2016

Taorian地y nisamborana an段 Augustin Andriamananoro ny sabotsy lasa teo sy nitazonana azy tany Miarinarivo dia nampidirana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tenany rehefa nampandalovina teny amin地y fampanoavana Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

FFKM Manjaka eto ny kolikoly

16/12/2016

Hentitra ny fanambaran地y FFKM izay nivory tany Toamasina ny faramparan地y volana novambra lasa teo manoloana ny raharaham-piangonana sy ny fiainam-pirenena amin地y ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Fisamborana an段 Augustin Andriamananoro Fitsipahana ny fihavanana, hoy ny Mapar

16/12/2016

Nanoloana ny fisamborana ny mpikambana ao amin地y vondrona politika Mapar, Augustin Andriamananoro, dia namoaka fanambarana mikasika ny tsy fankasitrahan段zy ireo tetsy amin地y foibeny etsy Ambodivona, ity vondrona ity omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualit駸

Filohan地y HAFARI Malagasy Marary mafy ao am-ponja

16/12/2016

Marary mafy ao amin地y fonjaben但ntanimora amin段zao fotoana izao ny filoha nasionalin地y fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Fakon地y tan瀟an段 Toliara Hahodina ho zezika sy etona fandrehitra

16/12/2016

Am-perinasa ny foibe hanodina ny fakon地y tan瀟an段 Toliara ho lasa zezika sy hamokarana etona fandrehitra ary gazoala, ao Amboriha, Kaominin段 Belalanda, Toliara faha-2.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana