Fil d'actualités du 19/09/2017

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

  • 19/09/2017 - 11:55 : Fitaterana :efa eo am-pandinihana amin'izao fotoana ny fanamboarana lalamby mampitohy an'Antsirabe amin'i Fianarantsoa, eo ihany koa ny mampitohy an'i Fianarantsoa amin'i Toliara.Natao izany ho fanatsarana hatrany ny fifamoivoizana sy fifanakalozana amin'iny tapany atsimon'ny nosy iny.

  • 19/09/2017 - 09:50 : Vohipeno:Nahazo jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ny lapa Fenovola ao Vohipeno araka ny fampanantenana nataon'ny filohampirenena.Nanatitra izany tany an-toerana ny minisitry ny fitaterana Beboarimisa Ralava.Nomena Canalsat mba hahafahan'izy ireo manara-baovao ihany koa ireo Ampanjaka ao an-toerana.

  • 19/09/2017 - 09:45 : RN7:efa vita ilay d√©viation eo amin'ny toerana misy ny tetezan'i Vohiposa mba hahafahan'ireo fiaraka latsaky ny 3,5 taonina mifamezivezy.Eo am-panambarana ilay pont Bailey ihany koa izay apetraka vonjimaika any an-toerana ny ministeran'ny asa vaventy amin'izao fotoana.

  • 19/09/2017 - 09:15 : Olona 7 mpivarotra sy manaparitaka basy no voasambotry ny polisin'ny BC.Vehivavy ny 3 ary mpitandro filaminana ny iray.Eny amin'ny faritr'Ivato no fantatra fa tena iasan'izy ireo.Basy marika Beretta ireto tratra ireto, efa an-jatony ny basy naparitak'ireto mpanao trafika ireto araka ny fanazavan'ny polisim-pirenena hatrany.

  • 19/09/2017 - 09:05 : Vita amin'ny 75% ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato izay sahanin'ny Ravinala Airports.Tonga nizaha ny fizotry ny asa teny an-toerana omaly ny minisitra misahana ny tetikasan'ny filohampirenena Benjamina Ramarcel Ramanantsoa.

  • 19/09/2017 - 09:00 : Nivoaka omaly ny vola taratasy vaovao andiany faharoa tamin'ity taona ity dia ny 1000 ar,500 ar, 200 ar ary ny 100 ar.Hiara-kiasa amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ny Banky Foiben'i Madagasikara amin'ny fanentanana ny olompirenena mba tsy hisalasala amin'ny fampiasana ny vola vaovao.

  • 19/09/2017 - 08:55 : Tsy misy atahorana intsony ny fahasalaman'ireo kambana mirahavavy nitambatra taova ka nosarahana teny amin'ny Hjra.Ny aty sy taolan-tratra no nitambatra tamin'izy ireo.Nitarika ny ekipa mpandidy ny minisitry ny fahasalamana Lalatiana Andriamanarivo.

  • 19/09/2017 - 08:35 : Nihaona teny Ivandry omaly atoandro i Marc Ravalomanana sy ny profesora Zafy Albert.Tsy nisy ny fanambarana ofisialy saingy re fa niresaka momba ny raharaham-pirenena ny roa tonta.

Voir plus d'infos...

19/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161124

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Hividy ďforce oneĒ aminíizay ?

24/11/2016

Mitombo voninahitra hatrany ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina noho ny fampiantranoaníi Madagasikara ireo fivoriana iraisam-pirenena maro tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Frankofonia 2016 34 ireo Filoha sy lehibeníny Governemanta andrasana

24/11/2016

Hisokatra ofisialy aminíny sabotsy 26 novambra 2016 izao ny fihaonana an-tamponíny FrankŰfŰnia andiany faha-16, izay tanterahina eto Madagasikara ny 22 ka hatraminíny 27 novambra 2016. Efa nanomboka ny talata teo ny fivoriana isan-tokony.

Hamaky ny tohiny...

Nampidirina ny fahazoana ď4X4Ē Holaniana anio ny tetibolam-panjakana 2017

24/11/2016

Nampidirin'ny solombavambahoaka ao anatin'ny volavolan-dalŗna momba ny tetibolam-panjakana 2017 ny fahazoan'izy ireo fiara tsy mataho-dalana.

Hamaky ny tohiny...

Tolona fanorenana ifotony Handefa taratasy ho aníny filoha frantsay

24/11/2016

Mila ovaina ny fomba fiaraha-miasaníi Madagasikara sy Frantsa ary mila hazavaina ihany koa ny antony tsy hamerenana aminíny malagasy ireo nosy manodidina hatraminíizao

Hamaky ny tohiny...

Tombontsoa aminíny frankofonia Tsy ampy ny fanazavana

24/11/2016

Na dia nanao izay ho afany tetsy aminíny Mon gouter AndrefaníAmbohijanahary aza ny mpanara-maso momba ny tanora no sady filohaníny antenimieram-pirenena sy depiote avy any Mahajanga teo aloha, Soalahy Tsaratsiry,

Hamaky ny tohiny...

Profesora Radanoara Tsy hisy vokany avy hatrany ny fampiantranoana ny Frankofonia

24/11/2016

Adihevitra eny anivoníny fiarahamonina Malagasy hatraminíizao ny mety ho tombontsoa ho azoníi Madagasikara na tsia aminíny fandraisantsika ny fihaonana an-tamponíny Frankofonia tontosaina ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Tetikasaníny filoham-pirenena Tafiditra hatraminíny zaridainaníny kaominina

24/11/2016

Mahafinaritra ny nahita ny fiovana tampoka nihatra taminíireo zaridaina kaominaly sasantsasany nasiana fanatsarana tao anatiníny fotoana fohy, toy ny eny aminíiny faritríi Soanierana anelanelaníny tranombarotra Descours sy ny toeram-pivarotana solika Galana iny.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aiza ny anjaranay e ?

24/11/2016

Sady nanongo tena aho ry Jean no nalahelo naheno antso an-tariby nataoníny olom-pirenena avy any Bekily hoe inona izany frankofonia izany ?

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Fanangonam-baovaoníny Frankofonia Hambaniana ny mpanao gazety Malagasy

24/11/2016

Tsy takona afenina ny antsojay mahazo ny mpanao gazety Malagasy aminíny fanangonam-baovao mandritra ny frankofonia.

Hamaky ny tohiny...

FANOMEZANA FARANíNY TAONA ďMercedes sprinterĒ no hatolotry ny Airtel

24/11/2016

Iray volana mahery kely sisa dia higadona ny fetiníny faraníny taona sy ny taona vaovao.

Hamaky ny tohiny...

IST AMPASAMPITO Hiara-kiasa amina onivesite Kanadiana

24/11/2016

Hiara-kiasa hanampy ireo tanora mpianatra Malagasy vao misondrotra ny oniveriste iray any Kanada ny Institut Supťrieur de la technologie etsy Ampasampito.

Hamaky ny tohiny...

Fihaonamben'ny mpanao gazety any Antsirabe Tohanan'ny orinasa STAR

24/11/2016

Hifarana anio ao Antsirabe rehefa naharitra andro vitsivitsy ilay fihaonambeníny mpanao gazety miteny frantsay andiany faha-45 tanterahina eto amintsika. Fahombiazana ny fihaonana taminíny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hanilika sa hampifandray ?

24/11/2016

ę Varavarana mampifandray aminíny any ivelany ve sa singam-panilikilihana ara-politika sy ara-kolontsaina eo aminíny fiarahamonina ny teny frantsay eto Madagasikara ? Ľ.

Hamaky ny tohiny...

Hanilika sa hampifandray ?

24/11/2016

ę Varavarana mampifandray aminíny any ivelany ve sa singam-panilikilihana ara-politika sy ara-kolontsaina eo aminíny fiarahamonina ny teny frantsay eto Madagasikara ? Ľ.

Hamaky ny tohiny...

Tapatapany

TAPATAPANY FARITRA BOENY

24/11/2016

3.513.800 Ariary no voaangona taminíny Telefood notanterahina nanoloana ny Lapaníny tanŗna Mahajanga ny 11 novambra 2016.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana