Fil d'actualités du 19/09/2017

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

  • 19/09/2017 - 11:55 : Fitaterana :efa eo am-pandinihana amin'izao fotoana ny fanamboarana lalamby mampitohy an'Antsirabe amin'i Fianarantsoa, eo ihany koa ny mampitohy an'i Fianarantsoa amin'i Toliara.Natao izany ho fanatsarana hatrany ny fifamoivoizana sy fifanakalozana amin'iny tapany atsimon'ny nosy iny.

  • 19/09/2017 - 09:50 : Vohipeno:Nahazo jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ny lapa Fenovola ao Vohipeno araka ny fampanantenana nataon'ny filohampirenena.Nanatitra izany tany an-toerana ny minisitry ny fitaterana Beboarimisa Ralava.Nomena Canalsat mba hahafahan'izy ireo manara-baovao ihany koa ireo Ampanjaka ao an-toerana.

  • 19/09/2017 - 09:45 : RN7:efa vita ilay déviation eo amin'ny toerana misy ny tetezan'i Vohiposa mba hahafahan'ireo fiaraka latsaky ny 3,5 taonina mifamezivezy.Eo am-panambarana ilay pont Bailey ihany koa izay apetraka vonjimaika any an-toerana ny ministeran'ny asa vaventy amin'izao fotoana.

  • 19/09/2017 - 09:15 : Olona 7 mpivarotra sy manaparitaka basy no voasambotry ny polisin'ny BC.Vehivavy ny 3 ary mpitandro filaminana ny iray.Eny amin'ny faritr'Ivato no fantatra fa tena iasan'izy ireo.Basy marika Beretta ireto tratra ireto, efa an-jatony ny basy naparitak'ireto mpanao trafika ireto araka ny fanazavan'ny polisim-pirenena hatrany.

  • 19/09/2017 - 09:05 : Vita amin'ny 75% ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato izay sahanin'ny Ravinala Airports.Tonga nizaha ny fizotry ny asa teny an-toerana omaly ny minisitra misahana ny tetikasan'ny filohampirenena Benjamina Ramarcel Ramanantsoa.

  • 19/09/2017 - 09:00 : Nivoaka omaly ny vola taratasy vaovao andiany faharoa tamin'ity taona ity dia ny 1000 ar,500 ar, 200 ar ary ny 100 ar.Hiara-kiasa amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ny Banky Foiben'i Madagasikara amin'ny fanentanana ny olompirenena mba tsy hisalasala amin'ny fampiasana ny vola vaovao.

  • 19/09/2017 - 08:55 : Tsy misy atahorana intsony ny fahasalaman'ireo kambana mirahavavy nitambatra taova ka nosarahana teny amin'ny Hjra.Ny aty sy taolan-tratra no nitambatra tamin'izy ireo.Nitarika ny ekipa mpandidy ny minisitry ny fahasalamana Lalatiana Andriamanarivo.

  • 19/09/2017 - 08:35 : Nihaona teny Ivandry omaly atoandro i Marc Ravalomanana sy ny profesora Zafy Albert.Tsy nisy ny fanambarana ofisialy saingy re fa niresaka momba ny raharaham-pirenena ny roa tonta.

Voir plus d'infos...

19/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161212

Misongadina

Augustin Andriamananoro Nosamborina teny am-pasana

12/12/2016

Vitan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny COMESA, tontosany ny Frankôfônia, ary farany teo dia nahazo fampanantenana famatsiam-bola mitentina 10 miliara dôlara avy amin’ny mpamatsy vola, dia io fa mamboly korontana nefa vao eo no niantsoantso sy nitalaholaho fitoniana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Efa mitsinjo lavitra

12/12/2016

Fety roa sosona ny an’i Marc Ravalomanana anio. Feno 67 taona katroka amin’ity 12 desambra 2016 mantsy ny tenany, ary anio ity ihany koa no hisokafan’ny tranombarotra Tiko “AAA”

Hamaky ny tohiny...

Raharaha radio Jupiter-Ilakaka Roalahy notanana am-ponja, karohina ilay mpanao gazety

12/12/2016

Mbola miafina fatratra amin’izao fotoana izao ny mpanao gazetin’ny radio Jupiter ao Ilakaka, Fernand Celo, raha ny vaovao naeliny tao amin’ny tambazotran-tranonkala iray ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Fisamborana an’I Augustin Andriamananoro Andrasana ny fanehoan-kevitr’I Andry Rajoelina

12/12/2016

Mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nisamborana an’I Augustin Andriamananoro, iray amin’ireo olona akaiky ny filohan’ny Tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Vonona hiatrika fifidianana

12/12/2016

« Vonona hiatrika ny fifidianana ho avy rehetra eo ny Arema saingy tokony hovaina ny lalampanorenana misy amin’izao hisian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ».

Hamaky ny tohiny...

Krizy 2009 Nampihisatra ny fanapariaham-pahefana

12/12/2016

Tena zava-dehibe ny nanindrian’ny filoha mpiara-mitantana ny AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien) vaovao Ravalomanana Lalao ny fiaraha-miasa matotra amin’ireo mpamatsy vola hampiova ny endriky ny tanàna sy ny fiainan’ny mponina ao aminy, hoy ny tompon’andraikitra mpitantana ny OPCI-FIFTAMA (Organisme Public de Coopération Intercommunale -

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ny atao no miverina

12/12/2016

Tsy sanatria manenji-dresy ry Jean fa ianareo izao no tonga amin’ilay fitenena hoe ny tody tsy misy fa ny atao no miverina a!

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Donald Trump Tsy mari-toerana sahady

12/12/2016

Izay tsikera tsy mahazo ny filoha amerikanina vaovao, Donald Trump, amin’izao fotoana izao no manenina. Ankoatry ny laza ho mivatambatam-piteny sy fihetsika izay efa nahafantarana azy fony mbola tsy kandida akory, nisy aza moa ny tsikera nandeha fa boto-fiaina mihitsy ity tompon’ny trano fotsy vaovao ity dia mitombo indray amin’izao fotoana izao ny vesatra hanenjehan’ny ankolafy isan-karazany ity filoha ity.

Hamaky ny tohiny...

Fitarafana taova Ny vehivavy no marisika manatona dokotera

12/12/2016

Anisan’ny fomba iray hahafahana mamantatra ny toe-pahasalaman’ny olona iray ny fitarafana ny taova any anaty, amin’ny alalan’ny « échographie » ohatra.

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana faran’ny taona Mpanjifa miisa 24 mampifalifalian’ny Airtel

12/12/2016

Mitohy hatrany ny hetsika « Tanteraka ny nofiko », karakarain’ny orinasam-pifandraisana Airtel entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa amin’izao ankatoky ny Krismasy sy ny fetin’ny faran’ny taona izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Mahajanga Vaky ny adin'ny samy Silamo

12/12/2016

Mafampana ny toe-draharaha ao Mahajanga ankehitriny. Raikitra ny adim-pinoana amin'ny samy Silamo, tsy nisy ankinafinafina intsony ny zoma lasa teo fa samy nivoaka naneho ny heviny nampiantso mpanao gazety ny Chiite sy ny Sunnite.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Efa lamaody

12/12/2016

Raha nahavaha olana angamba ny fanamelohana izay hetsika sy fihetsika nolazaina fa hoe : tsy manaja ny zon’olombelona na koa heloka bevava eo anatrehan’izao tontolo izao dia efa tanteraka tahaka izay ny tononkiram-pirenentsika hoe :

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana