Fil d'actualités du 23/02/2017

  • 23/02/2017 - 20:30 : Tiko AAA: Efa manomboka hita eny amin'ny tsena Magro ny zava-pisotro Classiko vokarin'ny orinasa Tiko AAA. Sandaina 2.500 ariary ny tavoahangy 1,5 litatra.

  • 23/02/2017 - 20:00 : Fandripahana ala: Ambony ny tahan'ny fandripahana ala eto Madagasikara, hoy ny fanadihadiana nataon'ny ofisim-pirenena misahana ny Tontolo iainana. 0,8% izany ny taona 1990 hatramin'ny 2000. 0,4% kosa izany teo anelanelan'ny taona 2005 sy 2010 ary niakatra 0,9% ankehitriny ka mahatratra 66.000ha ny velarana ala potika.

  • 23/02/2017 - 19:30 : Lavanilina: Ratsy indrindra ny taom-piotazana lavanilina Malagasy 2016-2017. Tsy nisy afa-tsy 1.500 taonina izany raha eo amin'ny 2.000 hatramin'ny 2.500 taonina isan-taona. 60 dolara ny kilaon'ny lavanilina ny taona 2014, 135 dolara ny taona 2015 ary 210 dolara kosa ny taona 2016.

  • 23/02/2017 - 19:00 : Aretina bilarziozy: Voan'ny aretina bilarziozy ny 50%ny zaza Malagasy, hoy ny tatitry ny fikambanana iraisampirenena momba ny Fahasalamana. Distrika 103 amin'ireo 113 ihany no ahitana ity aretin-kankana ity ary anisan'izany ny tananan'Antananarivo.

  • 23/02/2017 - 18:30 : Fitantanana sy Tetibola: Nankatoavin'ny filankevitry ny governemanta ny talata teo volavolana didim-panjakana mamaritra ny andraikitry ny minisitry Fitantanana sy ny Tetibola. Hajoro ao anatin'ity departemanta ministerialy ity ihany koa ny rafitra iray hanara-maso ny fampiasana ireo vola fanampiana azo tamin'ny fikaonan-dohan'ireo mpamatsy sy mpampiasa vola tao Paris.

  • 23/02/2017 - 18:00 : Vidim-bary: Nahitana fihenana ny vidim-bary eny an-tsena. Fidinana manodidina ny 100 hatramin'ny 150 ariary.

  • 23/02/2017 - 17:30 : Hazo sarobidy: Hampiharina amin'izay ny fananganana ilay rafitra manokana iadiana amin'ny fanondranana antsokosoko andramena sy hazo mainty miaraka amin'ny fanasaziana, araka ny tapaky ny filan-kevitry ny minisitra. Fanapahan-kevitra noraisina herintaona aty taorian'ny fankatoavana ny lalana.

  • 23/02/2017 - 17:00 : Fifidianana 2018: Nanamafy ny filoha nasionalin'ny antokom-panjakana Rivo Rakotovao fa ny filoha amperinasa Hery Rajaonarimampianina ihany no kandidan'ny HVM amin'ny fifidianana 2018.

  • 23/02/2017 - 16:30 : Fampianarana ambaratonga ambony: Tafaverina ho mpikambana eo amin'ny Cames (Conseil Africain et Malgache de l'Enseignement Superieur) i Madagasikara. Nanamafy io fiverenan'ny firenena Malagasy io ny fahatongavan'ny delegasionina eo anivon'ity filankevitra ity teto amintsika ny fiandohan'ny volana febroary 2017.

  • 23/02/2017 - 15:30 : Aft Andavamamba Antananarivo: Hisy fampisehoana ara-java-kanto maimaimpoana hatao eny an-toerana ny takarivan'ny rahapitso 24 febroary, izay ahitana ny mpanakanto Thťo Rakotovao, Minah, Gangstabab, Dah Mama, Jean Emilien, Af Jazz, Tsiriry, Voromanga Milalao ary Ragasy. Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT izany.

Voir plus d'infos...

23/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161208

Misongadina

Fifidianana 2018 ďDaty sisa andrasakoĒ, hoy i Dada

08/12/2016

Efa vonona tanteraka i Marc Ravalomanana aminíny fifidianana 2018 ka ny fotoana higadonany sisa no andrasana, raha ny fanambarany nandritra ny fiatrehany ny fanokafana ny fivorianíireo beníny tanŗna aty aminíny ranomasina Indianina teny aminíny Hotely Colbert Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rafitra demokratika Mamotika toekarena, hoy ny pastera Mailhol

08/12/2016

Fitaovana entiníny vahiny iarovana fanjakana eo aminíny fitondrana mba hahafahany migoka ny harena sy tombontsoa eo aminíny firenena ny demokrasia raha mbola manaiky ireo vahiny isika, hoy ny pasitera Mailhol, izay lehibeníny antokom-pivavahana Apokalipsy tetsy aminíny foibeníizy ireo tetsy Isotry.

Hamaky ny tohiny...

Rehefa avy nigadra Tsy maintsy ho vedety, hoy i Cohen Rivolala

08/12/2016

Elaela tsy nahenoana aníi Cohen Rivolala, izay lehibena antokom-pivavahana iray eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Vondroníny senatera taloha Mampitandrina ny mpitondra

08/12/2016

Tsy manohitra ary tsy manohana ny fitondrana akory ny Amicale des CST et sťnateurs de Madagascar fa mijanona eo afovoany, hoy ny filohaníny vondrona, Ralison Roger.

Hamaky ny tohiny...

Vondrona Eoropeanina Hanohana ireo tanŗn-dehibe eto Madagasikara

08/12/2016

Hampivoatra ireo tanŗn-dehibe sy ny fiainaníny mponina ao aminy ny fijoroaníny birao vaovao mpitantana ny AVCOI (Association des Villes et Collectivitťs de líOcťan Indien).

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Hifidy izay ho filohaníny Beníny tanŗna

08/12/2016

Hanao fihaonana eny Andoharanofotsy ireo Beníny tanŗna ato aminíny Faritra Analamanga. Mandritra izany ihany koa no hanavaozana ny birao mpitantana ny fikambananíny Beníny tanŗna.

Hamaky ny tohiny...

Fivorianíny mpamatsy vola tany Paris Tsy misy tombontsoa ho aníny vahoaka, hoy ny Aro Riaka

08/12/2016

Mbola trosa ihany fa tsy omena fotsiny ilay famatsiam-bola nampanantenainíireo mpamatsy vola nivory tany Paris ny fiandohaníny herinandro teo sady tsy misy tombontsoa ho aníny vahoaka Malagasy velively, hoy Rakotonirina Odon, filohaníny Antoko Aro Riaka.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasiníi Jean Inona no asanao ?

08/12/2016

Miarahaba ry Jean a ! Saika adinoko ny niarahaba fa taitra mafy loatra aho aminíity loza mitatao eto aminíny tany sy ny firenena ity kanefa mbola hodianareo tsy hita ihany.

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

FarihiníAndranotapahana RN4 Lasaníny Sinoa indray

08/12/2016

Mpanjono miisa 75 mivondrona ao aminíny fikambanana ďFaniloníi MarovatanaĒ,

Hamaky ny tohiny...

Mamono mankaiza ?

08/12/2016

Tonga aminíilay fanontaniana hafahafa fametraky ny tanora manao hoe ďmamono mankaiza ?Ē isika izao.

Hamaky ny tohiny...

Lany andro mifanenjika ny Malagasy Jihifiníny vahiny ny harena

08/12/2016

Lany andro sy fotoana mimenomenona eto isika saingy tsy hita izay vokany.

Hamaky ny tohiny...

Aretina mamono olona any Befotaka Tsy mbola voaporofo fa pesta

08/12/2016

Nitondra fanazavana mahakasika ilay aretina pesta any amin'ny distrikan'i Befotaka izay voalaza fa efa nandripaka olona hatrany amin'ny 31 isa omaly ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Serasera sy teknolojia any an-tsekoly Efa mihatsara ny vokatra azo eto an-drenivohitra

08/12/2016

Efa mihatsara na dia vao manomboka aza ny vokatra azo eny anivoníireo sekoly miankina sy tsy miankina aminíny fanjakana eto an-drenivohitra mikasika ny fampiasana ny teknolojia sy ny serasera.

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany faha-3 sy faha-5 Notoloraníny Orange ivontoerana hahafahana mikirakira solosaina

08/12/2016

Taorianíny Boriborintany fahefatra dia notoloraníny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar ivontoerana hahafahany mianatra maimaimpoana momba ny informatika ihany koa ireo vehivavy sy renim-pianakaviana ao aminíny boriborintany fahatelo sy fahadimy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana