Fil d'actualités du 27/05/2017

  • 27/05/2017 - 09:00 : Fakana an-keriny: Mitaky volabe hatrany amin'ny 1 000 000 Euros ireo naka an-keriny ilay Karana Yanish Ismael, zanaky ny mpandraharaha tompon'ny La City eny Ivandry. Tsy fantatra hatramin'izao ny toerana misy io zanaka karana io ary tsy mbola nisy ny fitoriana napetraky ny fianakaviana noho ny tahotra ireo mpaka an-keriny.

  • 26/05/2017 - 16:00 : Fanatanjahantena _Taranja Tennis: Miisa ireo kandida hofidiana ho filohan'ny federasionina (FMT) hatao ny 3 mey izao eny amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina, ka ireto avy izy ireo: Stťphane Rakotondrainibe (Filohan'ny Federasionina 2010-2012); MananíIala Andriamalala (Talen'ny informatika eo anivon'ny CNAPS) ary Vincent Razafindratsimba.

  • 26/05/2017 - 14:45 : YALI Madagascar _Torolŗlana ho an'ny fitadiavana asa: Hisy ny hetsika antsoina hoe "DAY OF SHARING AND SOLIDARITY" eny amin'ny CCIA Antaninarenina rahapitso 27 mey amin'ny 8 ora 30 maraina ka hatramin'ny 4 ora 30 hariva. Isan'ny hampianarina amin'izany ny Teknika fitadiavana asa, Fizarana traikefa, Famatsiam-boala sy fiaraha-miobon'antoka,...

  • 26/05/2017 - 14:15 : Fifidianana solombavambahoaka Frantsay : Manasa ireo mpifidy Frantsay eto Madagasikara hifamotoana sy hihaona aminy eny aminíny Cafť de la Gare Soarano ny kandidaníny hetsika ę En Marche Ľ Amťlia Lakrafi ho aníny faritra Afrika Moyen-Orient nyalatsinainy 29 mey aminíny 7 ora hariva. Androany dia Antsirabe no tsidihin'ity kandida ity ka ao amin'ny Rťsidence des Hauts Plateaux izy no hifamotoana amin'ny mpifidy amin'ny 5 ora sy sasany hariva.

  • 26/05/2017 - 13:45 : Fizahantany _ITM andiany faha-6 : Hatao eny aminíny tanŗna Voara eny Andohatapenaka ny 8 jona ka hatraminíny 11 jona ny andiany faha-6 aminíny Foara Iraisam-pirenena mikasika ny fizahantany na ny ITM. Mpandraharaha an-jatony no hasaina ho avy eto ankoatra ireo mpanao gazety maro be. Hasaina manokana hitsidika aníI Madagasikara ny vahiny mialohaníny hanatrehany ny ITM eto an-dRenivohitra. Hatrany amin'ny 400 000 ny mpizahatany kendrena hitsidika an'i Madagasikara.

  • 26/05/2017 - 13:15 : Fanondranana zava-mahadomelina: Miakatra fitsarana anio ireo vehivavy 2 sy Afrikanina 4 tompon'antoka tamin'ny resaka fanondranana heroÔne 495g sarona teny Ivato ny 17 mey teo. Saika halefa tany Canada io zava-mahadomelina io.

  • 26/05/2017 - 12:45 : Antoko Tiako i Madagasikara: Nosokafana androany atrikasa momba momba ny hiatarika sy hifanomezam-baovao eo anivon'ny TIM, ka mitarika izany ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana. Ireo mpitantana ny TIM eny anivon'ny distrika na ny DISTIM no nomena ity fampiofanana ity.

  • 26/05/2017 - 12:15 : Teknolojia _ NEW TECH EVENT: Hatao ny 1 jona ka hatramin'ny 3 jona izao ny ny andianay voalohany amin'ity hetsika momba ny teknolojia vaovao, izay ay hanome vahana ireo tanora mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny NTIC. Hisy ihany koa ny fifaninana mamorona tranonkala ao anatin'ny 10 ora monja, ka ao anatin'ny andro hanaovana ny fifaninana vao hampahafantarina ny lohahevitra.

  • 26/05/2017 - 11:45 : Sainte Marie _Halatra lavanila : Lehilahy 1 sarona tao aminíny tanŗnaníAmbohitra teo am-pangalarana lavanila, ka nofatorana nandritra ny alina ary nentina tao an-tampon-tanŗna sy natolotra ny polisim-pirenena androany maraina.

  • 26/05/2017 - 11:15 : Antenimieram-pirenena : Ity andrim-panjakana ity no hiantoka ny fandaniana rehetra aminíny fikarakarana ny vantana mangatsiakaníny Solombavambahoakaníi Marolambo Laivao Nitadiavina, izay nodimandry tampoka teny aminíny ę Clinique Ľ iray teny Ankadifitsy noho ny fihetsehana tampoka teo aminíny aretina efa nitaiza azy.

Voir plus d'infos...

26/05/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161125

Misongadina

AAA - TIKO Miverina aminíny heriny

25/11/2016

Hiverina aminíny heriny tsy ho ela ny orinasa TIKO, taorianíny taona 2009 izay nanapotehana tanteraka ity orinasa Malagasy iray ity.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Famaranana ny frankofonia Hanahirana ny mpitandro ny filaminana

25/11/2016

Hitohivakana manomboka anio ny fihetsiketsehana isan-karazany manodidina ny fanehoana aminíireo vahiny rehetra mandray anjara aminíny fihaonambeníny frankofonia fa maro ny tsy fetezan-javatra mitranga sy efa nitranga kanefa afenimpeniníireo mpitondra eto aminíny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Raha tsy nahongana Ravalomanana Tsy toy izao intsony ny fiainaníny Gasy

25/11/2016

Ny ankamaroaníny Malagasy dia samy milaza avokoa fa tsy toy izao isika raha tsy nanaovana ankasomparana i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nanaka-dresaka aníi Neny

25/11/2016

Niara-dalana hatrany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny beníny tanŗnaníAntananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana, teny Tanjombato, omaly, niara-nitsidika ireo tranoheva naranty nandritra ny vela-tsehon'ny SIM 2016.

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Fa lasa aiza e ?

25/11/2016

Taorianíny fihaonambeníireo firenena mivondrona ao anatiníilay komisionina mifanerasera ara-barotra aty aminíny fari-dranomasiníi afrika atsinanana na COMESA

Hamaky ny tohiny...

Frankofonia 2016 Baraingo ny isaníireo filoham-panjakana ho avy

25/11/2016

Ora sisa no hisaina dia higadona ny 26 novambra hanombohaníilay fihaonana an-tamponíny Frankofonia eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Iza no hodakana ?

25/11/2016

Raha mbola anatiny tanteraka ny fihaonana an-tamponíny FrankŰfŰnia dia ny mety hitranga aorianíity andiany faha-16 ampiantranoaníi Madagasikara ity indray izao no be mpiresaka, indrindra eo aminíny fitantanam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasiníi Jean Ahoana izany solomasonareo izany ?

25/11/2016

Tantanta Jean a ! izany, hono, ianareo dia nahazo solomaso vaovao ? Ilay hoe nozaraina taminíny frankofonia e ! Sady hafa kely hoe ilay izy ?

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Mpampianatra mpikaroka Tsy laharam-pahamehana ny frankofonia

25/11/2016

Nisokatra omaly alakamisy ary hifarana anio zoma hariva eny Ambohipo ny filankevi-pireneníny SECES (Sendikaníny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra), izay handinihany ny raharaham-pirenena sy ny fiainan'ny oniversite ary ny fitakiany.

Hamaky ny tohiny...

KerŰzena, gazoala, lasantsy Manana tahiry 11 andro Antananarivo

25/11/2016

Miakatra ny filana solika aminíizao herinandro ampiantranoaníi Madagasikara ny fihaonana an-tampony ny FrankŰfonia andiany faha-16 izao,

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Hahazo 65 tapitrisa dolara avy aminíny Banky iraisampirenena

25/11/2016

Nankatoaviníny filankevi-pitantananíny Banky iraisampirenena ny 22 novambra teo ny fanomezana vola mitentina 65 tapitrisa dolara aníi Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Orange Madagascar Miroso aminíny 4G

25/11/2016

Tsy mitsaha-mivoatra ny orinasam-pifandraisana Orange aminíny fanatsarana ny kalitaoníny tolotra omeny ny mpanjifa, indrindra fa ny internet ho aníny rehetra.

Hamaky ny tohiny...

VONDRONA STAR Handray anjara aminíny fampandrosoana ny toekarem-pirenena

25/11/2016

Handray anjara aminíny fampandrosoana ny toekarem-pirenena ny vondrona Star

Hamaky ny tohiny...

TANORA MPANDRAHARAHA MENDRIKA TAONA 2016 Lasan-dRaveloson Andry ny amboara

25/11/2016

Lasan-dRaveloson Andry, tale mpitantana ny orinasa mpanamboatra fromazy ę Sodimilk Ľ ny amboara taminíilay fifaninanana tanora mpandraharaha mendrika taona 2016 nokarakarainíny banky BNI Madagascar.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakaníny maizina !

25/11/2016

Lavitry ny kitay ny afo aminíny hisianíny mangarahara eto aminíny firenena ato ho ato. Maizina aminíny vahoaka ny zava-drehetra, ka tsy atao mahagaga raha ďfanjakaníny maizinaĒ no hiantsoaníny besinimaro ny fanjakana ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana