Fil d'actualités du 23/02/2017

  • 23/02/2017 - 20:30 : Tiko AAA: Efa manomboka hita eny amin'ny tsena Magro ny zava-pisotro Classiko vokarin'ny orinasa Tiko AAA. Sandaina 2.500 ariary ny tavoahangy 1,5 litatra.

  • 23/02/2017 - 20:00 : Fandripahana ala: Ambony ny tahan'ny fandripahana ala eto Madagasikara, hoy ny fanadihadiana nataon'ny ofisim-pirenena misahana ny Tontolo iainana. 0,8% izany ny taona 1990 hatramin'ny 2000. 0,4% kosa izany teo anelanelan'ny taona 2005 sy 2010 ary niakatra 0,9% ankehitriny ka mahatratra 66.000ha ny velarana ala potika.

  • 23/02/2017 - 19:30 : Lavanilina: Ratsy indrindra ny taom-piotazana lavanilina Malagasy 2016-2017. Tsy nisy afa-tsy 1.500 taonina izany raha eo amin'ny 2.000 hatramin'ny 2.500 taonina isan-taona. 60 dolara ny kilaon'ny lavanilina ny taona 2014, 135 dolara ny taona 2015 ary 210 dolara kosa ny taona 2016.

  • 23/02/2017 - 19:00 : Aretina bilarziozy: Voan'ny aretina bilarziozy ny 50%ny zaza Malagasy, hoy ny tatitry ny fikambanana iraisampirenena momba ny Fahasalamana. Distrika 103 amin'ireo 113 ihany no ahitana ity aretin-kankana ity ary anisan'izany ny tananan'Antananarivo.

  • 23/02/2017 - 18:30 : Fitantanana sy Tetibola: Nankatoavin'ny filankevitry ny governemanta ny talata teo volavolana didim-panjakana mamaritra ny andraikitry ny minisitry Fitantanana sy ny Tetibola. Hajoro ao anatin'ity departemanta ministerialy ity ihany koa ny rafitra iray hanara-maso ny fampiasana ireo vola fanampiana azo tamin'ny fikaonan-dohan'ireo mpamatsy sy mpampiasa vola tao Paris.

  • 23/02/2017 - 18:00 : Vidim-bary: Nahitana fihenana ny vidim-bary eny an-tsena. Fidinana manodidina ny 100 hatramin'ny 150 ariary.

  • 23/02/2017 - 17:30 : Hazo sarobidy: Hampiharina amin'izay ny fananganana ilay rafitra manokana iadiana amin'ny fanondranana antsokosoko andramena sy hazo mainty miaraka amin'ny fanasaziana, araka ny tapaky ny filan-kevitry ny minisitra. Fanapahan-kevitra noraisina herintaona aty taorian'ny fankatoavana ny lalana.

  • 23/02/2017 - 17:00 : Fifidianana 2018: Nanamafy ny filoha nasionalin'ny antokom-panjakana Rivo Rakotovao fa ny filoha amperinasa Hery Rajaonarimampianina ihany no kandidan'ny HVM amin'ny fifidianana 2018.

  • 23/02/2017 - 16:30 : Fampianarana ambaratonga ambony: Tafaverina ho mpikambana eo amin'ny Cames (Conseil Africain et Malgache de l'Enseignement Superieur) i Madagasikara. Nanamafy io fiverenan'ny firenena Malagasy io ny fahatongavan'ny delegasionina eo anivon'ity filankevitra ity teto amintsika ny fiandohan'ny volana febroary 2017.

  • 23/02/2017 - 15:30 : Aft Andavamamba Antananarivo: Hisy fampisehoana ara-java-kanto maimaimpoana hatao eny an-toerana ny takarivan'ny rahapitso 24 febroary, izay ahitana ny mpanakanto Théo Rakotovao, Minah, Gangstabab, Dah Mama, Jean Emilien, Af Jazz, Tsiriry, Voromanga Milalao ary Ragasy. Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT izany.

Voir plus d'infos...

23/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161121

Misongadina

« Grandes surfaces » eto Antananarivo Atahorana hisy hametraka baomba…

21/11/2016

Hentitra kokoa ny fisavana any anatin’ireo tranombarotra lehibe na ny antsoina hoe « Grande surface » eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Hampisondrotra ireo izay tsy manana mba hanana

21/11/2016

Mitohy ny fitsidiham-paritra tanterahin’ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

« Village de la Francophonie » Hisokatra ho an’ny besinimaro

21/11/2016

Hotokanana anio alatsinainy 21 novambra tolakandro ny « Village de la Francophonie » etsy Andohatapenaka, ary dia hisokatra ho azon’ny besimaro tsidihina aorian’izay. Vohitry ny kolontsaina sy taozavatra ny « Village de la Francophonie ».

Hamaky ny tohiny...

Fandaniana ny tetibola 2017 Miankina amin’ny hita tamin’ity taona ity

21/11/2016

Mbola hisy ny fifidianana ny “lalàna fandravonana” hahafahana mitaratra na nandeha araka ny tokony ho izy na tsia ny fandaniana ny tetibolam-panjakana tamin’ity taona ity.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny frankofonia Sahiran-tsaina ireo mpampitony

21/11/2016

Hanomboka anio dia ho renivohitry ny frankofonia i Madagasikara, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Beatrice Atallah, ka aoka hatsahatra hatreo aloha ny adilahy politika rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Michaëlle Jean Sedra voalohany ho azy ny Frankôfônia 2016

21/11/2016

Eto Madagasikara hatry ny omaly ny Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia, Rtoa Michaëlle Jean, ary tsy hiala eto raha tsy amin’ny 27 novambra 2016 hifaranan’ny fihaonana an-tampony faha-16 ny Frankôfônia.

Hamaky ny tohiny...

Mohammed VI Afrikanina faha-5 manankarena indrindra

21/11/2016

Ny Mpanjakan’i Maraoka Mohammed VI no namaky lay ny fahatongavan’ireo olo-manankaja hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-16 Frankôfônia hatao eto Antananarivo ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra 2016

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Ataovy tsara e !

21/11/2016

Eny ary ry Jean fa dia raikitra izy ity ka tsy mipody koa ! Marina ny anareo hoe raharaham-pirenena no atrehana fa dia aleo aloha mba samy hibanjina an’izay na dia misy aza ny tsy fifanarahana madinidinika e !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Fitokanana lalana frankofonia Vitsy ireo depiote nanotrona

21/11/2016

Nampisy resa-be ny fahavitsian’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara tonga nanotrona ny fitokanana ny lalana Frankofonia “Rocade d’Andohatapena” na ilay lalana tafiditra amin’ireo tetikasa “Projet Présidentiel”.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Liana amin’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny tanora

21/11/2016

Liana amin’ny asa fandraharahana ny ankamaroan’ireo tanora eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fanafoanana ny CEPE Tsy mbola ato ho ato, hoy ny minisitra Paul Rabary

21/11/2016

Mandeha be ny feo eny anivon’ny fiarahamonina eny, indrindra ny eny ambanivohitra fa hofoanana ato ho ato ny fanadinana CEPE ary hanomboka hampihatra ilay drafi-pampianarana Plan Sectoriel de l’éducation (PSE) ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambavahaditokana Nofanina amin’ny resaka vonjy voina ny mponina

21/11/2016

Anisan’ny kaominina iray ahitana ankizy latsaka anaty lava-biriky na olona maty an-drano hatrany matetika ny kaominina Ambavahaditokana Atsimondrano rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tokantrano hono tsy hahahaka e!

21/11/2016

Ao anatin’ny frankofonia tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Ny mpitondra milaza fa tombotsoam-pirenena ny fanatanterahana izany eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Tapatapany

Marion Vaovao mampalahelo no nianjady amin’ny mpanakanto Marion. Nodimandry ny sabotsy teo ny rainy niteraka azy noho ny aretina nahazo azy. Izahay eto amin’ny gazety tia tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ity mpanakanto sangany ity sy ny fia

21/11/2016

Ivandry Trano iray misy rihana, nirehitra omaly maraina teny Ivandry akaikin'ny siniben-drano. Namoizana ain’olona ity loza ity.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana